Tehirizo
Mampiasa An’ireto Bokikely Ireto ve Ianao?
Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
Natao ho an’ny olona tsy dia mahalala ny Baiboly, indrindra ireo ao amin’ny fivavahana tsy kristianina
Ahoana no hanolorana azy? “Mba te hahafantatra ny hevitrao momba ity voalazan’ny Soratra Masina (na boky masina) ity izahay. [Vakio ny Salamo 37:11, izay hita eo amin’ny toko 11.] Araka ny hevitrao, hanao ahoana ny fiainana rehefa ho tanteraka io? [Avelao izy hamaly.] Santionany fotsiny amin’izay ampanantenain’ny Baiboly ny olona rehetra tsy an-kanavaka izany.” Vakio ilay teny fampidirana eo ambony indrindra amin’ny pejy 3, ary atolory ilay bokikely.
Andramo koa izao: Raha mampianatra olona tsy ao amin’ny fivavahana kristianina ianao, ka boky Ampianarina no ianaranareo, dia manokàna minitra vitsivitsy handinihana toko iray ao amin’io bokikely io. Azo atao aloha na aorian’ny fianarana izany. Hahalala ny votoatin’ny Baiboly ilay olona amin’izay.
Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra ianao
Natao ho an’ny olona tsy dia nahita fianarana na tsy mahay mamaky teny firy
Ahoana no hanolorana azy? “Araka ny hevitrao, azontsika atao ve ny ho lasa naman’Andriamanitra? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Jakoba 2:23.] Resahin’ity bokikely ity hoe inona no tokony hataontsika mba ho lasa naman’Andriamanitra toa an’i Abrahama isika.”
Andramo koa izao: Asehoy ny fianarana an’ilay bokikely, dieny eo am-pitoriana na rehefa miverina mitsidika, ka ny lesona voalohany manontolo na ny tapany aminy no iaraho midinika.
Ahoana no Nampisy Antsika?—Fanontaniana Dimy Mila Dinihana
Natao ho an’ny tanora Vavolombelona nampianarina momba ny evolisiona. Azo ampiasaina koa rehefa hiresaka amin’ny olona mino ny evolisiona sy ny olona tsy tena mino na tsy mino mihitsy an’Andriamanitra (Tsy natao hatolotra eny am-pitoriana io bokikely io.)
Ahoana no hampiasana azy io rehefa hiresaka amin’ny olona mino ny evolisiona na tsy mino an’Andriamanitra? “Mampianatra momba ny evolisiona daholo ny ankamaroan’ny boky siansa. Mino ve ianao fa tena marina ny evolisiona, sa tombantombana fotsiny? [Avelao izy hamaly.] Mila manadihady anefa aloha isika vao tokony hino zavatra iray na tsia. Sa tsy izany? Betsaka no mino hoe nisy namorona ny zava-drehetra satria nahita porofo maro izy ireo. Resahin’ity bokikely ity ny sasany amin’izany.”
Andramo koa izao: Apetraho eo ambony latabatrao ilay bokikely rehefa any am-pianarana, satria mety hahaliana ny ankizy.
Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana
Natao ho an’ny Miozolimanina mahazo mandalina ny Baiboly
Ahoana no hanolorana azy? Asehoy ny sary eo amin’ny pejy 16 sy 17 ary milazà hoe: “Tsy mitovy amin’ireo mihitsy ny zavatra hitantsika isan’andro. Mety hisy ihany ve anefa ireo indray andro any? [Avelao izy hamaly.] Jereo anie ity fampanantenan’ny Tenin’Andriamanitra ity e! [Mifidiana andinin-teny iray, ary vakio ao amin’ny Baibolinao.] Manampy antsika tena hino an’izany ity bokikely ity.”
Andramo koa izao: Rehefa vita ilay resaka, dia asaivo mifidy fanontaniana iray eo amin’ny fonony aoriana ilay olona. Manaova fotoana aminy avy eo mba hamaliana ilay izy.
Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
Natao ho an’ny olona manaraka fomban-drazana sy mifandray amin’ny herin’ny maizina
Ahoana no hanolorana azy? “Samy manana ny fivavahany ny olona rehetra. Misy milaza fa ny fivavahana fotsiny no samy hafa, fa Andriamanitra iray ihany. Ahoana ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Aleo hovakintsika ny tenin’i Jesosy. [Vakio sy hazavao ny Matio 7:13, 14.]” Vakio ny fehintsoratra 3 eo amin’ny sasin-teny amin’ny pejy 2, ary atolory ilay bokikely.
Andramo koa izao: Rehefa miverina ianao, dia miresaha loha hevitra sasany eo amin’ny pejy 3. Anontanio avy eo hoe iza no mahaliana azy, ary iaraho midinika izany. Rehefa avy nahazo valiny mahafa-po ilay olona, dia afindrao amin’ny boky Ampianarina ny fianaranareo.
Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?
Natao ho an’ny mpianatra sy ny mpahay siansa misalasala hoe nisy namorona izao rehetra izao sa tsia
Ahoana no hanolorana azy? “Be dia be ny olona variana rehefa mandinika ny biby sy zavamaniry na ny zavaboary hafa. Araka ny hevitrao, ahoana no nampisy azy ireny? [Avelao izy hamaly.]” Vakio ny Salamo 36:9 sy ny fehintsoratra farany eo amin’ny pejy 2, ary atolory ilay bokikely.
Andramo koa izao: Rehefa miverina ianao, dia miresaha zavatra sasany ao amin’ilay loha hevitra hoe “Planeta Natao Hiainana”, eo amin’ny pejy 4-10. Ataovy tsapan’ilay olona hoe tia antsika Andriamanitra rehefa jerena ny fomba namoronany ny tany. Manandrama avy eo manomboka fampianarana amin’ny boky Ampianarina, toko 3.
Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
Natao ho an’ny olona tsy te hino an’Andriamanitra intsony satria miaritra ny mafy
Ahoana no hanolorana azy? “Efa nieritreritra ve ianao hoe raha tena tia antsika Andriamanitra, nahoana izy no mamela antsika hijaly? [Avelao izy hamaly.] Hazavaina tsara ato amin’ity bokikely ity izany. Resahina ato koa anefa hoe hisy zavatra hataon’Andriamanitra tsy ho ela. [Asehoy ny sary eo amin’ny pejy 27, ary vakio ny Salamo 145:16, izay hita eo amin’ny fehintsoratra 22.] Inona anefa no hataony mba hanafoanana ny fijaliana rehetra? Raha tianao, dia izay no horesahintsika amin’ny manaraka.” Atolory ilay bokikely, ary mifanaova fotoana aminy.
Andramo koa izao: “Maro no miady saina hoe hanao ahoana ny fiainana afaka 10 na 15 taona. Araka ny hevitrao, hanao ahoana ny fiainantsika amin’izany? [Avelao izy hamaly.] Efa andro farany izao matoa be dia be ny olana manjo antsika. [Vakio ny 2 Timoty 3:1-3.] Valiana ato amin’ity bokikely ity ireto... [Vakio ireo fanontaniana eo amin’ny fonon’ilay bokikely, ary atolory ilay izy.] Mbola te hiresaka aminao aho amin’ny manaraka, raha manana fotoana kely ianao. Hovaliantsika hoe: ‘Tsy hisy olona harary na ho antitra intsony ve indray andro any?’ ” Mifanaova fotoana aminy avy eo.
Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao
Natao ho an’ny olona nanana havana na namana maty
Ahoana no hanolorana azy? “Mizara an’ity bokikely ity izahay androany. Nampionona olona an-tapitrisany nanana havana maty izy ity. Efa mba nieritreritra ve ianao hoe mbola ho hitantsika sa tsia ireny olona efa maty ireny? [Vakio ny Jaona 5:28, 29.]” Vakio koa ny fehintsoratra 3 eo amin’ny pejy 27.
Andramo koa izao: “Miezaka manampy an’izay olona efa nanana havana maty izahay. Anisan’ny zavatra mafy indrindra amintsika ny fahafatesana, ka namoaka an’ity bokikely ity izahay mba hampaherezana ny olona. Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao no lohateniny. Nanampy olona an-tapitrisany izy ity. Misy fampanantenana tena tsara nolazain’i Jesosy Kristy ato. [Vakio ny fehintsoratra farany eo amin’ny pejy 27 sy ny Jaona 5:21, 28, 29.] Resahin’ny Filazantsara mihitsy aza fa efa nisy olona natsangany tamin’ny maty, anisan’izany i Lazarosy. [Asehoy ny sary eo amin’ny pejy 26.] Tena mampahery ity bokikely ity, ka homeko anao raha tianao.”
Ny Fanahin’ireo Maty
Natao ho an’ny olona matahotra ny maty
Ahoana no hanolorana azy? “Angamba efa nisy olona nitantara taminao hoe nahita na nahare na nanonofy zavatra hafahafa. Matetika no matahotra be ilay olona. Tena marina ve anefa hoe mbola velona any ho any ny maty? [Avelao izy hamaly.] Jereo izay lazain’Andriamanitra ao amin’ny Mpitoriteny 9:5, 10. [Vakio sy hazavao.] Tsy tokony hatahotra ny maty àry isika. Hitantsika ato amin’ny pejy 29 amin’ity bokikely ity koa hoe inona no ampanantenain’Andriamanitra fa hataony amin’ny olona maty.”
Andramo koa izao: Rehefa miverina ianao, dia iaraho midinika aminy ny pejy 30 sy 31. Asehoy azy avy eo ny pejy 4 sy 5 amin’ny boky Ampianarina, ary mifanaova fotoana aminy mba hanohizana ilay resaka.