“Ataovy Hatrany Izao”
Hatao ny 5 Aprily ny Fahatsiarovana
1. Nahoana no zava-dehibe ny Fahatsiarovana?
1 Nandidy ny mpianany i Jesosy mba hahatsiaro ny nahafatesany. Hoy izy: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19) Be dia be ny soa raisintsika avy amin’ny sorona nataony. Ny Fahatsiarovana àry no andro lehibe indrindra amintsika. Efa amin’ny 5 Aprily ho avy izao io fotoan-dehibe io. Ahoana àry no hampisehoantsika amin’i Jehovah fa mankasitraka azy isika noho ny soron’i Jesosy?—Kol. 3:15.
2. Ahoana no hanomanantsika ny fontsika?
2 Omano ny fo: Matetika isika no miomana rehefa misy fotoan-dehibe. Omano àry ny fonao mba ho vonona ho amin’ny Fahatsiarovana. (Ezra 7:10) Azonao sy ny fianakavianao dinihina sy saintsainina, ohatra, ireo zava-nitranga talohan’ny nahafatesan’i Jesosy. Ahitana andinin-teny momba izany ao amin’ny kalandrie sy ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Misy andininy maro kokoa ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2011, pejy 23-24. Hita ao koa ireo toko manazava izany ao amin’ny boky Lehilahy Niavaka.
3. Inona no azontsika atao mba hanompoana bebe kokoa?
3 Manompoa bebe kokoa: Mankasitraka an’i Jehovah koa isika raha miezaka manompo bebe kokoa. (Lioka 6:45) Hizara fanasana isika manomboka ny asabotsy 17 Martsa ho avy izao. Nahoana raha mandamina fotoana ka manompo bebe kokoa, na manao mpisava lalana mpanampy mihitsy aza? Azo atao ny miresaka momba izany mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.
4. Inona no soa raisintsika rehefa manatrika Fahatsiarovana?
4 Tena mandray soa isika rehefa manatrika Fahatsiarovana isan-taona! Mitombo ny fifaliantsika sy ny fitiavantsika an’i Jehovah, rehefa misaintsaina hoe tena tia antsika izy ka nanome ny Zanany lahitokana. (Jaona 3:16; 1 Jaona 4:9, 10) Miezaka mafy àry isika mba tsy ho velona ho an’ny tenantsika intsony. (2 Kor. 5:14, 15) Vao mainka koa isika lasa te hidera an’i Jehovah. (Sal. 102:19-21) Tsy andrintsika àry ny hahatongavan’ny Fahatsiarovana amin’ny 5 Aprily, satria ‘hanambara ny fahafatesan’ny Tompo’ isika amin’io fotoana io.—1 Kor. 11:26.