FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/11 p. 1
  • Asehoy ny Fankasitrahanao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Asehoy ny Fankasitrahanao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • “Ataovy Hatrany Izao”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Asehoy ny Fankasitrahanao An’ilay Fanomezana Tsara Indrindra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Ampio ny Hafa Handray Soa avy Amin’ny Vidim-panavotana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Fanehoana Fankasitrahana ny Avotra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
km 3/11 p. 1

Asehoy ny Fankasitrahanao

Hatao ny 17 Aprily ny Fahatsiarovana

1. Inona no fihetseham-po tokony ho tsapantsika, indrindra amin’ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana?

1 Nankasitraka ny famindram-pon’i Jehovah sy ny famonjeny ny mpanao salamo, ka niteny hoe: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?” (Sal. 116:12) Nanome ny vidim-panavotana i Jehovah taonjato maro tatỳ aoriana, ary io no fanomezana lehibe indrindra. Vao mainka tokony hankasitraka azy àry isika. Hasehontsika izany fankasitrahana izany, ka miomana hanatrika ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy isika, izay hatao ny 17 Aprily.—Kol. 3:15.

2. Nahoana isika no tokony hankasitraka ny vidim-panavotana?

2 Fitahiana maro: Afaka mahazo ‘famelan-keloka’ isika, noho ny vidim-panavotana. (Kol. 1:13, 14) Manana feon’ny fieritreretana madio isika noho izany, rehefa manompo an’i Jehovah. (Heb. 9:13, 14) Sahy miteny koa isika rehefa manatona an’i Jehovah amin’ny vavaka. (Heb. 4:14-16) Afaka manantena fiainana mandrakizay mihitsy aza ireo mino ny vidim-panavotana!—Jaona 3:16.

3. Ahoana avy no hanehoantsika fankasitrahana an’i Jehovah?

3 Ahoana no hanehoanao fankasitrahana?: Diniho sy saintsaino ireo andinin-teny natao hovakina amin’ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana. Natao ho amin’izany ilay lahatsoratra hoe “Vonona ve Ianao Amin’ilay Andro Lehibe Indrindra?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2011. Lazao amin’i Jehovah koa fa tena sarobidy aminao ny vidim-panavotana. (1 Tes. 5:17, 18) Maneho fankasitrahana koa isika rehefa manatrika ny Fahatsiarovana, ho fankatoavana ny baikon’i Jesosy. (1 Kor. 11:24, 25) Hanahaka ny fitiavana lehibe nasehon’i Jehovah isika, ka hanasa olona betsaka araka izay azo atao.—Isaia 55:1-3.

4. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

4 Tsy mihevitra ny Fahatsiarovana ho toy ny fivoriana tsotra ny mpanompon’i Jehovah, raha tena mahay mankasitraka. Io mantsy no fivoriana miavaka indrindra ao anatin’ny taona! Aoka àry isika hanahaka ny mpanao salamo, ka ho tapa-kevitra ny “hidera an’i Jehovah”, ary tsy ‘hanadino izay rehetra nataony’!—Sal. 103:2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara