FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/12 p. 2
  • Arovy ny Sainao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Arovy ny Sainao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Fivoriamben’ny Faritra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Arovy ny Feon’ny Fieritreretanao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Fandaharana Vaovao ho An’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Fandaharana ho An’ny Mpitory
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 8/12 p. 2

Arovy ny Sainao

1. Inona no foto-kevitry ny fivoriamben’ny faritra amin’ny taom-panompoana 2013, ary inona no zava-kendren’ny fandaharana?

1 Nasain’i Jesosy ho tia an’i Jehovah amin’ny fony manontolo sy ny tenany manontolo ary ny sainy manontolo ny mpianany. (Mat. 22:37, 38) Natao hanampiana antsika hanatsara ny toetrantsika ny fivoriambe rehetra amin’ity taona ity. “Arovy ny Fonao!” no foto-kevitry ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. “Arovy ny Feon’ny Fieritreretanao” no foto-kevitry ny fivoriambe manokana amin’ny taom-panompoana 2013. Miorina amin’ny Matio 22:37 kosa ny foto-kevitry ny fivoriamben’ny faritra, hoe “Arovy ny Sainao.” Hanampy antsika handinika ny any an-tsaintsika any io fivoriambe io, mba hahatonga ny eritreritsika hampifaly kokoa an’i Jehovah.

2. Inona avy ny fanontaniana hovaliana mandritra ny fandaharana?

2 Inona no horesahina any? Hovaliana mandritra ny fandaharana ny valin’ireto fanontaniana ireto ka henoy tsara:

• Inona no hanampy antsika tsy hanana ny hevitr’olombelona?

• Inona no azontsika atao mba hanalana ny lamba manarona izay manajamba ny sain’ny tsy mino?

• Inona no toe-tsaina tiantsika hananana?

• Inona no soa horaisintsika raha zavatra tsara no saintsainintsika?

• Ahoana no amelantsika an’i Jehovah hamolavola ny saintsika?

• Inona no tokony hataon’ny lehilahy sy vehivavy manambady ary ny ray aman-dreny sy zanaka mba hahasambatra ny fianakaviany?

• Inona no tokony hataontsika mba ho vonona ho amin’ny andron’i Jehovah isika?

• Inona no dikan’ny hoe manatanjaka ny saina mba hiatrika asa?

• Inona no soa ho azon’ireo mampihatra ny zavatra nianarany?

3. Nahoana isika no tokony ho eo mandritra ny roa andro hanaovana fivoriambe, hihaino tsara, ary hampihatra izay hianarantsika?

3 Mitady fomba hanimbana ny saintsika i Satana. (2 Kor. 11:3) Tokony harovantsika sy hofehezintsika tsara àry ny eritreritsika. Mila manana ny sain’i Kristy foana isika ary mila manohitra ny fomba fisainan’ity tontolo baranahiny ity. (1 Kor. 2:16) Miomàna dieny izao àry mba hanatrika ireo roa andro hanaovana fivoriambe. Mihainoa tsara. Ho vonona hiatrika asa ny saintsika ary hazoto hanao ny asan’ilay Fanjakana isika, raha mampihatra ny fanazavana ho rentsika.—1 Pet. 1:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara