FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/12 p. 1
  • Afaka Mitory Takariva ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Mitory Takariva ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Efa Nanandrana ny Fitoriana Takariva ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Fomba fampiseho ny Vaovao Tsara amin’ny takariva
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Fitoriana Isan-trano
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Ampiasao Tsara ny Fotoana Rehefa Manompo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 10/12 p. 1

Afaka Mitory Takariva ve Ianao?

1. Araka ny boky iray, amin’ny firy ny apostoly Paoly no mitory isan-trano?

1 Milaza ny boky Fiainana Andavanandro Fahiny (anglisy) fa fanaon’ny apostoly Paoly ny nitory isan-trano, “nanomboka tamin’ny efatra ora tolakandro ka hatramin’ny alina be.” Tsy fantatsika raha izany marina ny fandaharam-potoanan’i Paoly. Fantatsika kosa fa nataony “noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra.” (1 Kor. 9:19-23) Tafiditra amin’izany ny hoe nandamina ny zavatra nataony mba hitoriana isan-trano amin’ny fotoana tena ahatratrarana olona.

2. Nahoana no fotoana mety tsara hitoriana ny takariva?

2 Mahazatra ny mpitory any amin’ny tany maro ny mitory isan-trano amin’ny maraina. Ahoana kosa ny ao amin’ny faritaninareo? Mbola fotoana mety tsara hitoriana ve ny maraina? Hoy ny mpisava lalana iray momba ny faritanin’izy ireo: “Zara raha misy olona tratra an-trano mandritra ny andro. Matetika kosa no ao an-tranony ny olona amin’ny takariva.” Mety ho ny fitoriana takariva no ahitana olona maro kokoa, indrindra fa ny lehilahy. Milamindamina sy vonona hiresaka kokoa ny olona amin’io. Tokony handamina fivoriana alohan’ny fanompoana amin’ny takariva ny anti-panahy, raha mety ny hanaovana izany.

3. Ahoana no ampisehoantsika fa mahay manavaka isika rehefa mitory takariva?

3 Mahaiza manavaka: Tena ilaina izany rehefa mitory takariva. Raha hitanao, ohatra, fa tsy mety amin’ilay olona ny fotoana ahatongavanao, angamba eo am-pisakafoana izy ireo, dia tsara ny milaza hoe hiverina ianao amin’ny manaraka. Raha efa maizina ny andro, dia mijoroa eo amin’izay ahitan’ilay tompon-trano anao, ary lazao haingana hoe iza ianao ary inona no anton-dianao. Tsara koa ny mandeha tsiroaroa na maromaro ary mandeha amin’ny toerana misy jiro sy be mpandeha. Aza mitory alina loatra sao hanelingelina olona efa hatory. (2 Kor. 6:3) Raha mampahatahotra ny toerana iray rehefa maizina, dia aleo hatao aloha kokoa ny fitoriana.—Ohab. 22:3.

4. Inona no fitahiana ho azontsika raha mitory takariva isika?

4 Fitahiana: Mahafinaritra kokoa ny fanompoana rehefa afaka miresaka amin’olona isika. Ho betsaka kokoa ny olona hampiantsika ho ‘voavonjy’ sy hahazo “fahalalana marina tsara ny fahamarinana”, raha afaka mitory amin’olona maro kokoa isika. (1 Tim. 2:3, 4) Afaka manova ny fandaharam-potoananao ve ianao mba hitoriana takariva?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara