Fomba fampiseho ny Vaovao Tsara amin’ny takariva
1 Hoy ny mpisoronabe jiosy tamin’ny sasany tamin’ireo mpianatr’i Jesosy Kristy voalohany: “Nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema”. (Asa. 5:28) Niharihary fa nahavita asa fitoriana tsara dia tsara tao amin’io tanana io ireo rahalahy, ary tsy isalasalana fa niasa tamin’ny fomba narisika izy mba hahatratrarana ny olona tsirairay tao amin’ny faritaniny. Nanohy nanao fanambarana feno tao sy tany amin’ny toeran-kafa izy ireo. — Asa. 8:25.
2 Amin’izao androntsika izao, dia toerana maro no nofenointsika fampianarana ny fahamarinana. Nisy fitomboana tsara dia tsara teo amin’ny isan’ny mpitory, ary mitovy amin’izany, fitomboana teo amin’ny isan’ny kongregasiona. Nihakely ny faritany ka noho izany dia voasa matetika kokoa. Nanjary nilaina ny fanitarana ny faritanintsika, mba hahafahana mahatratra olona bebe kokoa amin’ny vaovao tsara.
SOA AZO AVY AMIN’NY FANAOVANA FANAMBARANA AMIN’NY TAKARIVA
3 Mpitory maro no mahita fa afaka manitatra ny faritaniny tokoa, amin’ny fitsidihana ny tokantrano amin’ny takariva. Amin’io fotoana io izy ireo dia mahatratra tompon-trano maro izay tsy ao an-tranony matetika mandritra ny andro. Nilaza ireo mpitory fa nahita olona saika tao amin’ny trano rehetra tao amin’ny faritaniny, rehefa nitsidika tamin’ny takariva. Tsy hoe olona maro kokoa fotsiny no tratra an-trano, fa ireo izay tratra dia matetika afaka amin’ny fihenjanana nandritra ny andro ka vonona kokoa hihaino ny hafatra entintsika. Ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany dia afaka nanampy kongregasiona maro mba hanao fandaminana ho amin’ny asa fitoriana amin’ny takariva. Ampirisihina ny mpitory rehetra mba hanohana an’io tapany amin’ny takariva ny alarobia io mandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany.
4 Moa ve ianao efa nanandrana nanao fanambarana tamin’ny takariva tao amin’ny faritaninao? Amin’ny fotoan’ny fahavaratra, rehefa aoriana kokoa vao mody ny masoandro dia manana fahafahana hijanona any ivelany elaela kokoa noho ny fanaontsika amin’ny fotoana hafa isika. Azo ampiasaina ho amin’ny fitoriana isan-trano na hitsidihana an’ireo izay tsy tratra an-trano ny tapany amin’ny takariva. Avy eo angamba, aoriana kokoa amin’ny takariva, dia ho afaka hanao fiverenana mitsidika na hitarika fampianarana Baiboly isika. Na dia amin’ny fotoana maha-voafetra ny andro mazava any aoriana kokoa amin’ny taona aza, dia afaka mampiasa ny ora voalohany amin’ny takariva mba hitoriana isan-trano isika. Mazava ho azy fa ilaintsika ny manana saina mahay mitsara zavatra sy mampiseho fahamalinana, indrindra rehefa mitory any amin’ny toerana izay mety hampidi-doza aorian’ny filatsahan’ny haizina.
AOKA ISIKA HAMPISEHO FIHEVERANA
5 Mba hahitana fahombiazana amin’ny fitoriana amin’ny takariva, dia ilaintsika ny mitadidy an-tsaina hevitra fototra sasany. Ohatra, any amin’ny toerana sasany, noho ny fanahiana mety hananan’ny olona sasany ny amin’ny mpitsidika tsy nampoizina tonga amin’ny takariva, dia ho tiantsika ny haneho fitiavana sy fisakaizana amin’ny fampidiran-dresaka ataontsika ao amin’ny faritanintsika, sady ho mailaka isika hanazava ny anton-diantsika. Raha toa ka afaka mitondra fiahiana amim-pahatsorana ny filaminan’ny tompon-trano isika, dia azo inoana fa tsy ho sahiran-tsaina izy, ka hirona kokoa hilaza ny heviny malalaka.
6 Any amin’ny toerana sasany, dia nandray fepetra ireo tompon-trano mba hiarovana ny tsy fananany ahiahy. Mety hitaky ny fampiasantsika ny “interphone” (fomba fifandraisana amin’ny alalan’ny fanamafisam-peo) izany, na mety hiresaka amintsika ao ambadiky ny varavarana mihidy ilay tompon-trano na haniry hitsirika antsika ao amin’ny loaka amin’ny varavarana. Amin’ny fanajantsika ireny fepetra noraisin’ilay tompon-trano ireny, dia mety hahafinaritra azy kokoa ny hihaino ireo fahamarinana tiantsika ho zaraina aminy.
7 Kongregasiona maro no nampiditra tao anatin’ny fandaharam-potoanany, fitorian’ny antokon’olona amin’ny takariva iray na maromaro ao anatin’ny herinandro. Izany dia nanome fahafahana lehibe kokoa ho an’ireo mpitory manana asa ivelan’ny fivavahana atao manontolo andro, handray anjara amin’ny fanompoana ary hiara-miasa mihitsy aza amin’ny mpitory sasany izay tsy niarahany hatramin’izay noho ny fandaharam-potoana amin’ny asa mifanipaka. Ny fitoriana amin’ny takariva dia nahatonga hety ny fampitomboan’ny mpitory sasany ny fotoana laniny amin’ny asa fitoriana, ka ho setrin’izany, dia nahatonga azy ireny ho za-draharaha kokoa amin’ny fizarana ny vaovao tsara amin’ny hafa. Ho vokatry ny fahatratrarana ny isam-batan’olona izay tsy nihaino ny Vavolombelon’i Jehovah teo aloha, dia fampianarana Baiboly maro no natomboka koa.
8 Azonao atao ve ny mandray anjara amin’ny fitoriana amin’ny takariva, ka hifaly amin’izany fahafahana fanampiny ‘hanao ny asan’ny evanjelista’ izany? (2 Tim. 4:5) Raha afaka mamaly hoe “eny” an’izany fanontaniana izany ny maromaro kokoa amintsika, dia angamba hanatanteraka asa tsara kokoa isika, amin’ny famenoana fahamarinana ny faritanintsika.