FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/12 p. 7
  • Fomba Dimy Ahitana Fampianarana Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Dimy Ahitana Fampianarana Baiboly
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Manontany Anaran’olona Te Hianatra Baiboly ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Manolotra fampianarana Baiboly ve ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Fizarana 7—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 1)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 10/12 p. 7

Fomba Dimy Ahitana Fampianarana Baiboly

1. Inona no tokony hataontsika raha sarotra amintsika ny mahita olona manaiky hianatra Baiboly, ary nahoana?

1 Sarotra aminao ve ny mahita olona manaiky hianatra Baiboly? Aza kivy fa miezaha foana. Tahin’i Jehovah ny olona tsy kivy fa manao ny sitrapony foana. (Gal. 6:9) Misy soso-kevitra dimy ireto afaka manampy anao.

2. Amin’ny toe-javatra inona avy isika no afaka manasa mivantana ny olona hianatra Baiboly?

2 Asao mivantana ilay olona: Maro ny olona mahalala hoe manolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! isika. Mety tsy ho fantany anefa hoe manasa ny olona hianatra Baiboly koa isika. Nahoana àry raha asaina mivantana mba hianatra Baiboly ny olona hitanao, rehefa mitory isan-trano? Azonao anontaniana koa ny olona liana tsidihinao raha te hianatra Baiboly izy. Raha tsy te hianatra izy, dia mbola azonao atao ny manatitra boky sy gazety any aminy, sady miezaka hisarika ny sainy ho amin’ny Baiboly. Nisy rahalahy iray efa mpanatitra gazety tany amin’ny mpivady iray, nandritra ny taona maro. Efa saika hody izy indray mandeha, rehefa avy nanatitra gazety, nefa niverina kely indray ary nanontany azy mivady hoe: “Te hianatra Baiboly ve ianareo?” Gaga izy fa nanaiky izy ireo. Vita batisa izy mivady izao.

3. Nahoana isika no tsy tokony hieritreritra hoe efa misy mampianatra Baiboly ny olona tonga mivory?

3 Anontanio ireo tonga mivory: Aza mieritreritra hoe efa misy mampianatra Baiboly ny olona rehetra tonga mivory. Nilaza ny rahalahy iray fa tany am-pivoriana no nahitany ny antsasany mahery tamin’ny olona nampianariny. Nanontaniany izy ireo raha te hianatra, ka nanaiky. Niresaka tamin’ny vehivavy iray efa mpivory nandritra ny 15 taona koa ny anabavy iray. Manan-janaka vavy maromaro efa vita batisa izy io. Saro-kenatra izy io, ka efa manomboka ny fivoriana vao tonga izy, ary tonga dia lasa raha vao tapitra ny fivoriana. Rehefa niresaka taminy ilay anabavy, dia nanaiky hianatra Baiboly izy, ary nanaiky ny fahamarinana tatỳ aoriana. Hoy ilay anabavy: “Malahelo aho hoe niandry 15 taona vao nanontany azy!”

4. Iza avy no azontsika anontaniana mba hahitantsika mpianatra Baiboly?

4 Manontania olona: Tian’ny anabavy iray ny mandeha mampianatra miaraka amin’ny mpitory hafa. Miera amin’ilay mpitory izy, ary anontaniany ny mpianatr’ilay mpitory avy eo raha mahalala olon-kafa te hianatra Baiboly koa. Rehefa manolotra boky Ampianarina amin’ny olona tsidihinao koa ianao, dia afaka manontany hoe: “Mahalala olon-kafa te hahazo an’ity boky ity ve ianao?” Tsy afaka mampianatra an’ireo olona hitany eny am-pitoriana koa ny mpitory sy ny mpisava lalana sasany indraindray, ka ilazao izy ireo hoe mitady mpianatra Baiboly ianao.

5. Nahoana no tsara ny manontany an’ireo vady tsy Vavolombelona raha te hianatra Baiboly izy ireo?

5 Miresaha amin’ireo vady tsy Vavolombelona: Misy mpitory manana vady tsy Vavolombelona ve eo anivon’ny fiangonanao? Tsy tia miresaka Baiboly amin’ny vadiny indraindray ireo tsy Vavolombelona, kanefa mety hanaiky hianatra raha olon-kafa no miresaka aminy. Tsara anefa raha maka hevitra amin’ny vadiny aloha ianao, mba hahafantaranao hoe ahoana no fomba tsara indrindra hiresahana aminy.

6. Nahoana no tena ilaina ny mivavaka mba hahitana fampianarana Baiboly?

6 Mivavaha: Aza hamaivanina ny herin’ny vavaka. (Jak. 5:16) Mampanantena i Jehovah fa hihaino ny vavaka ataontsika izy, raha mifanaraka amin’ny sitrapony izany. (1 Jaona 5:14) Nivavaka mba hahazo fampianarana Baiboly ny rahalahy iray tena be atao. Nanahy ny vadiny hoe mety tsy ho vitan’ilay rahalahy ny hanampy mpianatra Baiboly, indrindra raha manana olana be dia be ilay mpianatra. Sady nivavaka mba hahitan’ny vadiny mpianatra àry io anabavy io, no niresaka tamin’i Jehovah momba ny fanahiany. Nivaly ny vavak’izy mivady tapa-bolana taorian’izay. Nahita lehilahy iray te hianatra Baiboly ny mpisava lalana iray tao amin’ny fiangonan’izy ireo, ary nomeny an’ilay rahalahy ilay fampianarana. Hoy ilay anabavy: “Raha misy mpitory mieritreritra hoe tsy ho vitany ny hitarika fampianarana Baiboly, dia izao no torohevitra omeko azy: Ataovy voafaritra tsara ny vavaka ataonao, ary aza mitsahatra mivavaka momba ilay izy. Faly be tsy misy hoatr’izany izahay mivady!” Raha miezaka foana ianao, dia mety hahita fampianarana Baiboly, ary ho faly hanampy an’izany olona izany handeha amin’ny “lalana mankany amin’ny fiainana.”—Mat. 7:13, 14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara