FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/92 p. 6
  • Manolotra fampianarana Baiboly ve ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manolotra fampianarana Baiboly ve ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba fampiseho ny Vaovao Tsara — Amin’ny fanolorana fampianarana Baiboly any an
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Andro Manokana Hanasana ny Olona Hianatra Baiboly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Fanombohana Fampianarana Baiboly any An-tokantrano
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Tadiavina — Fampianarana Baiboly Maro Kokoa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 7/92 p. 6

Manolotra fampianarana Baiboly ve ianao?

1 Maro no mahita fahombiazana tsara amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly amin’ny fanolorana mivantana amin’ny olona ny fahafahana hianatra ny Baiboly. Ny lehilahy iray nanda ny handray zavatra vita an-tsoratra imbetsaka dia nanaiky avy hatrany rehefa notolorana fampianarana Baiboly. Hoy ny valinteniny: “Naniry hianatra ny Baiboly foana aho.” Natomboka ny fampianarana Baiboly, ary nandroso haingana ilay fianakaviana manontolo.

2 Ny rehetra dia tokony hihevitra ny hanomboka fampianarana Baiboly. Raha tiantsika handroso ka ho tonga mpianatr’i Kristy ireo olona, dia tsy maintsy ampianarina izy ireo. (Matio 28:19, 20). Mba hampianarana azy ireo, dia ilaina ny hitarihana fampianarana Baiboly aminy. Mazàna dia afaka manomboka fampianarana Baiboly amin’ilay tompon-trano isika amin’ny fanolorana fotsiny ny hampiseho aminy ny fomba ahafahany mianatra bebe kokoa momba ny Baiboly sy ny fampanantenan’Andriamanitra. Ny rahalahy iray dia afaka nanomboka fampianarana dimy tamin’ny alalan’ilay taratasy mivalona hoe Fiainam-piadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao. Koa satria tsy afaka nitarika fampianarana Baiboly be dia be toy izany tsy tapaka izy, dia nomeny mpitory hafa izy ireo.

3 Raha hitantsika fa mora amintsika ny manomboka fampianarana, dia afaka mitondra mpitory hafa hiaraka amintsika isika ary manampy azy ireo hahazo fampianarana koa. Azontsika atao koa ny manome ny fampianarana sasany ho an’ny hafa ao amin’ny kongregasiona. Raha maniry hitarika fampianarana Baiboly ianao, nahoana raha manandrana manolotra fampianarana Baiboly amin’ireo hitanao eo amin’ny fanompoana isan-trano? Indray mandeha, ny mpitory iray dia niverina nitsidika zatovovavy iray izay tsy dia nampiseho fahalianana. Na dia izany aza, ilay mpitory dia nanolotra fampianarana Baiboly taminy, ary dia nanaiky izy. Vita batisa izy izao, ary ny rahavaviny sy ny vadin’ny rahavaviny koa izao dia manatrika ireo fivoriana. — Gal. 6:6.

4 Tsy ireo rehetra anombohantsika fampianarana akory no hanohy hianatra. Tsy ireo rehetra mianatra akory no ho tonga ao amin’ny fahamarinana. Ny sasany aminy anefa dia hanao izany. Arakaraka ny hitomboan’ny fampianarana atombotsika no itomboan’ny fahafahantsika hanampy hafa koa ho tonga mpidera an’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara