“Mihavàna Amin’ny Olona Rehetra”
1. Inona no toro lalan’ny Baiboly tokony hampiharintsika rehefa tezitra ny olona itoriantsika?
1 Tia fihavanana isika vahoakan’i Jehovah, ary vaovao tsara manambara fiadanana no torintsika. (Isaia 52:7) Mety ho tezitra amintsika anefa indraindray ny olona itoriantsika. Inona no hanampy antsika hitandro fihavanana foana raha izany no mitranga?—Rom. 12:18.
2. Nahoana isika no tokony hahay handinika ny antony mahatonga ny olona ho tezitra rehefa itoriana?
2 Mahaiza mandinika: Manohitra ny fahamarinana ny olona sasany ka tezitra rehefa itoriana. Zavatra hafa mihitsy anefa no mety hahatezitra ny olon-kafa fa tsy ny hafatra torintsika. Tamin’ny fotoana tsy mety aminy fotsiny angamba isika no nitory taminy, na mety ho nanana olana izy. Na dia ny vaovao tsara torintsika aza anefa no mampahatezitra azy, dia tokony hotadidintsika fa voafitaka izy ireo. (2 Kor. 4:4) Raha mahay mandinika àry isika, dia ho tony foana ka tsy hieritreritra hoe isika no mahatezitra azy.—Ohab. 19:11.
3. Ahoana no ampisehoantsika fa manaja ny olona itoriantsika isika?
3 Hajao foana ny hafa: Efa mafy orina ny zavatra inoan’ny olona maro. (2 Kor. 10:4) Afaka mifidy ny hihaino na tsy hihaino antsika koa izy ireo. Tsy tokony hanambany ny zavatra inoany mihitsy àry isika, na hanao izay hahatsapany fa tsy mahay Baiboly izy raha oharina amintsika. Raha asainy mandeha isika, dia tokony handeha sady hanaja azy foana.
4. Inona no atao hoe manao teny mahafinaritra?
4 Manaova teny mahafinaritra: Na maniratsira antsika aza ny olona sasany, dia tokony halemy fanahy sy hanaja foana isika rehefa mamaly azy. (Kol. 4:6; 1 Pet. 2:23) Aza manaiky hiady hevitra fa mitadiava marimaritra iraisana. Azontsika fantarina koa angamba ny antony mahatonga azy hanohitra, ary tokony ho tsara fanahy isika rehefa manao izany. Tsara kokoa anefa indraindray raha faranana ny resaka mba tsy ho vao mainka tezitra ilay olona.—Ohab. 9:7; 17:14.
5. Inona no ho vokany raha mitandro fihavanana foana isika?
5 Raha mitandro fihavanana amin’ny olona itoriantsika isika, dia ho tadidiny izany ka horaisiny tsara ny olona mitory aminy amin’ny manaraka. (Rom. 12:20, 21) Mety ho lasa rahalahy ihany izy indray andro any na dia manohitra be aza izy amin’izao. (Gal. 1:13, 14) Raha mahay mifehy tena sy mitandro fihavanana foana isika, na mihaino ny olona na tsia, dia hanome voninahitra an’i Jehovah ary hampiseho fa tsara ny zavatra torintsika.—2 Kor. 6:3.