Hatsarao ny Fanompoanao: Rehefa Tezitra Be Ilay Olona Itoriana
Nahoana izany no tena ilaina? Manaja antsika matetika ny olona itoriantsika. Nilaza anefa i Jesosy fa hankahala antsika ny olona sasany. (Jaona 17:14) Tsy tokony ho gaga àry isika raha misy olona tezitra rehefa mitory isika. Solontenan’i Jehovah anefa isika, ka tiantsika raha mampifaly azy ny fomba amaliantsika an’ilay olona. (Rom. 12:17-21; 1 Pet. 3:15) Mety tsy hitatra be ilay olana raha manao an’izany isika. Hisy vokany amin’ilay olona itoriantsika sy izay mahita antsika koa izany, ka mety handray Vavolombelon’i Jehovah izy ireny amin’ny manaraka.—2 Kor. 6:3.
Andramo izao amin’ity volana ity:
Manaova fanazaran-tena rehefa manao fotoam-pivavahan’ny fianakaviana ianareo.
Raha tezitra be ilay olona saika nitorianao, dia iaraho midinika amin’ilay mpitory namanao hoe inona no tokony ho noteneninao.