Jerijereo Matetika ny Tabilao Misy ny Filazana
Mijery matetitetika ny tabilao misy ny filazana ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana ary ny olon-kafa manana andraikitra, mba hahitana hoe rahoviana izy no manana anjara. Isika rehetra anefa no mila ny fanazavana eo amin’io tabilao io. Fantatrao ve, ohatra, hoe rahoviana no anjaranareo ny manadio Efitrano Fanjakana? Nisy taratasy nalefan’ny mpiandraikitra ny faritra na ny biraon’ny sampana ve? Fantatrao ve ny lohatenin’ny lahateny ho an’ny besinimaro amin’ity herinandro ity, mba hahafahanao manasa ny olona ampianarinao Baiboly? Nisy fanovana natao ve amin’ny fandaharam-pivoriana, na ao amin’ny andia-mpitory misy anao? Tsy anaovana fampandrenesana intsony ireo amin’izao, nefa tsy ho vitan’ny anti-panahy ny hampita an’ireo fanazavana ireo amin’ny mpitory tsirairay. Mila mijerijery matetika ny tabilao misy ny filazana àry isika. “Hatao amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana” ny zava-drehetra, raha manao izany isika.—1 Kor. 14:40.