Valin’ny Fanontanianareo
◼ Inona no tokony hatao eo amin’ny tabilao misy ny filazana ao amin’ny Efitrano Fanjakana?
Mirakitra ny asan’ny fiangonana io tabilao io. Tsy maintsy efa neken’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha ny filazana iray, izay vao azo atao eo.
Ireto avy mazàna ny filazana tokony ho eo: Ny fandaharan’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana sy ny Sekolin’ny Fanompoana ary ireo mpandray anjara amin’izany, lisitr’ireo lahateny ho an’ny besinimaro, mpitari-draharahan’ny Fivoriana ho An’ny Besinimaro sy ny mpamaky amin’ny fianarana Tilikambo, ny lisitry ny mpanatrika ny Fianarana Boky tsirairay sy ny toerana hanaovana azy, ny filazana ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny tsipiriany momba izany, ny fampandrenesana momba ireo fivoriambe, ary ny fandaharam-panadiovana ny Efitrano Fanjakana. Misy taratasy hafa koa asain’ny Fandaminana hatao eo amin’ny tabilao, indraindray. Raha misy taratasy hafa ankoatra an’ireo, dia tokony hiara-midinika ny anti-panahy rehetra raha tokony hatao eo ilay izy, na tsia.
Azo atao ny manao fampandrenesana fohy fa hisy lahatenim-panambadiana ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy tokony hatao eo amin’ny tabilao anefa ny fanasana amin’ny fampakaram-bady. Tsy tokony hatao eo koa ny filazana momba ny fiaraha-mikorana sy ny zavatra hafa izay tsy mifandray amin’ny asan’ny fiangonana.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana, 15 Oktobra 1984, pejy 15.
Tokony hadio sy hilamina ary hahafinaritra foana ny tabilao misy ny filazana. Tokony ho antonona tsara an’ireo taratasy voalaza tetsy aloha koa izy io. Tokony hesorina haingana ny fandaharana sy ny taratasy hafa tsy ilaina intsony. Tokony ho samy hanana ny tabilaony ny fiangonana, raha maromaro izy ireo no mivory ao amin’ny efitrano iray. Raha tsy mampiasa afa-tsy tabilao iray anefa izy ireo, dia tokony hiavaka tsara ny faritra natokana ho an’ny tsirairay. Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha na ny olona notendreny, dia tokony hijery matetitetika raha madio sy mazava ary mbola ilaina ireo filazana.