Mahery ny Tenin’Andriamanitra
1. Inona ny foto-kevitry ny fivoriambe manokana amin’ny 2014?
1 Tsy mitovy amin’ny zava-bitan’ny olombelona mihitsy ny Baiboly. Tena mahery izy io satria mahavita manova antsika, ka lasa mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah ny toe-tsaintsika sy ny zavatra ataontsika. Hoatran’ny ahoana tokoa ny herin’ny Tenin’Andriamanitra? Inona no tokony hataontsika mba tena hisy heriny eo amintsika izy io? Inona no azontsika atao raha tiantsika ny hahay hampiasa azy io mba hanampiana ny hafa? Hodinihina mandritra ny fivoriambe manokana iray andro amin’ny taom-panompoana 2014 ireo. Azo antoka fa hanatanjaka ny finoantsika izany. Avy ao amin’ny Hebreo 4:12 ny foto-kevitr’io fivoriambe io, hoe “Mahery ny Tenin’Andriamanitra.”
2. Inona avy ny fanontaniana hovaliana mandritra ny fandaharana?
2 Mihainoa tsara: Hovaliana any ireto fanontaniana ireto, ka henoy tsara ary raiso an-tsoratra ny valiny:
• Nahoana isika no tokony hatoky ny Tenin’i Jehovah? (Sal. 29:4)
• Inona no tokony hataontsika mba tena hisy heriny eo amintsika ny Tenin’Andriamanitra? (Sal. 34:8)
• Inona no azonao atao mba hisy heriny eo amin’ny olona itorianao ny Tenin’Andriamanitra? (2 Tim. 3:16, 17)
• Inona no tokony hataontsika mba tsy ho voafitak’i Satana sy ny tontolony isika? (1 Jaona 5:19)
• Inona no tokony hataonareo tanora raha te hanatratra tanjona ara-panahy ianareo? (Jer. 17:7)
• Inona no hanampy antsika ho mahery na dia malemy aza isika indraindray? (2 Kor. 12:10)
• Inona no mila ataontsika foana, indrindra raha mbola misy fahazaran-dratsy na toe-tsaina ratsy tsy mety afaka ao amintsika? (Efes. 4:23)
3. Inona koa no azontsika atao, ankoatra ny hoe mihaino tsara, raha tiantsika ny handray soa amin’ilay fivoriambe?
3 Henoy tsara ny valin’ireo fanontaniana lehibe ireo fa tena hahasoa anao. Ho afaka hihamalalaka koa isika amin’io fivoriambe io, ka hiaraka amin’ny rahalahy sy anabavy avy any amin’ny fiangonana hafa, toy ny fanaontsika rehefa fivoriamben’ny faritra sy vondrom-paritra. (Sal. 133:1-3; 2 Kor. 6:11-13) Ataovy àry izay hifampaherezana amin’ny namanao, ary mitadiava koa namana vaovao. Mety hisy mpandahateny mpitsidika amin’io, ohatra hoe mpiandraikitra ny vondrom-paritra na rahalahy avy any amin’ny Betela. Azonao atao koa ny miresaka aminy sy ny vadiny. Be dia be tokoa ny zavatra azontsika hararaotina amin’io fivoriambe io, ka tena tsy andrintsika izay hahatongavan’izy io!