Nahoana Isika no Mandeha avy Hatrany?
Tafaraka amin’ireo rahalahy isika rehefa manao fivoriana alohan’ny fanompoana, ka ara-dalàna raha te hiresadresaka amin’izy ireo. Tokony hamonjy ny faritany avy hatrany anefa isika raha vao vita ilay fivoriana. Maika mantsy ny asa fitoriana. (2 Tim. 4:2) Vao mainka hihena ny fotoana anompoantsika raha mitaraikiraiky isika. Mbola ho afaka hifampahery amin’ireo mpitory namantsika ihany isika rehefa miara-manompo amin’izy ireo. Ho hita koa hoe mazoto manompo an’i Jehovah sy ny Zanany isika raha tsy mitaredretra.—Rom. 12:11.