Fomba Itoriana An-telefaonina
Ny fitoriana isan-trano no tena ataontsika. Fomba mahomby itoriana ny vaovao tsara ao amin’ny faritanin’ny fiangonana koa anefa ny fitoriana an-telefaonina. Tena mandaitra izy io, indrindra raha betsaka ny trano tsy tafiditry ny mpitory.—Lioka 10:5-7; Asa. 5:42; 20:20.
Tsy afaka mandehandeha firy ny rahalahy sy anabavy sasany, ka ao an-trano foana ny androatokom-piainany. Mety hampahery azy ireo àry io endri-panompoana io. Ho afaka hifampahery amin’ireny Kristianina tsy mivadika ireny koa ny mpitory, rehefa miaraka amin’izy ireo manao an’io endri-panompoana io. (Rom. 1:11, 12) Tsy tokony ho be dia be anefa no miaraka, amin’izay samy ho afaka hampiasa tsara ny fotoana ny rehetra.
Inona avy no hilaina rehefa hitory an-telefaonina? Hamarino ireto zavatra ireto rehefa miomana ianao:
Baiboly
Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra
Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Gazety farany sy Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana
Taratasy mivalona sy bokikely isan-karazany
Fandraisana an-tsoratra sy pensilihazo na stylo
Fomba anolorana fampianarana Baiboly rehefa miantso voalohany:
“Manahoana tompoko ô! ... no anarako. Mipetraka eto ... koa aho. Niantso anao aho satria izahay mampianatra Baiboly maimaim-poana, dia mbola malalaka ny fandaharam-potoanako. Afaka miresaka momba an’ireto foto-kevitra ireto, ohatra, isika. [Mamakia lohateny roa na telo avy ao amin’ny bokikely Vaovao Tsara.] Iza amin’ireo no tena mahaliana anao? [Avelao izy hamaly.] Misy bokikely iray izay ato. Vaovao Tsara Natao ho Anao! no lohateniny. Dia lohatenina toko tao ilay novakiko taminao teo. Azoko anaterana iray ianao, raha tianao. Tsy vidina ilay izy.”
“Nahafinaritra ilay resatsika teo. Mety afaka mankany aminao ve aho (na izahay mivady), dia mba miresaka bebe kokoa isika? Dia hovaliantsika ity fanontaniana ity amin’izay: ․․․․․․.”