FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/15 p. 2
  • ‘Aoka ho ao Am-ponao Ireto Teny Ireto’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Aoka ho ao Am-ponao Ireto Teny Ireto’
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanomezana ho An’ny Fianakaviana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao? Fizarana 2
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Ataovy Mahafinaritra Kokoa ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Ampio ny Ankohonanao mba Tsy Hanadino An’i Jehovah
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
km 8/15 p. 2

‘Aoka ho ao Am-ponao Ireto Teny Ireto’

Toy ny mpiandry ondry ny ray aman-dreny. Tsy maintsy mikarakara tsara ny zanany izy ireo, satria mora mivily lalana sy mora voatarika hanao ratsy ny ankizy. (Ohab. 27:23) Ahoana hahavitanareo ray aman-dreny an’izany? Manokàna fotoana hiresahana amin’ny zanakareo isan’andro, mba hahafantarana ny ao am-pony sy ao an-tsainy. (Ohab. 20:5) Mampiasà koa fitaovana tsy mety may, mba hanatanjahana ny finoan’izy ireo. (1 Kor. 3:10-15) Tena ilaina, ohatra, ny manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka. Izany no asehon’ilay video hoe ‘Aoka ho ao Am-ponao Ireto Teny Ireto.’ Azonareo mianakavy jerena izy io ary diniho izao avy eo:

1) Inona no nahatonga ny fianakavian’ny Rahalahy Rambato Laza hanao tsirambina ny zavatra ara-panahy? 2) Nahoana no tsy nahavita nitarika ny vady aman-janany hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ny Rahalahy Rambato Laza tamin’ny voalohany? 3) Inona ny teknika resahin’ny Baiboly mba hitaizana zanaka? (Deot. 6:6, 7) 4) Inona no hahatonga ny fianakaviana hifampiresaka tsara kokoa? 5) Inona no sorona tokony hataon’ny ray aman-dreny ho an’ny zanany? 6) Nahoana no nahasoa ny Rahalahy Rambato sy ny vady aman-janany ny niaraka tamin’ny Rahalahy Razaka Miandry mivady? (Ohab. 27:17) 7) Inona no tsy maintsy ataon’ny raim-pianakaviana mialoha mba hahafinaritra ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviany? 8) Inona no nataon’ny Rahalahy Rambato mba handaminana ny tsy nety tao an-tokantranony? 9) Nahoana no tokony hohajaina foana ny fotoana efa natokana hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana? (Efes. 6:4) 10) Inona avy no azo atao amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana? 11) Tony nefa hentitra ny Rahalahy Rambato rehefa nanampy an’i Mahery. Ahoana no nataony tamin’izany? (Jer. 17:9) 12) Nampisaintsaina an’i Rina ny Rahalahy sy Anabavy Rambato, ka lasa nanapa-kevitra tsy hiaraka tamin’i Heritiana izy. Ahoana no nanampian’izy ireo azy? (Mar. 12:30; 2 Tim. 2:22) 13) Inona no mampiseho fa nanam-pinoana ny Rahalahy sy Anabavy Rambato, rehefa nanatsotra fiainana? (Mat. 6:33) 14) Nahoana io video io no manasongadina hoe tena mila manampy ny vady aman-janany hatanjaka ara-panahy ny raim-pianakaviana? (1 Tim. 5:8) 15) Raha raim-pianakaviana ianao, tapa-kevitra hanao inona ianao izao?

HO AN’NY LOHAM-PIANAKAVIANA: Tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 2011 io tantara an-tsehatra io. Tsapanao ve tamin’izay hoe nisy nila nohatsaraina ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianareo? Ary ahoana ny amin’izao? Raha mbola misy hitanao hoe mila ahitsy, dia mivavaha ka manaova fanovana mba handray soa mandrakizay ny vady aman-janakao.—Efes. 5:15-17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara