FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb17 Martsa p. 6
  • Ampio ny Ankohonanao mba Tsy Hanadino An’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio ny Ankohonanao mba Tsy Hanadino An’i Jehovah
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanomezana ho An’ny Fianakaviana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Ataovy Mahafinaritra Kokoa ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • ‘Aoka ho ao Am-ponao Ireto Teny Ireto’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
  • Miaraha Manompo An’i Jehovah
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
mwb17 Martsa p. 6

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ampio ny Ankohonanao mba Tsy Hanadino An’i Jehovah

Nasaina nampitandrina ny Jiosy i Jeremia hoe hisy loza hanjo azy ireo, satria nanadino an’i Jehovah izy ireo. (Je 13:25) Nahoana ilay firenena no lasa maty ara-panahy toy izany? Satria tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah intsony ny fianakaviana israelita. Azo inoana hoe tsy narahin’ny loham-pianakaviana ilay toromarika ao amin’ny Deoteronomia 6:5-7.

Renim-pianakaviana sy ny zanany manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, fianakaviana mampiasa sarintany ahitana an’ireo toerana ao amin’ny Baiboly mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana

Mila matanjaka ara-panahy koa ny fianakaviana, mba hatanjaka tsara ny fiangonana. Hanampy ny ankohonany tsy hanadino an’i Jehovah ny loham-pianakaviana, raha manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka sy voaomana tsara. (Sl 22:27) Valio ireto fanontaniana ireto rehefa avy mijery an’ilay video hoe “Aoka ho ao Am-ponao Ireto Teny Ireto”: Fanadinadinana Fianakaviana:

  • Inona no nataon’ny fianakaviana sasany mba ho afaka hanao fotoam-pivavahana foana izy ireo, na dia tsy mora aza izany?

  • Inona ny soa azon’ny fianakaviana rehefa atao tsy tapaka sy voaomana tsara ny fotoam-pivavahana?

  • Nahoana no sarotra amiko ny manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, ary inona no eritreretiko hatao mba hamahana an’ilay olana?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara