Fomba Fitory Modely
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra
“Miresaka momba ny Baiboly izahay androany. Manaja azy io ny ankamaroan’ny olona, nefa mihevitra izy ireo fa sarotra ny mahazo ny heviny. Hoatr’izany koa ve ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Tokony hiezaka hahazo ny hevitry ny Baiboly isika raha jerena ity andinin-teny ity. [Vakio ny Romanina 15:4.] Hazavain’ity gazety ity fa natao ho mora azontsika ny Baiboly. Misy soso-kevitra manampy antsika hahatakatra azy io koa ato.”
Mifohaza! Desambra
“Miresaka zavatra hanampiana ny fianakaviana izahay. Samy te hanana tokantrano milamina isika. Inona no hitanao hoe mora kokoa amin’ny mpianakavy: Miezaka tsy hifamaly mihitsy, sa rehefa mifamaly dia mitady vahaolana handaminana an’ilay izy? [Avelao izy hamaly.] Jereo ange ity ohabolana ao amin’ny Baiboly ity e! [Vakio ny Ohabolana 26:20.] Misy torohevitra tsara avy ao amin’ny Baiboly ato amin’ity gazety ity, natao hanampiana ny fianakaviana mba hifankatia kokoa.”