FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Hatsarao Ny Fanompoanao: Mamoròna Fomba Fitory Rehefa Hametraka Gazety
NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Marina fa ahitana hevitra tsara ireo fomba fitory ato amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fivoriana. Modely fotsiny anefa ireo. Ataovy amin’ny fomba fiteninao ilay izy, fa aza atao tsianjery. Mety hahita hevitra hafa koa anefa ianao, mba hiresahana an’ilay foto-kevitra. Na koa foto-kevitra hafa mihitsy no hitanao hoe mahaliana ny olona. Vakio tsara àry aloha ilay gazety. Jereo avy eo ireo fomba fitory modely sy ny video miaraka aminy, dia araho ireto soso-kevitra ireto ka mamoròna fomba fitory anao manokana.
AHOANA NO HANAOVANA AZY?
Ilay fomba fitory modely ve no tianao hampiasaina?
ENY
Eritrereto izay hoteneninao voalohany. Arahabao aloha ilay olona, ary lazao ny anton-dianao. (Ohatra: “Izaho androany mba...”)
Eritrereto avy eo hoe inona no holazainao rehefa hampiditra andinin-teny, sy rehefa hanolotra an’ilay gazety. (Alohan’ny hamakiana andinin-teny, ohatra, dia afaka miteny ianao hoe: “Mamaly an’izany ity andininy ity.”)
TSIA
Fidio izay foto-kevitra tianao ao amin’ilay gazety ka hitanao hoe hahaliana ny olona
Mitadiava fanontaniana mahaliana iray mba hahatonga an’ilay olona hilaza ny heviny. Aza atao sarotra be anefa ilay izy sao dia tsy voavaliny. (Ohatra: Fanontaniana eo amin’ny pejy faha-2 amin’ireo gazety.)
Mifidiana andinin-teny iray hovakina. (Tsy voatery hamaky andinin-teny ianao, rehefa manolotra Mifohaza! Natao ho an’ny olona tsy dia mahay Baiboly na tsy tena tia fivavahana mantsy ny Mifohaza!)
Mamoròna fehezanteny iray na roa, mba handresena lahatra an’ilay olona hoe tena tsara ny mamaky an’ilay lahatsoratra
NA HAMPIASA ILAY FITORY MODELY IANAO NA TSIA, DIA:
Manomàna fanontaniana hovaliana rehefa hitsidika an’izay olona liana
Soraty ny hevi-dehibe mba tsy ho hadinonao izay tokony holazaina