HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 106-109
“Misaora An’i Jehovah”
Nahoana ny Israelita no vetivety dia nanadino ny namonjen’i Jehovah azy?
Izay hampiadana azy haingana sy izay nanahirana azy ihany no nifantohany, fa tsy niraharaha an’i Jehovah intsony izy ireo
Inona no tokony hataonao raha te hahay hankasitraka foana ianao?
Eritrereto foana hoe be dia be ny antony tokony hisaorantsika an’i Jehovah
Saintsaino ny fiainana tsara amin’ny hoavy
Eritrereto ny zavatra nataon’i Jehovah ho anao ka isaory izy