FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb16 Novambra p. 3
  • Miresaka Momba ny Vady Tsara ny Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miresaka Momba ny Vady Tsara ny Baiboly
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Mitovitovy Aminy
  • Torohevitra Feno Fahendrena Nomen’ny Reny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • “Be Mpahafantatra eny Am-bavahady ny Vadiny”
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Haran-dranomasina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Vehivavy manambady iray tiana amim-piraiketam-po
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
mwb16 Novambra p. 3

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 27-31

Miresaka Momba ny Vady Tsara ny Baiboly

Resahin’ny Ohabolana toko 31 fa nahazo hafatra mafonja avy tamin’ny reniny i Lemoela Mpanjaka. Nampianatra azy hahalala ny toetra tokony hananan’izay ho vadiny ny torohevitra feno fahendrena azony.

Mendri-pitokisana ny vady tsara

Vehivavy fahiny manolotra sakafo ho an’​ny fianakaviany

31:10-12

  • Manome soso-kevitra mahasoa ilay vehivavy rehefa misy fanapahan-kevitra raisina ao an-tokantrano. Manaiky ny vadiny foana anefa izy

  • Atokisan-dralehilahy izy hoe handray fanapahan-kevitra tsara. Tsy tereny hiera aminy koa izy isaky ny hanao zavatra

Mazoto miasa ny vady tsara

Vehivavy fahiny mitoto voa madinika

31:13-27

  • Mahay mianina sy mahay mitantam-bola ilay vehivavy. Miakanjo tsara àry ny ankohonany sady ampy sakafo

  • Miasa mafy izy ary mikarakara ny ankohonany andro aman’alina

Olona araka ny fanahy ny vady tsara

Vehivavy mivavaka

31:30

  • Matahotra an’Andriamanitra izy ary miezaka hifandray akaiky aminy

FANTATRAO VE?

Sarobidy be fahiny ny vato harana mena. Tsara tarehy mantsy izy io sady tsy fahita firy. Sarotra koa ny naka azy. Tany amin’ny Ranomasina Mediterane sy ny Ranomasina Mena no nisy azy io. Entam-barotra tena lafo vidy izy io.

Vato harana mena

Ampitovin’ny Baiboly amin’ny volamena sy volafotsy ary safira ny haran-dranomasina.

Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa “sarobidy lavitra noho ny haran-dranomasina” ny vady tsara.—Oh 31:10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara