FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb17 Janoary p. 8
  • Aza Hadinoina ny Mivavaka ho An’​ireo Kristianina Enjehina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Hadinoina ny Mivavaka ho An’​ireo Kristianina Enjehina
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Mitovitovy Aminy
  • Vaovao Azo Antoka sy Manatanjaka Finoana
    Fomba Ampiasana ny Fanomezanao
  • Mifalia Rehefa Enjehina
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
  • Sambatra na dia Enjehina Aza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Enjehina, nefa sambatra!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
mwb17 Janoary p. 8

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Aza Hadinoina ny Mivavaka ho An’ireo Kristianina Enjehina

Efa nilaza ny Baiboly fa hanenjika antsika i Satana, satria te hanakantsakana ny fanompoantsika izy. (Jn 15:20; Ap 12:17) Ahoana àry no azontsika anampiana an’ireo Kristianina enjehina any an-tany hafa? Mivavaha ho azy ireo. “Misy heriny lehibe sady tena misy vokany ny fitalahoan’ny olo-marina.”—Jk 5:16.

Rahalahy iray mifatotra rojo vy ary entina hogadraina; rahalahy sy anabavy vitsivitsy; rahalahy mivavaka

Inona no azontsika angatahina amin’i Jehovah ho an’ireny rahalahy sy anabavintsika ireny? Ny hanampiany azy ireny hanana herim-po sy tsy hatahotra. (Is 41:10-13) Mivavaha koa ho an’ny manam-pahefana mba tsy handraran’izy ireo ny asa fitoriana, ka “hananantsika fiainana tony sy milamina hatrany.”—1Ti 2:1, 2.

Nivavaka ho an’i Paoly sy Petera ny Kristianina voalohany, rehefa nenjehina izy roa lahy. Notononiny mihitsy ny anaran’izy ireo. (As 12:5; Ro 15:30, 31) Tsy haintsika daholo anefa ny anaran’ireo enjehina ankehitriny. Afaka manonona ny anaran’ny fiangonana, tany, na faritra misy azy ireny anefa isika rehefa mivavaka.

  • Misy vaovao farany momba ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny jw.org/mg. (Jereo ao amin’ilay hoe VAOVAO > VAOVAO ARA-PITSARANA.)

  • Misy ny isan’ireo migadra any amin’ny tany samihafa ilay lahatsoratra hoe “Vavolombelon’i Jehovah Gadraina Noho ny Finoany (Isaky ny Tany)”, ao amin’ny jw.org/mg. (Jereo ao amin’ilay hoe VAOVAO > VAOVAO ARA-PITSARANA. Mifidiana firenena iray ao amin’ilay hoe ISAM-PARITRA ary tsindrio ilay izy mba hahitanao fanazavana fanampiny. Misy PDF ahitana ny anaran’ireo migadra ao amin’io firenena io koa ao.)

Te hivavaka ho an’ny Kristianina enjehina any amin’ireto tany ireto aho:

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara