Manasa olona hivory any amin’ny Nosy Cook
Fomba Fitory Modely
NY TILIKAMBO FIAMBENANA
Fanontaniana: Tena misy ve ny anjely?
Andinin-teny: Sl 103:20
Atolory ilay izy: Resahin’ity gazety ity izay lazain’ny Baiboly momba ny anjely, sy ny fomba anampiany antsika.
AMPIANARO NY TENA MARINA
Fanontaniana: Araka ny hevitrao, diso ve ny Baiboly rehefa jerena ny siansa?
Andinin-teny: Is 40:22
Ny Tena Marina: Mifanaraka amin’ny siansa ny zavatra resahin’ny Baiboly.
FANASANA HANATRIKA FIVORIANA (inv)
Atolory ilay izy: Asainay ianao hihaino lahateny ara-baiboly, izay hatao any amin’ny toeram-pivavahanay na Efitrano Fanjakana. Tsy misy vidim-pidirana izy io. [Omeo fanasana izy, atoroy azy ny toerana sy ny ora anaovana ny fivoriana amin’ny faran’ny herinandro, ary resaho ny lohatenin’ilay lahateny.]
Fanontaniana: Efa tany amin’ny Efitrano Fanjakana ve ianao? [Raha mety, dia asehoy ilay video hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana?]
MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO
Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.