NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Te Hazoto Hianatra ny Soratra Masina ve Ianao?
Tianao ve ny tsy hivadika hoatran’i Daniela rehefa iharam-pitsapana? Nazoto nianatra ny Tenin’Andriamanitra izy, anisan’izany ireo faminaniana saro-takarina. (Da 9:2) Afaka ny tsy hivadika koa ianao, raha mazoto mianatra Baiboly. Nahoana? Satria vao mainka ianao hino hoe hotanterahin’i Jehovah izay nampanantenainy. (Js 23:14) Hanjary ho tia azy kokoa ianao, ka te hanao ny tsara. (Sl 97:10) Ahoana anefa no hatao? Ireto misy soso-kevitra:
Inona no ianarana? Tsara, ohatra, ny mizatra manomana fivoriana. Handray soa kokoa amin’ny famakiana Baiboly isan-kerinandro ianao raha mikaroka an’izay hevitra tsy azonao. Misy koa tia mianatra bebe kokoa momba an’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, ny vokatry ny fanahy, ny dia misionera nataon’i Paoly, na ny zavaboarin’i Jehovah. Raha misy fanontaniana ara-baiboly tonga ao an-tsainao mandritra ny andro, dia soraty ilay izy. Karohy ny valiny rehefa mianatra amin’ny manaraka ianao.
Aiza no ahitana fanazavana? Jereo ilay video hoe Fitaovana Fikarohana Harena Ara-panahy. Misy soso-kevitra vitsivitsy ao. Andramo karohina, ohatra, hoe iza avy ireo firenena matanjaka mifanitsy amin’ireo bibidia resahin’ny Daniela toko faha-7.
Ary ahoana ny fotoana? Tena ilaina ny mianatra tsy tapaka raha te hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Azo atao fohifohy aloha ilay fianarana, dia avy eo ampitomboina tsikelikely. Hoatran’ny mikaroka harena miafina ianao rehefa mianatra Baiboly. Vao mainka ianao te hikaroka, arakaraka ny ahitanao zava-tsarobidy! (Oh 2:3-6) Hazoto kokoa hianatra ny Tenin’Andriamanitra ianao, ary ho zatra mianatra azy io.—1Pe 2:2.
MIFANITSY AMIN’IZA IREO BIBIDIA RESAHIN’NY DANIELA TOKO 7?
FANONTANIANA FANAMPINY:
Ahoana no nahatanterahan’ny Daniela 7:8, 24?
HIANARAKO AMIN’NY MANARAKA:
Mifanitsy amin’iza ireo bibidia resahin’ny Apokalypsy toko 13?