FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb17 Oktobra p. 7
  • Miderà An’i Jehovah Raha Mbola Velon’aina!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miderà An’i Jehovah Raha Mbola Velon’aina!
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Mitovitovy Aminy
  • Mandraisa Lesona avy Amin’ilay Fanoharana Momba ny Talenta
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mifalia Amin’izay Efa Ataonao ho An’i Jehovah Amin’izao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Ny fanoharana ny amin’ny talenta
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Inona no Manosika Anao Hanompo An’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
mwb17 Oktobra p. 7

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Miderà An’i Jehovah Raha Mbola Velon’aina!

Fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah ny aina. Ny zavatra ataontsika isan’andro no ahitana raha mankasitraka azy io isika na tsia. Vavolombelon’i Jehovah isika, ka miezaka mampiasa ny talentantsika sy ny fahaizantsika mba hanomezam-boninahitra an’ilay Mpanome aina. (Sl 36:9; Ap 4:11) Maro anefa ny zavatra mampanahy eto amin’ity tontolo ratsy ity, ka mety ho mora lasa tsirambina ny zavatra ara-panahy. (Mr 4:18, 19) Saintsaino àry hoe: ‘Tena manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah ve aho? (Ho 14:2) Misy vokany amin’ny fanompoako ve ny asako? Inona avy ny tanjona ara-panahy tiako hotratrarina? Ahoana no azoko ampitomboana ny fanompoako?’ Mivavaha raha hitanao hoe mbola misy azo hatsaraina, ary manaova fanitsiana. Ho faly sy ho afa-po ianao raha midera an’i Jehovah isan’andro.—Sl 61:8.

Edgardo Franco miaka-tsehatra; Edgardo Franco mitory

Omenao an’iza ny talentanao?

JEREO ILAY VIDEO HOE AMPIASAO HO AN’I JEHOVAH NY TALENTANAO, ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana ianao no tsy tokony hampiasa ny talentanao ho an’ny tontolon’i Satana? (1Jn 2:17)

  • Inona no fitahiana ho azon’izay manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah?

  • Inona no karazam-panompoana mety ho azonao ampiasana ny talentanao sy ny fahaizanao?

AZO ATAO FOTOAM-PIVAVAHAN’NY FIANAKAVIANA:

  • Manadinadìna mpitory iray efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro, ohatra hoe mpanompo manontolo andro. Inona no sorona nataony mba hahafahany manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah? Inona no fitahiana nomen’i Jehovah azy?

  • Midira ao amin’ny Tele JW, ary jereo ilay hoe FANADINADINANA SY FITANTARANA. Ho hitanao ao ny tantaran’ireo rahalahy sy anabavy efa nanompo manontolo andro nandritra ny taona maro. Faly izy ireo satria nanao karazam-panompoana samihafa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara