NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Lesona avy Amin’ny Bokin’i Jona
Nampanoratin’i Jehovah ao amin’ny Teniny ny tantaran’ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana, mba hakantsika lesona. (Ro 15:4) Inona no ianaranao avy amin’ny bokin’i Jona? Jereo ilay video hoe Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana: Mandraisa Lesona avy Amin’ny Famindram-pon’i Jehovah Hoatran’i Jona, ary valio ireto:
Inona avy ny olana natrehin’ireo mpitory telo tao amin’ilay video?
Nahoana no mampahery antsika ny bokin’i Jona, raha nahazo fananarana isika na namoy tombontsoam-panompoana? (1Sa 16:7; Jo 3:1, 2)
Nahoana ny tantaran’i Jona no manampy antsika hitadidy fa mbola afaka miova ny olona ao amin’ny faritanintsika? (Jo 4:11; Mt 5:7)
Nahoana no mampahery antsika ny tantaran’i Jona raha manana aretina mitaiza isika? (Jo 2:1, 2, 7, 9)
Tsapanao ve hoe tena ilaina ny mamaky sy misaintsaina ny Baiboly, rehefa avy nijery an’iny video iny ianao? Hazavao.