NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Ry Ray Aman-dreny, Ampio ny Zanakareo mba Handroso sy ho Matotra
Tian’ny ray aman-dreny raha mba lasa mpanompon’i Jehovah tsy mivadika ny zanany. Inona àry no azony atao? Mila resahiny matetika amin’ny zanany ny fampianaran’ny Baiboly, dieny mbola kely izy ireo. (De 6:7; Oh 22:6) Mitaky ezaka be izany, nefa tena andraisan-tsoa.—3Jn 4.
Modely ho an’ny ray aman-dreny i Josefa sy Maria. Tian’izy ireo hifandray tsara tamin’i Jehovah ny ankohonany, ka ‘nankany Jerosalema’ foana izy ireo isan-taona, rehefa “fetin’ny Paska.” (Lk 2:41) Tsy mora anefa ny nanao an’io dia io sady nandany vola. Tokony hanome ohatra tsara ho an’ny zanany koa ny ray aman-dreny, sady hampianatra azy ireo isaky ny misy hirika hanaovana an’izany. Hanampy azy ireo handroso sy ho matotra ara-panahy izany. —Sl 127:3-5.
JEREO ILAY VIDEO HOE AZA LAVINA MIHITSY IZAY TOMBONTSOAM-PANOMPOANA TONGA EO!, ARY VALIO IRETO:
Inona no porofo fa tsy nataon’i Jon sy Sharon ambanin-javatra mihitsy ny fanompoana an’i Jehovah, tamin’izy ireo nitaiza ny zanany?
Nahoana no tsy tokony hitovy ny fomba ampianarana na anitsiana ny ankizy?
Inona no azon’ny ray aman-dreny atao, mba tsy hivadika mihitsy ny zanany na misy fitsapana aza?
Inona amin’ireo fitaovana navoakan’ny fandaminana no efa nampiasainao, mba hanampiana ny zanakao ho lasa naman’i Jehovah?
Ampio hanao loha laharana ny fanompoana ny fianakavianao