FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb18 Jona p. 7
  • Mitandrema Rehefa Mampiasa Tranonkala Fifaneraserana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitandrema Rehefa Mampiasa Tranonkala Fifaneraserana
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no Namanao ao Amin’ny Internet?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
  • Tranonkala Fifaneraserana—Inona no Itiavan’ny Olona Azy?
    Mifohaza!—2012
  • Tranonkala Fifaneraserana—Zavatra Efatra Tokony ho Fantatrao
    Mifohaza!—2012
  • Misy Vokany eo Amiko ve ny Fampiasana Tambazotran-tserasera?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
mwb18 Jona p. 7

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Mitandrema Rehefa Mampiasa Tranonkala Fifaneraserana

Tsy mety mamadika ny vato ho mofo i Jesosy

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Mety hahasoa ny tranonkala fifaneraserana, nefa mety hampidi-doza koa. Aleon’ny Kristianina sasany tsy mampiasa azy io mihitsy. Misy indray mampiasa azy io ihany mba hifandraisana amin’ny fianakaviana sy ny namana. Tian’ny Devoly anefa raha simba ny lazantsika sy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah rehefa mampiasa tranonkala fifaneraserana isika. Ahoana àry no hahalalana ny fandriky ny Devoly? Ahoana no hanalavirana azy ireny? Tahafo i Jesosy ka ampiasao ny toro lalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.—Lk 4:4, 8, 12.

FANDRIKA MILA HALAVIRINA:

  • Mandany fotoana amin’ny tranonkala fifaneraserana. Tsy hanam-potoana hanaovana zavatra ara-panahy isika raha mandany fotoana mampiasa azy io

    Toro lalan’ny Baiboly: Ef 5:15, 16; Fi 1:10

  • Mijery zavatra mampiahiahy. Mety ho lasa tia mijery sary vetaveta na hijangajanga ny olona mijery sary manaitaitra ny filan’ny nofo. Mety hiala amin’i Jehovah koa ny olona iray raha mamaky zavatra nosoratan’ny mpivadi-pinoana

    Toro lalan’ny Baiboly: Mt 5:28; Fi 4:8

  • Mametraka sary tsy mendrika na manoratra teniteny foana. Mamitaka ny fo, ka mety tsy hampaninona antsika ny hanao an’ireo. Mety hanimba ny lazantsika anefa izany, na hanafintohina ny hafa

    Toro lalan’ny Baiboly: Ro 14:13; Ef 4:29

JEREO ILAY VIDEO HOE MBÀ FETSIFETSY AMIN’NY INTERNET!, ARY IARAHO MIDINIKA HOE INONA NO AZO ATAO MBA TSY HO TRATRAN’IRETO:

Mpangalatra handeha hamaky trano, satria hitany amin’ny tranonkala fifaneraserana hoe lasa nanao vakansy ny olona mipetraka ao
Olona mitady asa nefa hitan’ilay mpampiasa ao amin’ny tranonkala fifaneraserana ny sariny misotro toaka
Vehivavy iray andefasan’olona teny ratsy ao amin’ny tranonkala fifaneraserana
Ankizilahy iray tsy tafafoha maraina satria niari-tory nampiasa tranonkala fifaneraserana
    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara