FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb22 Martsa p. 9
  • Iza no Namanao ao Amin’ny Internet?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Namanao ao Amin’ny Internet?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsara ve ny Mitady Namana ao Amin’ny Internet?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Mitandrema Rehefa Mampiasa Tranonkala Fifaneraserana
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Tranonkala Fifaneraserana?—Fizarana 2
    Mifohaza!—2011
  • Mijery Internet ve ny Zanakao?—Inona no Tokony ho Fantatrao?
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
mwb22 Martsa p. 9

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Iza no Namanao ao Amin’ny Internet?

Olona mifandray am-po sady mifanaja no atao hoe mpinamana. Lasa mpinamana tsy nifankafoy, ohatra, i Jonatana sy Davida rehefa avy namono an’i Goliata i Davida. (1Sa 18:1) Samy nanana toetra nahatonga ny andaniny ho tia ny ankilany izy ireo. Mifankahafantatra tsara àry ny tena mpinamana. Matetika no mitaky fotoana sy ezaka izany. Manindry bokotra indray mandeha fotsiny anefa ny olona mampiasa tambazotran-tserasera dia efa mahazo “namana.” Mora amin’ny olona ny manafina ny tena maha izy azy ao amin’ny Internet, satria azony omanina mialoha izay holazainy sady azony amboamboarina ny mety ho fahitan’ny olona azy. Aleo àry mitandrina tsara rehefa mifidy namana ao amin’ny Internet. Aza misalasala mihitsy mandà na tsy mamaly rehefa misy olona tsy fantatrao tsara mangataka ny ho namanao. Aza manaiky satria fotsiny hoe sao dia malahelo izy. Tsy mampiasa tambazotran-tserasera mihitsy ny olona sasany rehefa mieritreritra ny loza mety haterak’izany. Raha mifidy ny hampiasa anefa ianao, inona no tokony hotadidinao?

JEREO ILAY VIDEO HOE MBÀ FETSIFETSY AMIN’NY INTERNET! VALIO IRETO AVY EO:

  • Sary avy amin’ilay video hoe “Mbà Fetsifetsy Amin’ny Internet!” Ankizivavy gaga mahita ny sariny amin’ny tele.

    Inona no tokony hoeritreretinao alohan’ny hilazana zavatra sy hametrahana sary ao amin’ny tambazotran-tserasera?

  • Sary avy amin’ilay video hoe “Mbà Fetsifetsy Amin’ny Internet!” Misy sarin’ankizivavy tsara tarehy eo amin’ny lela-mizàna iray ary vola madinika be dia be no eo amin’ny ilany. Ilay sary no mavesatra kokoa noho ilay vola.

    Nahoana ianao no tokony hitandrina tsara rehefa mifidy namana ao amin’ny Internet?

  • Sary avy amin’ilay video hoe “Mbà Fetsifetsy Amin’ny Internet!” Lehilahy roa misavoritaka mampiseho zavatra avy ao amin’ny tambazotran-tserasera amin’ny ankizilahy iray. Takonan’ilay ankizilahy ny masony.

    Nahoana no tokony hoferanao ny fotoana hampiasanao tambazotran-tserasera?​—Ef 5:15, 16

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara