FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb19 Desambra p. 8
  • “Nitelina ny Renirano” ny Tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Nitelina ny Renirano” ny Tany
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Mitovitovy Aminy
  • Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2010
  • Raharaha Ara-pitsarana
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
  • Niakatra Fitsarana ny Vahoakan’ilay Fanjakana
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Aza Hadinoina ny Mivavaka ho An’​ireo Kristianina Enjehina
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
mwb19 Desambra p. 8
Taratasy maromaro avy amin’ny Firenena Mikambana momba an’ireo Vavolombelon’i Jehovah migadra any Korea, rahalahy koreanina manao akanjo fanaovan’ny voafonja

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Nitelina ny Renirano” ny Tany

Betsaka ny manam-pahefana efa nanampy ny vahoakan’i Jehovah. (Ezr 6:1-12; Es 8:10-13) Hitantsika izany na amin’izao aza. Antsoina hoe “tany” ny manam-pahefana malala-tsaina, ao amin’ny Apokalypsy 12:16. Toy ny hoe mitelina ny “renirano”, na ny fanenjehana ataon’i Satana, izy ireo satria manampy ny vahoakan’i Jehovah. “Andriamanitra mpamonjy” i Jehovah, ka mampiasa ny mpitondra izy indraindray mba hanampy ny vahoakany.—Sl 68:20; Oh 21:1.

Ahoana anefa raha migadra noho ny finoanao ianao? Tadidio foana hoe tena miahy anao i Jehovah. (Ge 39:21-23; Sl 105:17-20) Matokia fa hamaly soa anao izy noho ianao manam-pinoana. Tena mampahery an’ireo rahalahy maneran-tany koa ny tsy fivadihanao.—Fi 1:12-14; Ap 2:10.

ALEFASO ILAY VIDEO HOE NAFAHANA AVY TANY AM-PONJA NY RAHALAHY KOREANINA, ARY VALIO IRETO:

  • Rahalahy an’arivony no nigadra tany Korea Atsimo, nandritra ny taona maro. Nahoana?

  • Inona ny fanapahan-kevitra noraisin’ny manam-pahefana, ka nahatonga an’ireo rahalahintsika hahazo famotsoran-keloka?

  • Inona no azontsika atao mba hanampiana an’ireo rahalahintsika migadra noho ny finoany?

  • Ahoana no tokony hampiasantsika ny fahafahana ananantsika?

  • Iza no tena mahatonga antsika handresy eny amin’ny fitsarana?

Fonja iray nitazonana Vavolombelon’i Jehovah, taratasy nalefan’ny mpiara-manompo tany amin’ny sampan’i Korea ary nalefa tany amin’ireo rahalahy nigadra, rahalahy iray nafahana ary mamihina ny dadany

Ahoana no ampiasako ny fahafahana ananako?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara