FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb20 Janoary p. 8
  • Ahoana no Azo Ampiasana ny Taratasy Mivalona mba Hanombohan-dresaka?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Azo Ampiasana ny Taratasy Mivalona mba Hanombohan-dresaka?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Taratasy Mivalona amin’ny Endriny Vaovao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Fampiasana Taratasy Mivalona mba Hahitana Vokatra Mahasoa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Ahoana no Ampiasana An’ireo Hevitra Azo Resahina?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Ampiasao Hitoriana ny Vaovao Tsara ny Taratasy Mivalona
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
mwb20 Janoary p. 8
Anabavy iray mitory tsy ara-potoana amin’ny vehivavy iray eo amin’ny toerana fiandrasana bisy. Ilay taratasy mivalona hoe ‘Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?’ no ampiasainy.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ahoana no Azo Ampiasana ny Taratasy Mivalona mba Hanombohan-dresaka?

Nanomboka tamin’ny Janoary 2018, dia lasa nisy an’ilay hoe “Hevitra Azo Resahina” eo amin’ny pejy voalohany amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fivoriana. Ny hiresaka amin’ny olona no asaina ifantohantsika amin’izao, fa tsy ny hanolotra boky na gazety fotsiny. Manampy antsika hanao an’izany ny video fitoriana, satria Baiboly fotsiny no ampiasain’ny mpitory ao amin’izy ireny. Midika ve izany hoe tsy tokony hametraka na inona na inona mihitsy isika rehefa mitory isan-trano? Tsy izany mihitsy! Azo ampiasaina tsara, ohatra, ny taratasy mivalona mba hanombohan-dresaka. Ity misy modely azo arahina:

  1. Apetraho ilay fanontaniana eo amin’ny fonony ary asaivo misafidy amin’ireo valiny ilay olona.

  2. Asehoy azy ny valiny omen’ny Baiboly eo amin’ny pejy 2, eo ambony. Raha ampy ny fotoana dia vakio sy iaraho midinika ny fanazavana sasany eo amin’ny pejy 2 sy 3.

  3. Omeo an’ilay olona ilay taratasy mivalona, ary ampirisiho izy hamaky ny fanazavana hafa ao amin’ilay izy rehefa manam-potoana.

  4. Amin’ny farany, dia asehoy azy ilay “Fanontaniana Hosaintsainina”, ary anontanio izy hoe rahoviana ianareo no afaka mandinika ny valiny omen’ny Baiboly.

Ilay taratasy mivalona hoe ‘Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy?’ Misy isa iray ka hatramin’ny efatra manondro ny dingana tokony harahina rehefa mametraka azy io.

Rehefa miverina mitsidika ianao, dia iaraho midinika ny valin’ilay fanontaniana. Mametraha indray fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka. Afaka mifidy fanontaniana avy ao amin’ny jw.org ianao, na avy ao amin’ilay bokikely aseho eo amin’ny pejy farany amin’ilay taratasy mivalona. Manolora bokikely Vaovao Tsara na boky hafa anisan’ny Fitaovana Fampianarana, rehefa hitanao hoe mety izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara