FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb20 Aogositra p. 5
  • Midera An’i Jehovah Ianao Raha Manao Mpisava Lalana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Midera An’i Jehovah Ianao Raha Manao Mpisava Lalana
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Tadiavina — Mpisava Lalana Mpanampy 600
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Ampitomboy ny Fanompoanao mba Hiderana An’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Tanjona Mendrika Hotratrarina Amin’ny Taom-panompoana Vaovao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Afaka ny ho mpitory maharitra mpanampy ve ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
mwb20 Aogositra p. 5
Rahalahy iray mamaky andinin-teny amin’ny lehilahy iray eo amin’ny torapasika.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Midera An’i Jehovah Ianao Raha Manao Mpisava Lalana

Nidera an’i Jehovah ny Israelita, satria nanao zavatra niavaka ho azy ireo izy. Nanafaka azy ireo avy tany Ejipta izy, ary namonjy azy ireo tamin’ny tafik’i Farao. (Ek 15:1, 2) Mbola manao soa ho an’ny vahoakany foana i Jehovah. Ahoana àry no azonao ampisehoana hoe mankasitraka azy ianao?—Sl 116:12.

Afaka manao mpisava lalana mpanampy na maharitra ianao. Mivavaha mba hanana faniriana sy hery hanaovana mpisava lalana. (Fi 2:13) Mpitory maro no manandrana manao mpisava lalana mpanampy aloha. Afaka mifidy ny hameno 30 na 50 ora ianao, mandritra ny volana Martsa sy Aprily ary mandritra ny volana itsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra. Rehefa manandrana manao mpisava lalana mpanampy ianao ka hitanao hoe tena mahafaly ilay izy, dia mety ho tianao ny ho lasa mpisava lalana maharitra. Misy olona miasa tontolo andro na tsy dia salama, nefa mbola afaka manao mpisava lalana maharitra. (mwb16.07 8) Na inona na inona ezaka ataontsika mba hiderana an’i Jehovah, dia mendrika ny hanaovana an’izany izy.—1Ta 16:25.

JEREO ILAY VIDEO HOE IZY TELO MIRAHAVAVY ANY MONGOLIA, ARY VALIO IRETO:

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Izy Telo Mirahavavy any Mongolia.’ Handray bisy i Undraa, iray amin’izy telo mirahavavy.

    Inona ny olana tsy maintsy noresen’izy telo mirahavavy, mba hahafahan’izy ireo manao mpisava lalana?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Izy Telo Mirahavavy any Mongolia.’ Miasa ao amin’ny efitrano fisakafoana ao amin’ny Betela i Oyun, iray amin’izy telo mirahavavy.

    Inona no fitahiana azon’izy ireo?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Izy Telo Mirahavavy any Mongolia.’ Mitory amin’ny lehilahy iray i Dorjkhand, iray amin’izy telo mirahavavy.

    Inona ny karazana fanompoana lasa azon’izy ireo natao, rehefa nanao mpisava lalana maharitra izy ireo?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Izy Telo Mirahavavy any Mongolia.’ Izy telo mirahavavy miaraka amin’ny mamany.

    Tena ohatra tsara izy ireo. Inona no vokatr’izany tamin’ny hafa?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara