FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb21 Septambra p. 3-16
  • Ampiasao Ilay Boky sy Bokikely hoe “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampiasao Ilay Boky sy Bokikely hoe “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!”
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampianarana Baiboly Amin’ny Boky “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!”
    Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Ahoana no Hanampiana ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 1)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Fomba Fampiasa An’ilay Bokikely hoe Vaovao Tsara Natao ho Anao!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
mwb21 Septambra p. 3-16
Mpivady mampiasa bokikely “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!” mba hitoriana amin’​ny lehilahy iray miandry bisy.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ampiasao Ilay Boky sy Bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!

Faly be isika nahazo boky sy bokikely vaovao hitarihana fampianarana Baiboly. Mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah ny ezaka ataontsika rehefa manao mpianatra. (Mt 28:18-20; 1Ko 3:6-9) Ahoana no fampiasana an’ireo fitaovana vaovao ireo?

Vaovao ny fomba fampianatra amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Araho àry ireto toromarika ireto rehefa manomana sy mitarika fampianarana amin’ilay boky ianao.a

  • Vakio ilay lesona ary iaraho midinika ny fanontaniana

  • Vakio ny andinin-teny misy hoe “vakio” ary ampio ilay mpianatra hahita ny fampiharana azy

  • Alefaso ireo video ary iaraho midinika ireo fanontaniana miaraka aminy

  • Ezaho vitaina indray mandeha ny lesona tsirairay

Rehefa manompo, dia ilay bokikely aloha atolotra mba hamantarana hoe liana ve ilay olona. (Jereo ilay efajoro hoe “Fanolorana ny Bokikely Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! eo Am-pitoriana.”) Rehefa vitanareo ilay bokikely, ka mbola te hanohy ilay olona, dia omeo an’ilay boky izy ary atombohy eo amin’ny lesona fahefatra. Raha mampianatra olona amin’ny boky Ianarana na “Fitiavan’Andriamanitra” ianao, dia afindrao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! ilay fianarana ary ianao no mahita hoe aiza ho aiza no hanombohana azy.

Mampianatra Baiboly an’​ilay lehilahy amin’​ny boky “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!” ilay mpivady teo.

JEREO ILAY VIDEO HOE FALY HIARA-MIANATRA BAIBOLY AMINAO IZAHAY. VALIO IRETO AVY EO:

  • Inona no hianaran’ilay mpianatra ao amin’ilay boky vaovao?

  • Nahoana ianao no tokony hampiseho an’io video io amin’ny mpianatra vaovao?

  • Inona avy no tanjona tokony hampirisihinao mba hananan’ilay mpianatra sy hotratrariny tsikelikely? (Jereo ilay tabilao hoe “Hevitra Hodinihina sy Tanjon’ny Mpianatra Amin’ny Fizarana Tsirairay”)

a FANAMARIHANA: Marina fa tsy voatery hodinihina mandritra ny fianarana ilay hoe “Jereo koa Ireto.” Jereo anefa ny loharanon-kevitra eo rehefa manomana ianao, amin’izay dia ho fantatrao hoe inona no mety hanohina ny fon’ilay mpianatra sy hanampy azy. Ahitana rohy mankany amin’ireo video sy lahatsoratra ilay boky amin’ny endrika elektronika.

HEVITRA HODINIHINA SY TANJON’NY MPIANATRA AMIN’NY FIZARANA TSIRAIRAY

 

LESONA

HEVITRA HODINIHINA

TANJONA HO AN’NY MPIANATRA

1

1-12

Manazava hoe nahoana no manampy anao ny Baiboly, ary ahoana no hahalalanao an’ilay nampanoratra azy

Ampirisihina izy hamaky Baiboly, hanomana ny fianarana, ary hanatrika fivoriana

2

13-33

Ahafantarana hoe inona no nataon’Andriamanitra ho antsika ary ahoana no tiany hanompoantsika azy

Ampirisihina izy hiresaka ny fahamarinana amin’ny olona sy ho lasa mpitory

3

34-47

Manazava an’izay takin’Andriamanitra amin’ny mpivavaka aminy

Ampirisihina izy hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa

4

48-60

Mianatra hoe inona no atao mba ho tian’Andriamanitra foana

Ampianarina izy hahay hanavaka ny mety sy tsy mety, ary handroso ara-panahy

FANOLORANA NY BOKIKELY ANKAFIZO MANDRAKIZAY NY FIAINANA! EO AM-PITORIANA

Misy fanontaniana mampieritreritra eo amin’ny fonon’ilay bokikely, hoatran’ny amin’ny taratasy mivalona. Andramo izao:

  • Apetraho ilay fanontaniana

  • Vakio ilay valiny, ao amin’ny Salamo 37:29

  • Iaraho midinika ilay hoe “Inona no Vokatr’izany eo Aminao?” Raha ampy ny fotoana dia vakio ireo andinin-teny ary hazavao ny sary

  • Apetraho avy eo ilay fanontaniana hoe “Tena Azo Inoana ve Izay Lazain’ny Baiboly?” ary tonga dia atombohy ny lesona voalohany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara