FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w20 Mey p. 20-25
  • Mankasitraka An’ireo Fanomezan’i Jehovah ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mankasitraka An’ireo Fanomezan’i Jehovah ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MIAVAKA NY TANY
  • MIAVAKA NY ATIDOHANTSIKA
  • FANOMEZANA MIAVAKA NY BAIBOLY
  • Ahalalana An’ilay Andriamanitra Velona ny Zavaboary
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Planeta Natao Hiainana
    Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?
  • Ireo Tsingerina Mahavelona
    Mifohaza!—2009
  • Noforonina mba Hianatra Mandrakizay
    Mifohaza!—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
w20 Mey p. 20-25

LAHATSORATRA FIANARANA 21

Mankasitraka An’ireo Fanomezan’i Jehovah ve Ianao?

“Maro ny zavatra nataonao, Jehovah Andriamanitro ô, eny, maro ny asanao mahatalanjona sy ny fikasanao momba anay.” —SAL. 40:5.

HIRA 5 Mahatalanjona ny Asan’Andriamanitra

HO HITANAO ATOa

1-2. a) Hoatran’ny ahoana ny zavatra nomen’i Jehovah antsika, rehefa jerena ny Salamo 40:5? Manomeza ohatra. b) Nahoana isika no handinika an’ireo fanomezana ireo?

ANDRIAMANITRA tia manome i Jehovah. Eritrereto ange e! Nomeny tany tsara tarehy sy miavaka isika ka lasa manana toerana ipetrahana. Nomeny atidoha koa isika, dia lasa afaka mieritreritra sy mifampiresaka. Mahavariana mihitsy ny fomba nanaovany azy io! Tsy izay ihany fa fanomezana sarobidy koa ny Baiboly. Ao isika no mahita ny valin’ireo fanontaniana lehibe indrindra mety hampieritreritra antsika.—Vakio ny Salamo 40:5.

2 Hiresaka an’ireo fanomezan’i Jehovah ireo isika ato. Rehefa misaintsaina an’ireo isika, dia vao mainka hankasitraka an’ilay izy sady te hampifaly an’i Jehovah, ilay Mpamorona be fitiavana. (Apok. 4:11) Tsy izay ihany fa ho haintsika kokoa ny handresy lahatra an’izay olona mino ny evolisiona.

MIAVAKA NY TANY

3. Nahoana ny tany no miavaka?

3 Hita hoe tena mahay Andriamanitra rehefa jerena ny fomba namoronany ny tany. (Rom. 1:20; Heb. 3:4) Tsy ny tany ihany no mihodidina ny masoandro, fa misy planeta hafa koa. Miavaka anefa ny tany satria misy an’izay rehetra ilaina mba hahavelona ny olombelona.

4. Nahoana ny fomba nanamboaran’i Jehovah ny tany no manaporofo fa tena mahay izy? Hazavao amin’ny ohatra.

4 Andao hatao hoe misy sambo iray feno olona eny afovoan-dranomasina. Mety ho velona hafiriana ireo olona ireo raha ry zareo ihany no mamokatra ny oksizenina sy ny sakafo ary ny rano ilainy? Ahoana raha tsy maintsy tehirizina ao amin’ilay sambo daholo ny fako, fa tsy azo ariana any an-dranomasina? Azo antoka fa vetivety ry zareo dia ho faty! Azo oharina amin’io sambo io ny tany. An’arivony tapitrisa mantsy ny zavamananaina eo amin’izy io. Miavaka anefa ny tany, satria izy ihany no mamokatra ny oksizenina sy ny sakafo ary ny rano ilaintsika, ary tsy mety lany ireo rehetra ireo. Tsy izay ihany fa na dia mijanona eto an-tany daholo aza ny fako rehetra, dia mbola tsara tarehy foana izy io sady azo ipetrahana. Fa ahoana no mahatonga an’izany? Satria nataon’i Jehovah afaka mamadika ny zavatra sasany efa avy nampiasaina ny tany, dia lasa azo ampiasaina indray izy ireny. Tsingerina no iantsoana an’izany. Hiresaka tsingerina roa tena miavaka isika izao: Ny tsingerin’ny oksizenina sy ny tsingerin’ny rano.

5. Nahoana no tsy mety lany mihitsy ny oksizenina? Ary manaporofo inona izany?

5 Tsingerin’ny oksizenina: Gazy ilain’ny zavamananaina sasany ny oksizenina mba hahafahan-dry zareo ho velona. Mila oksizenina, ohatra, ny olona sy ny biby. Tombanana ho iray hetsy tapitrisa taonina ny oksizenina fohin’ny zavamananaina rehetra eto an-tany, ao anatin’ny herintaona. Mamoaka gazy antsoina hoe gazy karbonika koa ireny zavamananaina ireny. Tsy lany mihitsy anefa ny oksizenina eto an-tany, ary tsy feno gazy karbonika ny atmosfera. Fa maninona? Satria namorona zavamaniry isan-karazany i Jehovah, dia ireny no mifoka gazy karbonika sy mamoaka oksizenina. Manao an’izany daholo manomboka amin’ny hazo ngezabe ka hatramin’ny ahidrano madinika kely. Tena marina mihitsy ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 17:24, 25 hoe: ‘Andriamanitra no manome aina sy fofonaina ho an’ny olon-drehetra.’

6. Inona no atao hoe tsingerin’ny rano? Ary manaporofo inona izany? (Jereo koa ilay hoe “Fanomezan’i Jehovah ny Tsingerin’ny Rano.”)

6 Tsingerin’ny rano: Mety tsara ny elanelan’ny tany sy ny masoandro. Raha manatona kely fotsiny mankany amin’ny masoandro ny tany, dia ho lasa etona daholo ny rano ary hahamay be eto ka tsy ho azo iainana. Raha manalavitra ny masoandro indray izy io na dia kely fotsiny aza, dia hivaingana daholo ny rano ka ho lasa vaingana gilasy be ny tany. Mety tsara àry ny toerana nametrahan’i Jehovah ny tany, ka afaka ny ho velona ny zavamananaina noho ny tsingerin’ny rano. Inona no mitranga mandritra an’io tsingerina io? Danihin’ny masoandro ny rano any an-dranomasina sy any an-toeran-kafa, dia lasa etona. Betsaka noho ny rano any amin’ny farihy rehetra eran-tany ny rano lasa etona isan-taona. Ireny etona ireny indray avy eo no mitambatra dia lasa rahona. Mijanona folo andro eo ho eo ao amin’ny atmosfera io rahona io, dia avy eo lasa orana na lanezy. Mivarina any an-dranomasina iny rano iny amin’ny farany, na mankany amin’ny toerana hafa misy rano toy ny farihy na renirano. Miverina indray ilay tsingerina avy eo. I Jehovah no nanao an’io tsingerina io, amin’izay misy rano foana eto an-tany. (Joba 36:27, 28; Mpito. 1:7) Hita amin’izany hoe mahay sy mahery izy.

Fanomezan’i Jehovah ny Tsingerin’ny Rano

Tsingerin’ny rano. Sary 1: Danihin’ny masoandro ny rano any an-dranomasina, dia lasa etona. Ireny etona ireny indray avy eo no lasa rahona. Sary 2: Misy orana avy amin’ilay rahona milatsaka etỳ an-tany. Sary 3: Rano mivarina any an-dranomasina.
  • Avy ny orana, dia mijery ny lanitra ny mpamboly iray.

    MAMPANIRY NY VOANKAZO SY NY LEGIOMA ARY NY VONINKAZO

    Ny orana no mahatonga ny zavamaniry haniry, ka mahazo sakafo isika. Misy voninkazo koa ny ankamaroan’ny zavamaniry, ary mahafinaritra ny mijery azy ireny

  • Mpaka sary maka sary riandrano sy tendrombohitra.

    TSARA TAREHY SY MAHAFINARITRA

    Mandravaka ny tany ny renirano sy ny farihy ary ny riandrano, dia mankafy azy ireny isika

  • Lehilahy manangona sira avy amin’ny ranomasina.

    MITONDRA SOA HAFA

    Mitondra soa hafa koa ny tsingerin’ny rano. Rehefa lasa etona, ohatra, ny rano eny an-dranomasina, dia manome sira

  • Vehivavy misotro rano amin’ny vera.

    ILAINTSIKA ISAN’ANDRO

    Misotro rano isika sady mampiasa azy io mba hanaovana dite na kafe na zavatra hafa. Mampiasa rano koa isika rehefa mahandro sakafo sy manadio ary mandro

7. Ahoana no hampisehoantsika hoe mankasitraka an’i Jehovah isika noho ilay fanomezana resahin’ny Salamo 115:16?

7 Inona no hanampy anao hankasitraka kokoa an’i Jehovah noho izy nanome ny tany sy ny zavatra tsara rehetra eo amin’izy io? (Vakio ny Salamo 115:16.) Azo atao, ohatra, ny misaintsaina ny zavatra noforonin’i Jehovah. Raha manao an’izany ianao, dia lasa te hisaotra azy isan’andro noho ny zavatra tsara rehetra omeny anao. Asehonao koa hoe faly ianao fa nomen’i Jehovah ny tany, raha ataonao madio tsara foana izay toerana misy anao.

MIAVAKA NY ATIDOHANTSIKA

8. Nahoana no tena mahavariana ny fomba nanaovana ny atidoha?

8 Tena mahavariana ny fomba nanaovana ny atidoha. Tamin’ianao tany am-bohoka no niforona izy io. Fantatrao ve hoe sela vaovao an’arivony isa-minitra no nitambatra, dia nanome ny atidoha? Selam-pitatitra no iantsoana an’ireny sela ireny. Hoatran’ny hoe nisy lamina efa vita mialoha, dia nanaraka an’iny ny fiforonan’ilay izy. Milaza ny mpikaroka hoe efa ho iray hetsy tapitrisa izy ireny, ao amin’ny olon-dehibe iray. Iray kilao sy sasany eo ho eo no lanjan’ny atidoha, nefa mahavita zavatra miavaka izy io. Hijery ny sasany amin’izany isika.

9. Nahoana ianao no miaiky hoe fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fahaizantsika miteny?

9 Mahay miteny isika ary tena fahagagana izany. Eritrereto ange e! Isaky ny milaza teny iray ianao, dia hozatra 100 eo ho eo no miasa. Misy ao amin’ny lela, tenda, molotra, valanorano, ary tratra. Ny atidoha no mandrindra ny fihetsehan’ireo rehetra ireo. Mila mifanaraka tsara ny fotoana ihetsehan’ireo hozatra ireo, izay vao mazava ny teny avoakanao. Resahin’ny tatitra iray tamin’ny 2019 fa na ny zaza menavava aza dia efa mahay mamantatra teny. Hita amin’izany fa marina ny noeritreretin’ny manam-pahaizana maro, hoe vao teraka isika dia efa mahay mamantatra sy mianatra fiteny. Tsy hitanao ve hoe fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fahaizantsika miteny?—Eks. 4:11.

10. Ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka an’i Jehovah isika satria nataony mahay miteny?

10 Ahoana no ampisehoantsika fa mankasitraka an’i Jehovah isika satria nataony mahay miteny? Azontsika hazavaina amin’ny olona mino ny evolisiona, ohatra, hoe fa maninona isika no tsy mino an’izany fa mino an’Andriamanitra. (Sal. 9:1; 1 Pet. 3:15) Mety handresy lahatra antsika ry zareo hoe kisendrasendra no nampisy ny tany sy ny zavamananaina rehetra. Hahavita hiaro an’ilay Raintsika any an-danitra anefa isika, raha mampiasa ny Baiboly sy ny hevitra sasany noresahina tato. Raha vonona hihaino ilay olona, dia ho afaka hanazava isika hoe fa maninona isika no resy lahatra fa i Jehovah no namorona ny lanitra sy ny tany.—Sal. 102:25; Isaia 40:25, 26.

11. Inona no tena mampiavaka ny atidoha?

11 Tena mampiaiky ny fahaizantsika mitadidy. Nilaza ny manam-pahaizana iray taloha fa mety hahafeno boky 20 tapitrisa ny zavatra azon’ny atidoha tadidina. Hita anefa tatỳ aoriana hoe mihoatra lavitra noho izany no vitan’izy io. Inona ny zavatra miavaka vitantsika vokatr’izany?

12. Inona no mampiavaka antsika amin’ny biby?

12 Mahavita mitadidy sy mamakafaka ny lasa ny olombelona, ka afaka mandray lesona avy amin’izany. Tsy misy zavaboary hafa mahavita an’izany eto an-tany. Vokatr’izany, dia afaka manova ny toe-tsaintsika sy ny fomba fiainantsika isika, ary lasa tsara toetra kokoa. (1 Kor. 6:9-11; Kol. 3:9, 10) Raha ny marina aza, dia afaka mampiofana ny feon’ny fieritreretantsika isika mba hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy. (Heb. 5:14) Afaka mianatra mampiseho fitiavana sy fangorahana ary famindram-po koa isika, ary miezaka hanao ny rariny hoatran’i Jehovah.

13. Ahoana no tokony hampiasantsika ny fitadidiantsika, rehefa jerena ny Salamo 77:11, 12?

13 Mankasitraka an’i Jehovah ve ianao satria nomeny fitadidiana? Misy zavatra maromaro azonao ampisehoana an’izany. Maninona, ohatra, raha mitadidy hoe oviana avy izy no nanampy sy nampahery anao? Hatoky ianao amin’izay hoe mbola hanampy anao izy amin’ny hoavy. (Vakio ny Salamo 77:11, 12; 78:4, 7) Azonao atao koa ny mitadidy ny soa nataon’ny olona ho anao, dia mankasitraka azy ireo. Hitan’ny mpikaroka hoe ny olona mahay mankasitraka no azo antoka kokoa hoe ho sambatra. Tsara koa anefa ny miezaka manadino zavatra sasany, hoatran’ny ataon’i Jehovah. Tonga lafatra ny fitadidiany, nefa izy mifidy ny hamela sy hanadino ny fahotantsika raha mibebaka isika. (Sal. 25:7; 130:3, 4) Tiany hanao hoatr’azy koa isika, ka hamela ny heloky ny olona nandratra ny fontsika.—Mat. 6:14; Lioka 17:3, 4.

Sary 1: Anabavy mianatra teny hindi, dia mampiasa boky sy karta kely misy soratra. Sary 2: Ilay anabavy teo ihany. Mitory amina vehivavy karàna eny an-tsena izy, dia mampiasa bokikely ‘Vaovao Tsara.’

Fanomezana avy amin’i Jehovah ny atidoha. Hita hoe mankasitraka an’i Jehovah ianao raha mampiasa azy io mba hanomezana voninahitra azy (Fehintsoratra 14)b

14. Ahoana no hampisehoantsika hoe mankasitraka an’i Jehovah isika noho izy nanome antsika atidoha?

14 Fanomezana tena tsara àry ny atidoha. Ahoana no hampisehoantsika hoe mankasitraka an’i Jehovah isika noho izy nanome azy io? Mila mampiasa ny atidohantsika isika mba hanomezana voninahitra azy. Mampiasa azy io amin’ny fomba ratsy anefa ny olona sasany satria tia tena. Ry zareo ihany, ohatra, no mamaritra an’izay tsara sy ratsy aminy. I Jehovah anefa no namorona antsika, ka ara-dalàna raha ny fitsipiny no tsara kokoa noho izay fitsipika hafa mety hoforonintsika. (Rom. 12:1, 2) Milamina ny fiainantsika rehefa mankatò ny fitsipiny isika. (Isaia 48:17, 18) Lasa mazava amintsika koa hoe ny hanome voninahitra sy hampifaly an’ilay Mpamorona sy Raintsika no antony ahavelomantsika.—Ohab. 27:11.

FANOMEZANA MIAVAKA NY BAIBOLY

15. Nahoana ny Baiboly no porofon’ny fitiavan’i Jehovah ny olombelona?

15 Fanomezana avy amin’ilay Raintsika any an-danitra ny Baiboly. Nomeny azy io isika satria tena tiany. Mampiasa ny Baiboly i Jehovah mba hamaliana ny fanontaniana lehibe indrindra mety hampieritreritra antsika, ohatra hoe: Ahoana no nampisy antsika? Fa maninona isika no velona? Hanao ahoana ny hoavy? Tian’i Jehovah hahafantatra ny valin’ireo ny zanany rehetra, dia nataony izay handikan’ny olona ny Baiboly amin’ny fiteny be dia be. Efa misy amin’ny fiteny 3 000 mahery izao ny Baiboly manontolo na ny ampahany amin’izy io. Izy io no boky miely indrindra hatramin’izay sy voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra. Afaka mamaky Baiboly amin’ny fitenin-drazany ny ankamaroan’ny olona, na aiza na aiza misy azy ary na inona na inona fiteniny.—Jereo ilay hoe “Voadika Amin’ny Fiteny Maro Atsy Afrika ny Baiboly.”

Voadika Amin’ny Fiteny Maro Atsy Afrika ny Baiboly

Efa voadika tamin’ny fiteny 70 teo ho eo ny Baiboly manontolo na ny ampahany amin’izy io, tamin’ny taona 1800. Vitsy tamin’ireo fiteny ireo anefa no nampiasain’ny olona tatsy Afrika. Tsy nisy soratra koa ny fiteny afrikanina sasany tamin’izany, anisan’izany ny Xhosa sy ny fiteny hafa ampiasain’ny Bantou. Niova anefa izany tatỳ aoriana. Nisy olona nifindra tatsy Afrika mantsy, dia niara-niaina tamin’ireo olona nampiasa fiteny tsy nisy soratra. Anisan’izany i William Boyce, avy any Angletera. Nanampy tamin’ny famoronana soratra ho an’ny fiteny xhosa izy, dia avy eo nandika ny Filazantsaran’i Lioka tamin’io fiteny io, niaraka tamin’ny olon-kafa. Nivoaka tamin’ny 1833 io Filazantsara io. Mitovy ny andinin-teny misy ny anaran’Andriamanitra ao amin’izy io sy ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ampiasaintsika amin’izao. Lasa azon’i Boyce koa ny fitsipi-pitenenana amin’ny teny xhosa sy amin’ny fiteny rehetra ampiasain’ny Bantou, na dia sarotra be aza. Vokatr’izany, dia lasa nisy mpandika teny afaka nandika ny Baiboly tamin’ny fiteny maro hafa ampiasaina atsy Afrika. Misy amin’ny fiteny afrikanina 1000 mahery izao ny Baiboly manontolo na ny ampahany amin’izy io. Hita amin’izany hoe tena tian’i Jehovah hahazo an’io fanomezana io ny olona any amin’ny firenena rehetra.—Asa. 10:35.

Rahalahy sy anabavy mitazona an’ilay Baiboly ‘Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao’ amin’ny teny xhosa. Vao nivoaka izy io.

Efa misy amin’ny fiteny 180 mahery izao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, na izy manontolo izany na ny ampahany aminy. Anisan’izany ny amin’ny teny xhosa, izay navoaka tamin’ny 2019

16. Araka ny Matio 28:19, 20 sy izay voalazan’ny fehintsoratra, ahoana no azontsika ampisehoana hoe mankasitraka ny Baiboly isika?

16 Ahoana no hampisehoantsika hoe mankasitraka an’i Jehovah isika noho izy nanome ny Baiboly? Mila mamaky azy io isan’andro isika, dia misaintsaina an’izay voalaza ao, ary miezaka mafy mampihatra an’izany. Mankasitraka azy koa isika raha mizara ny hafatra ao amin’ny Baiboly amin’ny olona betsaka araka izay azo atao.—Sal. 1:1-3; Mat. 24:14; vakio ny Matio 28:19, 20.

17. Inona no fanomezana noresahintsika tato? Inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Hitantsika tato hoe nomen’i Jehovah fanomezana miavaka isika, anisan’izany ny tany sy ny atidoha ary ny Teniny. Tsy hita maso anefa ny fanomezana sasany nomen’i Jehovah antsika. Hiresaka an’ireo zava-tsarobidy ireo isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

AHOANA NO HAMPISEHOANAO FA MANKASITRAKA AN’I JEHOVAH IANAO NOHO IZY NANOME...

  • ny tany?

  • ny atidoha?

  • ny Baiboly?

HIRA 12 Jehovah Tompo, Ilay Avo Indrindra

a Hanampy antsika hankasitraka kokoa an’i Jehovah sy ny fanomezana telo nataony ho antsika ity lahatsoratra ity. Azontsika ampiasaina ny hevitra resahina ato mba hampisaintsainana ny olona misalasala hoe misy Andriamanitra.

b SARY: Anabavy mianatra teny vahiny satria te hampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny mpifindra monina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara