FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp21 No. 3 p. 6-8
  • Manampy ve ny Fianarana Ambony sy ny Vola?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manampy ve ny Fianarana Ambony sy ny Vola?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • SAFIDY ATAON’NY OLONA MARO
  • NISY VOKANY VE IZANY?
  • Ahoana ny Hevitry ny Vavolombelon’i Jehovah Momba ny Fianarana?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Ny fianarana: ny fandaniana aminy sy izay entiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ry Ray Aman-dreny, Hoavy Manao Ahoana no Irinareo ho An’ny Zanakareo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Fitadiavana Fiainana Feno Filaminan-tsaina
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
wp21 No. 3 p. 6-8
Tovovavy roa handeha hianatra eny amin’ny oniversite.

Manampy ve ny Fianarana Ambony sy ny Vola?

Maro no mihevitra hoe hanana hoavy sambatra izay olona nahita fianarana sy manankarena. Raha nahazo diplaoma teny amin’ny oniversite mantsy, hono, ny olona iray dia handroso ny orinasa iasany sy ny fiaraha-monina misy azy. Handray soa koa ny fianakaviany. Ny olona nahita fianarana koa, hono, no mahazo asa tsara karama, ary ny olona be vola no sambatra.

SAFIDY ATAON’NY OLONA MARO

Avy any Chine i Zhang Chen. Hoy izy: “Nieritreritra aho hoe mila mahazo diplaoma eny amin’ny oniversite raha te hiala amin’ny fahantrana, ary ho sambatra sy ho afa-po raha mahazo asa tsara karama.”

Olona maro no te hanatsara ny fiainany ka mianatra any amin’ny oniversite malaza, na dia any an-tany hafa aza no misy azy ireny. Tsy nitsahatra nitombo ny isan’ny olona nanao an’izany raha tsy tonga ilay valanaretina COVID-19. Lasa sarotra mantsy ny nanao dia lavitra. Nisy fikambanana nanao fanadihadiana, folo taona lasa izay, ary nanao tatitra hoe: “Avy any Azia ny antsasany mahery amin’ny olona mandranto fianarana any an-tany hafa.”

Miasa mafy ny ray aman-dreny mba handefasana ny zanany hianatra any amin’ny oniversite any ivelany. Hoy i Qixiang, avy any Taïwan: “Tsy nanan-karena ny ray aman-dreninay nefa nalefan’izy ireo nianatra tany Etazonia izahay efatra mianadahy.” Tsy maintsy nidi-trosa be izy mianakavy tamin’izany, hoatran’ny fianakaviana maro.

NISY VOKANY VE IZANY?

Ny iray amin’izy roa vavy teo: Eo anoloan’ny ordinatera izy, ary efa alina ny andro. Reraka sy miady saina be izy.

Maro no nifofotra tamin’ny fianarana ambony sy nikatsaka harena, nefa diso fanantenana

Mety hanatsara ny fiainan’ny olona iray ny fianarana ataony. Tsy araka ny noeritreretin’ny mpianatra maro anefa ny zava-misy. Misy, ohatra, tsy nety nahita ny asa niriny, na dia niasa mafy nandritra ny taona maro sy nindrana vola be aza mba handoavana ny saram-pianarany. Izao no nolazain’i Rachel Mui, tao amin’ny gazety iray any Singapour: “Mihabetsaka izao ny olona nahazo diplaoma teny amin’ny oniversite no tsy mety mahita asa.” Hoy i Jianjie, lehilahy iray avara-pianarana mipetraka any Taïwan: “Be dia be izao ny olona tsy afa-manoatra fa manao izay asa hitany, na dia tsy mifanentana amin’ny diplaomany aza ilay izy.”

Misy ihany ireo nahita asa mifandray amin’ny zavatra nianarany, nefa tsy araka ny nantenainy ny fiainany. Nahita asa hoatr’izany i Niran, avy any Tailandy, rehefa avy nianatra tany amin’ny oniversite tany Eoropa. Hoy izy: “Nanampy ahy hahita asa be karama ny diplaoma azoko, araka ny efa nantenaiko. Nitaky be tamin’ny fotoanako anefa izy io, ary tsy maintsy niasa mafy aho. Nandroaka ny ankamaroan’ny mpiasa tao aminy ilay orinasa niasako tatỳ aoriana, ary voaroaka koa aho. Tsapako tamin’izay hoe mety ho very asa daholo na iza na iza.”

Mbola manana olana anefa, na dia ireo manam-bola be sy heverina ho mahomby aza. Mety hanana olana ara-pianakaviana, ohatra, izy ireo, na marary, na mbola manahy amin’ny resaka vola. Hoy i Katsutoshi, avy any Japon: “Nanam-bola be aho nefa mbola tsy sambatra. Tia nifaninana sy nialona ny olona nanodidina ahy, sady nampijaly ahy.” Hoy indray i Lam, vehivavy mipetraka any Vietnam: “Be dia be ny olona te hahazo asa tsara karama, amin’izay tsy miady saina amin’ny resaka vola. Vao mainka anefa ry zareo lasa be fanahiana sy marary ary kivy be.”

FA MANINONA NO TSY AMPY NY FIANARANA SY NY VOLA?

Marina aloha hoe mila mianatra sy mitady vola ny olona, mba hahazoany izay ilainy sy izay ilain’ny fianakaviany. Tsy ampy anefa izany raha tiany ny hanana hoavy sambatra. Fa nahoana? Andao hojerentsika izay lazain’ny Soratra Masina.

TSY MIANTOKA NY FAHOMBIAZANA NY FIANARANA SY NY VOLA.

“Tsy ny haingam-pandeha no mahazo fandresena, ... ary tsy ny mahira-tsaina no mahazo harena, ary tsy ny manam-pahalalana no mahazo sitraka, satria mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.”​—MPITORITENY 9:11.

Na dia nahita fianarana be aza ny olona iray, dia mety tsy hahomby noho ny antony tsy miankina aminy. Anisan’izany ny korontana ara-politika, ny olana ara-toe-karena, ary ny fanavakavahana.

METY TSY HAHARITRA NY HARENA.

“Aza mandrera-tena mikatsaka harena, ary aza mandany ron-doha amin’izany intsony. Navelanao hitopy any amin’ny harena ve ny masonao, nefa tsinontsinona ireny? Fa maniry elatra toy ny an’ny voromahery tokoa ireny, ka manidina ho eny amin’ny lanitra.”​—OHABOLANA 23:4, 5.

Mihelina ihany ny soa entin’ny harena. Mety ho very ao anatin’ny indray mipy maso ny vola nangoninao nandritra ny androm-piainanao. Mety hahatonga ny olona iray tsy hanan-kialofana sy tsy hanam-bola intsony, ohatra, ny loza araka ny natiora, hoatran’ny horohoron-tany sy ny afo mandravarava ary ny rivo-doza.

VAO MAINKA MAMPISY OLANA NY VOLA.

‘Ny habetsahan’ny fananan’ny mpanankarena no tsy ahitany tory.’​—MPITORITENY 5:12.

Izany no nitranga tamin’i Franklin. Mipetraka any Hong Kong izy, ary nahita fianarana sy nanana asa tsara karama. Nahazo fisondrotana izy, dia lasa direktera tao amin’ilay orinasa niasany. Hoy izy: “Nandreraka ahy ny asako, dia nisy fiantraikany tamin’ny fahasalamako izany. Tsy nahita tory mihitsy aho fa niady saina be.” Mafy be ny zavatra nahazo an’i Franklin, ka tsy zakany intsony ilay izy tamin’ny farany. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe very maina ny ezaka nataoko. Lasa nieritreritra aho raha mba misy dikany ihany ny fiainana.”

“Aza mandrera-tena mikatsaka harena.”​—OHABOLANA 23:4

Maro be ny olona tonga saina hoatran’i Franklin hoe misy zavatra lehibe kokoa noho ny fianarana ambony sy ny harena. Miezaka ny ho tsara toetra sy hanao soa amin’ny hafa ry zareo, satria izay no eritreretiny hoe hanampy azy hanana hoavy sambatra. Izany tokoa ve? Hamaly an’izany ny lahatsoratra manaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara