FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp23 No. 1 p. 6-7
  • 1 | Vavaka: ‘Apetraho Aminy Izay Rehetra Mampanahy’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 1 | Vavaka: ‘Apetraho Aminy Izay Rehetra Mampanahy’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2023
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no dikan’izany?
  • Nahoana izany no manampy?
  • Apetraho Amin’i Jehovah Daholo Izay Mampanahy Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Inona no Hataoko mba Tsy Hanahy Be Loatra Aho?
    Manontany ny Tanora
  • Apetraho Amin’i Jehovah ny Fanahianareo Rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Afaka Manampy ny Lehilahy Miady Saina ve ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2023
wp23 No. 1 p. 6-7
Tovolahy iray kivy be dia mivavaka sady ataony eo amin’ny tratrany ny tanany.

1 | Vavaka: ‘Apetraho Aminy Izay Rehetra Mampanahy’

HOY NY BAIBOLY: “Apetraho [amin’Andriamanitra] daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”​—1 PETERA 5:7.

Inona no dikan’izany?

Manasa antsika i Jehovah Andriamanitra mba hiresaka aminy momba an’izay manavesatra ny saintsika sy ny fontsika. (Salamo 55:22) Tsy misy olana lehibe loatra na kely loatra ka hoe tsy azo resahina amin’ny vavaka. Raha zava-dehibe amintsika ilay izy, dia zava-dehibe amin’i Jehovah koa. Anisan’ny tena ilaina ny vavaka mba hahatonga antsika hiadan-tsaina.​—Filipianina 4:6, 7.

Nahoana izany no manampy?

Mety hahatsiaro hoe miady irery tanteraka isika, rehefa tratran’ny aretin-tsaina. Indraindray mantsy tsy azon’ny olona tsara izay zakaintsika. (Ohabolana 14:10) Rehefa mivavaka anefa isika ka mamboraka ny fihetseham-pontsika amin’Andriamanitra, dia hihaino antsika foana izy sady hangoraka sy hahazo tsara an’izay manjo antsika. Mahita antsika i Jehovah, ary fantany ny fijaliantsika sy ny ady mafy ataontsika. Tiany hivavaka aminy momba an’izay rehetra mampanahy antsika isika.​—2 Tantara 6:29, 30.

Rehefa mivavaka amin’i Jehovah isika, dia vao mainka hatoky hoe miahy antsika izy. Hahatsapa hoatran’ilay mpanao salamo isika amin’izay. Nivavaka izy hoe: “Hitanao ny fijaliako; fantatrao ny fahoriana mafy manjo ahy.” (Salamo 31:7) Na ny mahafantatra fotsiny aza hoe hitan’i Jehovah izay mianjady amintsika, dia efa tena manampy antsika tsy ho kivy rehefa ao anatin’ny sarotra. Tsy hoe mahita ny adin-tsaintsika fotsiny anefa izy. Mahazo tsara an’izany mihoatra noho ny olon-kafa koa izy, sady mampionona sy mampahery antsika amin’ny alalan’ny Baiboly.

Ny Nanampian’ny Baiboly An’i Julian

Nisy vokany tamiko ny adin-tsaina

Julian.

“Miady saina be aho sady manao zavatra miverimberina foana (Trouble Obsessionel Compulsif na TOC). Tsy ahoan-tsy ahoana eo dia miady saina be aho. Tsy maninona aloha aho, fa tampoka eo tonga dia mitaintaina be tsy amin’antony. Rehefa misy olona maromaro manodidina ahy no tena mihetsika ilay izy. Mampiady saina be ahy izay eritreretin-dry zareo momba ahy.

“Tena manampy ahy ny olona mahafantatra ny ady mafy ataoko. Tsoriko aloha hoe tsy zavatra tiako ho heno no lazain-dry zareo indraindray. Mankasitraka ny ezaka ataony anefa aho ary fantatro fa tena te hanampy izy.

“Indraindray sarotra amiko ny mivavaka rehefa miady saina be aho sady manao zavatra miverimberina (TOC). Mila miezaka be aho vao mahavita mifantoka sy miresaka amin’i Jehovah. Mandehandeha be ny saiko, dia na izaho aza tsy maharaka intsony matetika. Rehefa tsy voafehiko ny eritreritro, dia sarotra amiko ny mahita teny hanazavana amin’i Jehovah an’izay ao an-tsaiko sy ao am-poko.”

Manampy ahy ny Baiboly

“Rehefa nianatra Baiboly aho, dia lasa haiko hoe tsy voatery ho lava be na niangaliana be ny vavaka vao eken’Andriamanitra. Indraindray rehefa tsy hitako izay teny hilazana ny fihetseham-poko, dia milaza fotsiny aho hoe: ‘Jehovah ô, izaho mba ampio!’ Na amin’ireny aza, dia tsapako hoe azon’i Jehovah izay mahazo ahy, ary omeny ahy izay ilaiko amin’iny fotoana iny. Tsy hoe nivavaka fotsiny aho, fa nanatona dokotera koa. Soa ihany aho fa nanao an’ireo, dia efa mihatsara ny fahasalamako. Na miezaka be aza aho vao mahavita mangataka fanampiana amin’ilay Raiko any an-danitra, dia ataoko ihany satria matoky aho hoe tia ahy izy ary tena te hanampy ahy.”

Fanampiana ho An’ny Tanora

Ilay video hoe “Ataovy Namanao i Jehovah: Mivavaha Foana.”

Midira ao amin’ny jw.org/mg fa ho hitanao ao hoe nahoana ianao no afaka matoky fa mihaino sy mamaly ny vavaka ataonao i Jehovah.

Jereo ilay video hoe Ataovy Namanao i Jehovah: Mivavaha Foana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara