TANTARAM-PIAINANA
Hitako hoe Manam-pinoana ny Vahoakan’i Jehovah
IANAO ve mahatadidy resadresaka tena hoe nisy vokany be taminao? Nisy iray hoatr’izany teo amin’ny fiainako, 50 taona teo ho eo izay. Tany Kenya izaho sy ilay namako iray izay tamin’izany. Avy nanao dia lavitra amam-bolana izahay dia lasa mainty kely. Niresadresaka filma ara-pivavahana iray izahay sady nitanina afo, no niteny ilay namako hoe: “Tsy mifanaraka amin’ny Baiboly iny!”
Nihomehy aho sady niteny hoe: “Fa inona koa no fantatr’ialahy momba ny Baiboly?” Hoatran’ny tsy mpivavaka mihitsy mantsy no fahitako azy. Elaela izy vao namaly hoe Vavolombelon’i Jehovah ny mamany, dia nisy zavatra sasany nianarany taminy. Nahaliana ahy ilay izy, dia vao mainka izy nosokiriko.
Nitohy hatramin’ny alina be ny resakay. Nolazain’ilay namako hoe i Satana no mpitondra an’izao tontolo izao, araka ny Baiboly. (Jaona 14:30) Ianao angamba efa nahalala an’izany hatramin’izay niainanao, fa vaovao be tamiko izany sady tena nahaliana ahy. Henoko foana mantsy hoe Andriamanitra tsara fanahy no mitondra an’izao tontolo izao. Tsy nifanaraka tamin’ny zavatra hitako anefa izany. Vao 26 taona aho tamin’izany, nefa efa be dia be ny zavatra nampiady saina ahy.
Mpanamory fiaramanidina tao amin’ny Tafika Ana Habakabaka Amerikanina i Dada. Mbola kely àry aho, dia efa haiko tsara hoe mety hisy izany ady niokleary izany. Efa vonona hanomboka an’izany ny tafika. Tamin’izaho nianatra teny amin’ny oniversite tany Kalifornia no nipoaka ny ady tany Vietnam. Nanao hetsika hanoherana an’ilay izy ny mpianatra, dia mba niaraka tamin-dry zareo aho. Nenjehin’ny polisy tamin’ny kibay izahay. Nandositra izahay sady sempotra sy jambena vokatry ny etona mandatsa-dranomaso. Nanjaka ny korontana sy ny fikomiana. Be dia be ny mpanao politika nisy namono, moa ny olona nitokona sady nirotaka. Samy nanana ny vahaolana nomeny ny olona ka nifanjevo ny hevitra, hoatran’ny ravinkazo atambolimbolin’ny rivotra!
Avy tany Londres dia nankany Afrika Afovoany
Nahita asa tany amin’ny morontsiraka avaratra amin’i Alaska aho tamin’ny 1970, dia nahazo vola be. Nandeha raoplanina nankany Londres aho avy eo. Nividy môtô aho dia nianatsimo. Nandehandeha fotsiny aho, fa tsy nisy toerana noeritreretiko haleha. Tonga tany Afrika aho, volana maro tatỳ aoriana. Nihaona tamin’olona be dia be aho teny an-dalana. Ry zareo koa mba te ho afaka tamin’ny olana nahazo azy, hoatr’ahy ihany.
Vokatry ny zavatra hitako sy henoko, dia niaiky aho fa mitombina be ilay fampianaran’ny Baiboly hoe fanahy ratsy no mitondra ny tany. Dia inona izany no ataon’Andriamanitra? Nanitikitika ny saiko izany.
Hitako ihany ny valiny, afaka volana maromaro. Lasa nahafantatra lehilahy sy vehivavy be dia be koa aho, ary tiako be ry zareo. Tsy nivadika tamin’ilay tena Andriamanitra mantsy ry zareo, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra.
IRLANDY AVARATRA: “ILAY TANIN’NY BAOMBA SY NY BALA”
Niresaka tamin’ilay maman’ny namako aho rehefa niverina tany Londres, dia nomeny Baiboly. Nankany Amsterdam, any Holandy, aho avy eo. Namaky Baiboly teo ambany jiro teny amoron’arabe aho indray andro, dia nisy Vavolombelona iray nahita ahy. Nampiany hianatra Baiboly aho. Avy eo indray aho nankany Dublin, any Irlandy, dia nahita ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nihaona tamin’i Arthur Matthews aho rehefa nandondona tao. Rahalahy hendry sy za-draharaha izy. Nilaza taminy aho hoe te hianatra Baiboly, dia nanaiky hampianatra ahy izy.
Nazoto nianatra aho. Be dia be ny boky sy gazety vita boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah novakiko. Namaky Baiboly koa aho, mazava ho azy. Nahafinaritra be ilay izy! Rehefa nivory aho, dia hitako hoe na ny ankizy aza nahavaly an’ireo fanontaniana nanahiran-tsaina ny olona avara-pianarana hatry ny ela, ohatra hoe: ‘Nahoana no misy ny faharatsiana? Iza Andriamanitra? Manao ahoana ny olona rehefa maty?’ Vavolombelon’i Jehovah daholo ny namako. Tsy nisy afa-tsy ry zareo tsinona no fantatro tao amin’ilay tany. Nampian-dry zareo ho tia an’i Jehovah sy ho te hanao ny sitrapony aho.
Nigel, Denis, ary izaho
Natao batisa aho tamin’ny 1972. Nanao mpisava lalana aho herintaona taorian’izay, dia nifindra tao amina fiangonana kely tany Newry, any Irlandy Avaratra. Nanofa trano teo akaikina tendrombohitra iray izay aho. Trano vato ilay izy sady somary nitokana. Nisy omby maromaro teo amin’ilay tanimboly teo akaiky teo, dia teo anoloan-dry zareo aho no namerimberina ny lahateniko. Hoatran’ny nihaino tsara aloha ry zareo e, sady nitsakotsako! Ry zareo ve moa hahavita hanome torohevitra, fa efa mba nisy nampiharako an’ilay hoe mijery mpanatrika aloha. Voatendry ho mpisava lalana manokana aho tamin’ny 1974, dia i Nigel Pitt no namako. Lasa tsy nifankafoy izahay.
Nisy korontana ara-politika sy ara-pivavahana tany Irlandy Avaratra tamin’izany. Tsy mahagaga iny faritra iny raha nantsoin’ny olona hoe “ilay tanin’ny baomba sy ny bala.” Fahita ny olona niady an-dalana, ny olona nisy nitifitra, ary ny fiara voasesika baomba. Nifampidipiditra be ny resaka politika sy fivavahana. Na ny Protestanta anefa na ny Katolika, dia samy nahafantatra hoe tsy niditra tamin’ny politika ny Vavolombelon’i Jehovah. Afaka nitory nalalaka àry izahay sady voaro. Matetika ny olona nitorianay no nahalala hoe aiza no hisy herisetra ary rahoviana. Nampitandreman-dry zareo àry izahay dia tsy nankany.
Saika nahita raharaha ihany izahay indraindray. Nitory tao amin’ilay tanàna teo akaiky teo izaho sy ilay mpisava lalana atao hoe Denis Carrigan, indray andro. Tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah mihitsy tao, sady vao indray mandeha izahay no tao. Nisy vehivavy iray izay nanendrikendrika anay hoe mpitsikilon’ny miaramila britanika, hono. Hita tamin’ny fiteninay hoe tsy tompon-tany izahay, dia izay angamba no nahatonga azy hiteny an’izany. Natahotra be izahay! Vao tsaratsara fanahy tamin’ny miaramila fotsiny mantsy ianao, dia efa mety ho novonoina na notifirina teo amin’ny lohalika. Niandry bisy teo amoron-dalana izahay avy eo. Izahay irery no teo sady nangatsiaka. Iny nisy fiara tamy avy any, dia nijanona teo alohan’ilay trano fisakafoanana nisy an’ilay vehivavy nanendrikendrika anay. Nivoaka avy any ilay ramatoa, dia niresaka tamin’izy roa lahy tao anatin’ilay fiara. Nafana fo erỳ izy nanondrotondro anay! Naroson’ilay lehilahy moramora teo akaikinay ny aotomobiliny, dia nanontanintany anay momba ny fotoana hahatongavan’ny bisy ry zareo. Rehefa tonga ilay bisy, dia niresaka tamin’ilay saofera ry zareo. Tsy henonay ny resany. Tsy nisy mpandeha mihitsy anefa tao, dia nieritreritra izahay hoe hoentina any ivelan’ny tanàna izao izahay, dia hovonovonoina any. Tsy izay anefa no nitranga! Rehefa nivoaka ny bisy aho, dia nanontaniako ilay saofera hoe: “Nanontany momba anay angaha ilay roa lahy tarỳ ireny?” Dia izao no navaliny: “Fantatro ianareo ka, dia efa noresahiko tamin-dry zareo. Aza matahotra. Tsy tokony haninona intsony ianareo izao!”
Tamin’ny mariazinay, Martsa 1977
Nihaona tamin’i Pauline Lomax aho tamin’ny 1976, rehefa namonjy fivoriamben’ny distrikaa tany Dublin. Mpisava lalana manokana tany Angletera izy, fa nandalo fotsiny tamin’io. Anabavy tsy mivadika sy manetry tena izy, sady mahafatifaty. Ray no anaran’ny anadahiny, ary efa hatramin’ny mbola kely izy dahy no nahafantatra ny fahamarinana. Nivady izahay sy Pauline herintaona taorian’izay, dia voatendry ho mpisava lalana manokana tany Ballymena, any Irlandy Avaratra.
Nisy fotoana izahay nanao ny asan’ny faritra, dia nitsidika an’ireo rahalahy tany Belfast sy Londonderry ary ny faritra nampidi-doza hafa. Tena nampihetsi-po anay ny finoan’ireo rahalahy sy anabavy tany. Efa ela ry zareo no nino zavatra diso, nanavakavaka, ary nankahala olona. Tsy nanao an’izany intsony anefa ry zareo mba hanompoana an’i Jehovah. Tena nitahy sy niaro an-dry zareo izy noho izany!
Folo taona aho no tany Irlandy. Voasa hanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-72 izahay mivady tamin’ny 1981. Voatendry tany Sierra Leone, any Afrika Andrefana, izahay rehefa nahazo diplaoma.
SIERRA LEONE: NANAM-PINOANA NA DIA NAHANTRA AZA
Nipetraka tao amin’ny tranon’ny misionera izahay. Olona 11 nahafinaritra be no niara-nipetraka taminay tao. Nitambatra lakozia izahay. Telo kosa ny kabine, roa ny efitra fandroana, iray ny telefaonina, iray ny masinina fanasan-damba, ary iray ny masinina fanamainana. Tapatapaka ny jiro sady tsy nampoipoizina mihitsy. Feno voalavo tao ambany tafo, moa ny kôbrà nisitrika tsimoramora tao ambany lakaly.
Niampita renirano mba hamonjy fivoriambe tany Guinée teo akaiky teo
Tsy tena tsara aloha ilay toerana nisy anay e! Tianay be anefa ny fanompoana. Nanaja ny Baiboly ny olona sady nihaino tsara. Be dia be no nianatra Baiboly sy nanaiky ny fahamarinana. Nantsoin’ny olona hoe “Ramose Robert” aho, dia i Pauline nantsoiny hoe “Ramatoa Robert.” Tsy afaka nanompo firy anefa aho, tatỳ aoriana, satria be asa tany amin’ny biraon’ny sampana. Lasa nantsoin’ny olona hoe “Ramatoa Pauline” àry ny vadiko, dia izaho lasa hoe “Ramose Pauline.” Tian’i Pauline erỳ izany!
Handeha hitory tany amin’ny faritany lavitra, Sierra Leone
Betsaka ny mpiara-manompo nahantra, nefa nanome izay nilain-dry zareo foana i Jehovah. Niavaka ny fomba nanaovany an’izany indraindray! (Mat. 6:33) Tadidiko ny zavatra niainan’ny anabavy iray sy ny zanany. Tsy nanana afa-tsy vola hividianana sakafo ho an’iny andro iny ry zareo. Nisy rahalahy iray anefa voan’ny tazomoka, dia tsy nanam-bola hividianana fanafody. Nomen’ilay anabavy azy daholo ilay vola! Ny androtr’iny ihany anefa, dia nisy ramatoa tonga tampoka tao amin’ilay anabavy, ary nanakarama azy hanao ny volony. Betsaka ny hoatr’izany.
NIZERIA: NIANATRA KOLONTSAINA VAOVAO
Sivy taona izahay no tany Sierra Leone, dia avy eo nafindra tany amin’ny Betelan’i Nizeria. Biraon’ny sampana lehibe indray izao no nisy anay. Ilay asa birao nataoko tany Sierra Leone ihany no nataoko tany. Niova be kosa ny fiainan’i Pauline sady tsy mora taminy ilay izy. Nandany 130 ora teny amin’ny saha mantsy izy isam-bolana, sady nanana mpianatra Baiboly nandroso be dia be. Izao izy voatendry tao amin’ny fanjairana, dia nanjaitra akanjo rovitra nandritra ny andro. Elaela izy vao zatra, nefa lasa tsapany ihany hoe nankasitraka ny asany ny olona. Nanao izay fara heriny àry izy mba hampaherezana ny Betelita hafa.
Vaovao be taminay ny kolontsaina nizerianina, dia nila nianatra zavatra be dia be izahay. Indray andro nisy rahalahy tonga tao amin’ny biraoko, mba hampahafantatra anabavy vao voantso tao amin’ny Betela. Saika hanolotra ny tanako hiarahaba azy aho, nefa izy tonga dia niankohoka teo an-tongotro. Taitra be aho! Tonga dia tsaroako ny Asan’ny Apostoly 10:25, 26 sy ny Apokalypsy 19:10. Lasa saina aho hoe: ‘Hoteneniko ve izy hoe aza manao an’izao?’ Nieritreritra ihany anefa aho hoe matoa izy voantso tao amin’ny Betela, dia efa fantany izany izay ampianarin’ny Baiboly.
Tsy nahazo aina aho nandritra ny resadresaka nataonay taorian’izay. Nanao fikarohana aho avy eo. Hay fomban-dry zareo ilay izy, ary mbola nanaraka an’izany ny faritra sasany tao amin’ilay firenena tamin’izany. Na ny lehilahy aza niankohoka koa. Fanehoana fanajana ilay izy, fa tsy hoe manompo olona akory. Misy hoatr’izany koa ao amin’ny Soratra Masina. (1 Sam. 24:8) Soa ihany aho fa tsy nanao an’izay hampahamenatra an’ilay anabaviko, satria hoe tsy fantatro ny kolontsainy!
Nihaona tamin’ny Nizerianina be dia be nanana finoana miavaka izahay, nandritra ny taona maro. Anisan’izany i Isaiah Adagbona.b Mbola tanora izy no nahalala ny fahamarinana, fa avy eo izy lasa boka. Nalefa tany amin’ny toby fitsaboana boka izy, ary izy irery no Vavolombelona tany. Na teo aza ny fanoherana, dia nahavita nanampy boka 30 mahery hahalala ny fahamarinana izy, ary lasa nisy fiangonana tao amin’ilay toby.
KENYA: NANAM-PAHARETANA TAMIKO IREO RAHALAHY
Nahita zanaka tokantandroka efa tsy nanana ray sy reny intsony, Kenya
Voatendry tao amin’ny biraon’ny sampan’i Kenya izahay tamin’ny 1996. Tamin’io aho vao niverina tany, hatramin’ilay izaho tany notantaraiko terỳ am-piandohana. Nipetraka tao amin’ny Betela izahay. Anisan’ny nitsidika ny Betela koa ny gidro. Nofaohin-dry zareo ny voankazo nentin’ireo anabavy. Navelan’ny anabavy Betelita iray hivoha ny varavarankelin’ny efitranony, indray andro. Rehefa nody izy, dia nahita gidro maromaro nihinana an’izay sakafo hitany tao. Nikiakiaka ilay anabavy nivoaka ny varavarana! Mba nihorakoraka koa izy mianakavy sady nitsambikina teo am-baravaran-kely.
Nanompo tao amin’ny fiangonana miteny swahili izaho sy Pauline. Voatendry hitarika Fianarana Boky aho tsy ela taorian’izay. Antsoina hoe Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana izy io amin’izao. Zara raha nahay swahili anefa aho tamin’izany. Nomaniko mialoha ilay toko, dia mba haiko ny namaky ny fanontaniana. Vao niova kely tamin’izay voasoratra anefa ny valin-tenin’ny mpanatrika, dia efa tsy nisy azoko. Tena tsy nahazo aina aho! Nampalahelo ahy ireo rahalahy sy anabavy. Nanaiky an’ilay fandaharana anefa ry zareo sady nanam-paharetana sy nanetry tena, ka tena nampiaiky ahy!
ETAZONIA: MANAM-PINOANA NA DIA MANANKARENA AZA
Tsy ampy herintaona izahay no tany Kenya. Voasa hanompo tao amin’ny Betelan’i Brooklyn, eto New York, izahay tamin’ny 1997. Firenena manankarena izao no misy anay, nefa misy ihany ny olana. (Ohab. 30:8, 9) Na any amin’ny tany hoatr’izany aza anefa, dia mbola miavaka ihany ny finoan’ireo rahalahy. Ampiasainy hanohanana ny asan’ny fandaminan’i Jehovah ny fotoanany sy ny fananany, fa tsy entiny hanangonana harena.
Hitanay nandritra ny taona maro hoe manam-pinoana ny mpiara-manompo, na dia tsy mitovy aza ny zavatra iainany. Ny tany Irlandy izao nanam-pinoana na teo aza ny ady an-trano. Ny tany Afrika indray nanam-pinoana na dia nahantra sy lavitra mpiara-manompo aza. Ny eto Etazonia koa manam-pinoana na dia manankarena aza. Faly be izao i Jehovah rehefa mijery etỳ an-tany ka mahita olona tena tia azy, na inona na inona zavatra atrehiny!
Miaraka amin’i Pauline, Betelan’i Warwick
Mandeha be ny volana sy ny taona, ary “haingana noho ny famahanana tenona” aza. (Joba 7:6) Miasa eto amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Warwick, New York, izao izahay. Faly izahay fa mbola manompo miaraka amin’ny olona tena mifankatia! Sambatra izahay, afa-po, ary faly satria manao izay azonay atao mba hanohanana an’i Kristy Jesosy Mpanjakantsika. Tsy ho ela izy dia hamaly soa an’ireo olona be dia be manam-pinoana sy tsy mivadika!—Mat. 25:34.
a Fivoriamben’ny vondrom-paritra izao no iantsoana azy io.
b Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1998, p. 22-27, ny tantaram-piainan’i Isaiah Adagbona. Maty izy tamin’ny 2010.