TANTARAM-PIAINANA
Nihaino Tsara ny Vavaka Nataoko i Jehovah
NANDINIKA an’ireo kintana namirapiratra aho indray alina izay, dia nandohalika sy nivavaka. Folo taona aho tamin’io. Vao nahafantatra momba an’i Jehovah aho, nefa efa noresahiko taminy izay tena nampanahy ahy. Nanomboka teo aho no nifandray akaiky tamin’i Jehovah Andriamanitra, ilay “Mpihaino vavaka.” (Sal. 65:2) Fa maninona aho tamin’izay no nivavaka taminy, nefa vao haingana kely aho no nahafantatra azy? Aleo hotantaraiko.
FITSIDIHANA NANOVA NY FIAINANAY
Teraka tao Noville, tanàna kely eny akaikin’i Bastogne any Belzika aho, tamin’ny 22 Desambra 1929. Nisy toeram-pambolena sy fiompiana sivy tao, ary iray amin’izany ny anay. Nahafinaritra ahy ny fahazazako, niaraka tamin’i Dada sy Neny. Nitery ronono izaho sy Raymond zandriko lahy isan’andro, ary nanampy nitaona vokatra. Niray hina be sy nifanampy ny mponina tao an-tanànanay.
Miasa ao amin’ilay toeram-pambolena miaraka amin’ny fianakaviako
Katolika nafana fo i Dada sy Neny. I Emile sy Alice no anarany. Namonjy Lamesa ry zareo isak’alahady. Nisy mpisava lalana avy any Angletera anefa tonga tao an-tanànanay, tamin’ny 1939 tany ho any. Nasainy nanao famandrihana gazety Fampiononana (Mifohaza! amin’izao) i Dada. Tsy ela dia tsapany hoe nahita ny fahamarinana izy ary nanomboka namaky Baiboly. Tsara fanahy ny mpiara-monina taminay tamin’izany, nefa lasa nanohitra be rehefa tsy namonjy Lamesa intsony i Dada. Notereny hijanona ho Katolika izy, dia imbetsaka ry zareo no niady hevitra be momba an’izany.
Nalahelo be an’i Dada aho rehefa nataon’ny olona hoatr’izany izy. Nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra àry aho ka nivavaka tamin’ny fo, araka ilay notantaraiko terỳ aloha. Tsy omby tratra ny hafaliako rehefa nihalefy ilay fanoherana. Resy lahatra aho hoe “Mpihaino vavaka” i Jehovah.
FIAINANA NANDRITRA NY ADY
Nanafika an’i Belzika ny Alemaina Nazia tamin’ny 10 Mey 1940, ka betsaka ny sivily nitsoaka. Nandositra tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa izahay mianakavy. Sendra ady ihany anefa izahay teny an-dalana, satria nafotaka ny ady teo amin’ny tafika alemà sy frantsay.
Rehefa nody izahay, dia hitanay fa nisy nandroba ny ankamaroan’ny fanananay. Ilay alikanay atao hoe Bobbie sisa no mba nitsena anay. Lasa saina aho noho ireny zava-nitranga ireny hoe: ‘Maninona àry no misy ny ady sy fijaliana?’
Nanomboka nifandray akaiky tamin’i Jehovah aho, tamin’izaho folo taona teo ho eo
Nampahery be anay tamin’izany ny fitsidihan’ny Rahalahy Emile Schrantz,a mpisava lalana tsy nivadika sady anti-panahy. Nohazavainy tsara avy tao amin’ny Baiboly hoe maninona no misy ny fijaliana, ary novaliany ny fanontaniako hafa momba ny fiainana. Lasa nifandray akaiky kokoa tamin’i Jehovah aho sady resy lahatra hoe Andriamanitra fitiavana izy.
Nifandray matetika tamin’ny Vavolombelona ny fianakavianay, na mbola tsy tapitra aza ny ady. Tonga nanao lahateny tao aminay ny Rahalahy José-Nicolas Minet tamin’ny Aogositra 1943. Nanontany izy hoe: “Iza no te hatao batisa?” Nanangan-tanana i Dada, dia mba nanangana koa aho. Natao batisa tao amin’ny renirano kely teo akaiky teo izahay.
Tamin’ny Desambra 1944 ny tafika alemà no nanao ny fanafihana lehibe farany tao amin’ny faritra andrefan’i Eoropa. Antsoina hoe Ady Tany Ardennes izy io. Teny akaikinay ilay toerana nisy ady, ka tsy maintsy niafina tany ambany lakaly izahay nandritra ny iray volana teo ho eo. Nivoaka hamahana biby aho indray andro, no nisy baomba nipoaka tao amin’ilay toeram-pambolena sy fiompiana, ka niendaka ny tafon’ilay trano fitehirizam-bokatra. Nisy miaramila amerikanina iray tao amin’ilay tranon’omby teo akaiky teo, dia nikiakiaka izy hoe: “Midaboha amin’ny tany!” Nihazakazaka aho dia nidaboka teo akaikiny. Nataony teo amin’ny lohako ny fiarovan-dohany mba hiarovana ahy.
NANDROSO ARA-PANAHY
Tamin’ny mariazinay
Nifandray tsy tapaka tamin’ny fiangonana iray tao Liège izahay, taorian’ny ady. Tany amin’ny 90 kilaometatra tany avaratry ny tanànanay izy io. Nisy antokon’olona niara-nianatra Baiboly tao Bastogne, rehefa nandeha ny fotoana. Nanomboka niasa tao amin’ny sampan-draharahan’ny hetra aho, dia afaka nianatra momba ny lalàna. Niara-niasa tamin’ny naotera aho tatỳ aoriana. Nandamina fivoriamben’ny faritra kely tao Bastogne izahay, tamin’ny 1951. Zato teo ho eo ny mpanatrika, anisan’izany i Elly Reuter, mpisava lalana nafana fo. Nandeha bisikileta 50 kilaometatra izy mba hanatrehana azy io. Tsy ela dia nifankatia izahay roa ary nifamofo. Voasa hanatrika ny Sekolin’i Gileada tany Etazonia i Elly tamin’izay. Nanoratra tany amin’ny foibe izy mba hanazavana ny antony tsy maintsy handavany an’ilay fanasana. Ny Rahalahy Knorr no nitarika ny asan’ny vahoakan’i Jehovah tamin’izany. Tsara fanahy izy namaly hoe mety ho afaka hanatrika ny Sekolin’i Gileada i Elly sy ny vadiny, indray andro any. Nivady izahay ny Febroary 1953.
Elly sy Serge zanakay lahy
Nanatrika an’ilay fivoriambe hoe Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao tao amin’ny Yankee Stadium any New York izahay sy Elly, tamin’io taona io. Nihaona tamin’ny rahalahy iray izay aho tao. Nanome asa tsara be ho ahy izy, ary nanasa ahy hifindra tany Etazonia. Noresahinay mivady tamin’i Jehovah ilay izy. Nanapa-kevitra izahay avy eo hoe aleo lavina ilay asa, dia hiverina any Belzika mba hanohana an’ireo mpitory folo tao Bastogne. Nahazo fitahiana izahay ny taona nanaraka, satria teraka i Serge kely. Nampalahelo anefa fa narary izy afaka fito volana dia maty. Naborakay tamin’i Jehovah ny alahelonay, ary nampahery anay ilay fampanantenana azo antoka hoe mbola hatsangana ny maty.
FANOMPOANA MANONTOLO ANDRO
Nahita asa tapa-potoana nahafahako nanao mpisava lalana aho, tamin’ny Oktobra 1961. Tamin’izay mihitsy anefa aho no naharay antso avy tany amin’ny mpikarakara ny sampan’i Belzika. Nanontany ahy izy raha afaka manao mpanampy ny faritra aho (mpiandraikitra ny faritra amin’izao). Namaly aho hoe: “Sao dia mba afaka manao mpisava lalana aloha izahay vao manaiky an’io fanendrena io?” Nanaiky ry zareo. Nanomboka ny asan’ny faritra izahay tamin’ny Septambra 1962, rehefa avy nanao mpisava lalana nandritra ny valo volana.
Nanao ny asan’ny faritra nandritra ny roa taona izahay, dia avy eo voasa tao amin’ny Betela tao Bruxelles. Tamin’ny Oktobra 1964 izahay no nanomboka nanompo tao. Betsaka ny fitahiana azonay noho io fanendrena vaovao io. Nitsidika ny Betela ny Rahalahy Knorr tamin’ny 1965, dia gaga be aho fa voatendry ho mpikarakara ny sampana tsy ela taorian’izay. Nasaina hanatrika ny kilasy faha-41 tamin’ny Sekolin’i Gileada izahay sy Elly tatỳ aoriana. Tanteraka ilay tenin’ny Rahalahy Knorr, 13 taona talohan’izay! Niverina tao amin’ny Betelan’i Belzika izahay mivady rehefa nahazo diplaoma.
NIARO NY ZONTSIKA ARA-DALÀNA
Afaka nampiasa ny fahaizako lalàna aho nandritra ny taona maro, mba hiarovana ny zon’ireo rahalahy tany Eoropa sy tany an-toeran-kafa hanompo malalaka an’i Jehovah. (Fil. 1:7) Afaka nifandray tamin’ny manam-pahefana tany amin’ny tany 55 mahery àry aho. Voarara na voasakantsakana ny asantsika tany amin’ireny tany ireny. Tsy nanasongadina ny fahaizako lalàna anefa aho, fa nampahafantatra ny tenako tamin’ny hoe ‘olon’Andriamanitra.’ Niantehitra tamin’i Jehovah tamin’ny vavaka foana aho, satria fantatro fa “hoatran’ny renirano eo an-tanan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka [na mpitsara], ka aviliny hankany amin’izay tiany.”—Ohab. 21:1.
Anisan’ny tsy hadinoko mihitsy ilay izaho nihaona tamin’ny mpikambana iray tao amin’ny Parlemanta Eoropeanina. Imbetsaka aho no nangataka hihaona taminy, dia nanaiky ihany izy tamin’ny farany. Hoy izy: “Homeko dimy minitra ianao, ary tsy mihoatra an’izay!” Niondrika aho, dia nivavaka. Somary natahotahotra ilay rangahy, ka nanontany hoe: “Fa inona ity ataonao?” Nitraka aho, dia namaly hoe: “Nisaotra an’Andriamanitra aho satria anisan’ny mpanompony ianao.” Nanontany izy hoe: “Ahoana koa izany?” Nasehoko azy ny Romanina 13:4. Protestanta izy ka nahaliana azy ilay andininy. Dia inona no nitranga? Nomeny antsasak’adiny aho, ary tena nisy vokany tsara ny fihaonanay. Nilaza mihitsy aza izy fa manaja ny asantsika.
Niady teny amin’ny fitsarana imbetsaka ny vahoakan’i Jehovah tany Eoropa, nandritra ny taona maro. Anisan’ny niadiana tamin’izany ny zo hikarakara zanaka, ny resaka hetra, ary ilay isika tsy momba ny atsy na ny aroa. Tombontsoa ho ahy ny nandray anjara tamin’ny maro tamin’ireny sy nahita hoe notahin’i Jehovah isika dia nandresy. Raharaha 140 mahery no nahazoan’ny Vavolombelon’i Jehovah fandresena tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona!
NIHANALALAKA NY ASA TANY CUBA
Voasakantsakana ny asantsika tany Cuba, ka nila nampiana ireo rahalahy tany mba hanana zo hanompo malalaka kokoa an’i Jehovah. Niara-niasa tamin’ny Rahalahy Philip Brumley avy any amin’ny foibe sy ny Rahalahy Valter Farneti avy any Italia àry aho tatỳ aoriana, mba hanatanterahana an’izany. Nanoratra tany amin’ny ambasadin’i Cuba teto Belzika aho, dia avy eo nihaona tamin’ny manam-pahefana iray voatendry handamina an’ilay raharaha. Tsy dia nisy vokany ireo fihaonanay voalohandohany. Tsy voavaha mantsy ny tsy fifankahazoana nahatonga an’ilay fameperana.
Miaraka amin’i Philip Brumley sy Valter Farneti nandritra ny dia iray nankany Cuba
Nivavaka tamin’i Jehovah izahay mba hahazo tari-dalana, dia nangataka alalana tamin’ny manam-pahefana mba handefa Baiboly 5 000 tany Cuba. Nekena ny fangatahanay. Tonga soa aman-tsara ireo Baiboly, ary nozaraina tamin’ireo rahalahy. Resy lahatra àry izahay hoe notahin’i Jehovah ny ezaka nataonay. Nangataka alalana handefa Baiboly 27 500 fanampiny indray izahay. Nekena koa izany. Faly be aho nanampy an’ireo rahalahy sy anabavy malala tany Cuba hahazo ny Baiboliny manokana!
Imbetsaka aho no nankany Cuba mba hekena ho ara-dalàna ny asantsika. Afaka nifandray tsara tamin’ny manam-pahefana maro aho vokatr’izany.
FANAMPIANA AN’IREO RAHALAHY TANY RWANDA
Olona 1 000 000 mahery no ripaka tamin’ilay fandripahana ny foko tutsi tany Rwanda tamin’ny 1994. Nampalahelo fa nisy mpiara-manompo novonoin’olona koa. Tsy ela dia nisy rahalahy vitsivitsy nasaina nanao fandaharana mba hanampiana ny mpiara-manompo tany.
Rehefa tonga tao Kigali renivohitra izahay, dia hitanay hoe rotidrotiky ny bala ny birao fandikan-teny sy ny toerana fitehirizana boky sy gazety. Be dia be ny tantara mahatsiravina henonay momba an’ireo rahalahy sy anabavy novonoina tamin’ny antsy lava. Betsaka koa anefa ny tantara nanasongadina ny fitiavana kristianina. Nihaona tamin’ny rahalahy tutsi iray, ohatra, izahay. Nafenin’ny fianakaviana Vavolombelona hutu iray tao anaty lavaka izy nandritra ny 28 andro. Nandamina fivoriana tao Kigali izahay, dia afaka nampahery rahalahy sy anabavy 900 mahery.
Havia: Boky iray rotidrotiky ny bala, tao amin’ny biraon’ny fandikan-teny
Havanana: Manao asa mifandray amin’ny fanampiana an’ireo mpiara-manompo
Nankany Zaïre (Repoblika Demokratikan’i Congo amin’izao) izahay avy eo, mba hitady Vavolombelona avy any Rwanda. Betsaka tamin-dry zareo mantsy no nitsoaka tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana, tany akaikin’ny tanànan’i Goma. Tsy hitanay ry zareo, dia nivavaka tamin’i Jehovah izahay mba hitarika anay ho any. Avy eo izahay nahita lehilahy iray nanatona anay, dia nanontanianay izy raha mahalala Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Ie, izaho ange Vavolombelona e! Andao ianareo hoentiko any amin’ny komitin’ny vonjy rano vaky.” Nampahery ny fihaonana tamin’ilay komity. Avy eo izahay nampionona sy nampahery mpitsoa-ponenana 1 600 teo ho eo. Novakinay tamin-dry zareo koa ny taratasin’ny Filan-kevi-pitantanana. Tena nanohina ny fon’ireo rahalahy sy anabavy ny naheno an’ilay fanomezan-toky hoe: “Mivavaka ho anareo foana izahay. Fantatray fa tsy hahafoy anareo i Jehovah.” Marina tokoa izany tenin’ny Filan-kevi-pitantanana izany. Misy 30 000 mahery izao ny Vavolombelona faly manompo an’i Jehovah any Rwanda!
TAPA-KEVITRA NY TSY HIVADIKA MIHITSY
Nindaosin’ny fahafatesana i Elly vady malalako tamin’ny 2011, rehefa nivady 58 taona latsaka kely izahay. Nampionona ahy i Jehovah rehefa naborako taminy tamin’ny vavaka ny alaheloko. Nampahery ahy koa ny nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tamin’ny mpiara-belona tamiko.
Efa 90 taona mahery aho, fa mbola manompo isan-kerinandro. Mahafaly ahy koa ny manampy ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna eto amin’ny sampan’i Belzika, mizara ny traikefa ananako, ary mampahery an’ireo tanora ato amin’ny Betela.
Efa 84 taona teo ho eo aho izay no nivavaka voalohany tamin’i Jehovah. Nanomboka teo ilay fotoana nahafinaritra nifandraisako taminy, ary nihakaiky foana ny fifandraisanay. Tena faly aho fa nihaino tsara ny vavaka nataoko i Jehovah nandritra ny androm-piainako.—Sal. 66:19.b
a Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) 1 Janoary 1974, p. 26-30, ny tantaram-piainan’ny Rahalahy Schrantz.
b Nodimandry tamin’ny 4 Febroary 2023 ny Rahalahy Marcel Gillet, tamin’ny mbola nomanina ity lahatsoratra ity.