FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp25 No. 1 p. 4-5
  • Tsy Misy Afa-bela Amin’ny Vokatry ny Ady

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Misy Afa-bela Amin’ny Vokatry ny Ady
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2025
  • Mitovitovy Aminy
  • Rahoviana no Hitsahatra ny Ady? Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Vola An-tapitrisa Tapitrisa no Lany Amin’ny Ady, Nefa Inona no Vokany?
    Foto-kevitra Hafa
  • Ahoana no Hampifarana ny Ady?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2025
  • Ady
    Mifohaza!—2017
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2025
wp25 No. 1 p. 4-5
Sary: 1) Miaramila mandeha an-tongotra ary misy tanky ao aoriany. 2) Lehilahy sy vehivavy ary ankizy samy hafa firenena iharan’ny vokatry ny ady.

Tsy Misy Afa-bela Amin’ny Vokatry ny Ady

“Mbola tsy nisy ady mahatsiravina be dia be hoatr’izao hatramin’ny nisian’ny Ady Lehibe II. Olona roa arivo tapitrisa, izany hoe ampahefatry ny mponina eran-tany, no mipetraka any amin’ny tany misy ady.”

Amina J. Mohammed, Sekretera Jeneraly Lefitra ao amin’ny Firenena Mikambana, 26 Janoary 2023.

Mety hisy ady tampoka any amin’ny toerana milamina. Mety hijaly na dia ny olona mipetraka any amin’ny tany lavitry ny ady aza, satria mifandray sy mifampiankina be mihoatra noho ny hatramin’izay izao tontolo izao. Ary na efa mifarana aza ny ady dia maharitra taona maro ny vokany. Diniho ireto ohatra ireto:

  • Sarikely ahitana tanana roa mitazona vilia baolina tsy misy na inona na inona.

    Mosary. Milaza ny Fandaharan’asa Momba ny Sakafo Eran-tany hoe: “Mbola ny ady no tena mahatonga mosary. Any amin’ny toerana misy ady sy herisetra no mipetraka ny 70 isan-jaton’ny olona tratran’ny mosary.”

  • Sarikely ahitana vehivavy malahelo manakona ny tarehiny amin’ny tanany.

    Ratra ara-batana sy fikorontanan-tsaina. Mety hiady saina sy hitebiteby ny olona rehefa hatahorana hisy ady ao amin’ny faritra misy azy. Tsy vitan’ny hoe hatahorana kokoa haratra ny olona any amin’ny tany miady, fa hatahorana hikorontan-tsaina koa. Matetika anefa no sarotsarotra ny hahazoan’izy ireo fitsaboana.

  • Sarikely ahitana fianakaviana mitondra ny fananany anaty kitapo be.

    Voatery mifindra toerana. Nilaza ny Vaomieran’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Mpitsoa-ponenana, tamin’ny Septambra 2023, hoe 114 tapitrisa mahery eran-tany no voatery nandao ny fonenany. Ny ady no tena mahatonga an’izany.

  • Sarikely ahitana fianakaviana mijoro eo ivelan’ny tranony tsotsotra.

    Olana ara-toe-karena. Rehefa misy ady, dia matetika no misy olana ara-toe-karena, ohatra hoe misondrotra ny vidim-piainana. Mety hijaly ny olona rehefa ampiasain’ny fanjakana hanohanana ny tafika ny vola, fa tsy hikarakarana ny fahasalamam-bahoaka, ny fampianarana, na ny toy izany. Vola be mihitsy koa no lany hanarenana ny simba, aorian’ny ady.

  • Sarikely ahitana solika miraraka avy amin’ny fantsona.

    Simba ny tontolo iainana. Mijaly ny olona rehefa fanahy iniana simbana ny taniny. Mety hankarary mandritra ny taona maro ny rano sy ny rivotra ary ny tany rehefa voaloto. Mbola mampidi-doza koa ny vanja milevina, na dia efa ela be aza no nifarana ny ady.

Miharihary hoe manimba zavatra be dia be mihitsy ny ady.

Ny Faminanian’ny Baiboly Momba ny Ady

Asehon’ny faminanian’ny Baiboly hoe anisan’ny famantarana “ny faran’izao tontolo izao” ny ady. (Matio 24:3) Efa nilaza i Jesosy Kristy hoe:

  • “Haheno ady ianareo ary hisy hilaza aminareo koa hoe misy ady any an-toeran-kafa. ... Fa hisy firenena hiady amin’ny firenena, ary hisy fanjakana hiady amin’ny fanjakana.”​—Matio 24:6, 7.

  • “Aza mihorohoro rehefa maheno ady sy korontana ianareo.”​—Lioka 21:9.

    Ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “korontana” dia mety hanondro rotaka, fikomiana, fanoherana fahefana, fanonganam-panjakana, korontana ara-politika, ary sahotaka.

Raha te hahazo fanazavana fanampiny ianao, dia vakio ao amin’ny jw.org ilay lahatsoratra hoe “Inona ny Famantarana ny ‘Andro Farany’?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara