Tsy vitan’ny olombelona ny manafoana ny ady
Ahoana no Hampifarana ny Ady?
Milaza ny Baiboly hoe ‘tsy hisy ady intsony eran-tany’, ary Andriamanitra no hanao an’izany fa tsy olona.—Salamo 46:9.
HOFOANAN’ANDRIAMANITRA NY FANJAKAN’OLOMBELONA
Haringan’Andriamanitra ny fanjakan’olombelona mandritra an’ilay ady antsoin’ny Baiboly hoe Aramagedona.a (Apokalypsy 16:16) Hangonina ho amin’ilay “adin’ny andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” ny “mpanjakan’ny tany manontolo”, amin’izay. (Apokalypsy 16:14) Ady hamaranan’Andriamanitra ny ady rehetra ny Aramagedona.
Ny Fanjakan’Andriamanitra no hisolo ny fanjakan’olombelona. Avy any an-danitra io Fanjakana io no hitondra ary tsy ho rava mihitsy. (Daniela 2:44) Nifidy an’i Jesosy Kristy Zanany Andriamanitra mba ho Mpanjakan’ilay Fanjakana. (Isaia 9:6, 7; Matio 28:18) Io ilay Fanjakanab nasain’i Jesosy nangatahin’ny mpanara-dia azy tamin’ny vavaka. (Matio 6:9, 10) Fanjakana iray ihany àry no hitondra ny olombelona rehetra maneran-tany ary i Jesosy no ho Mpitondra.
Tsy hoatran’ny mpitondra olombelona i Jesosy ka hoe hanararaotra ny fahefany mba hahazoana tombontsoa manokana. Manao ny rariny sy tsy manavakavaka izy ka tsy hisy olona hatahotra hoe hailikilika noho ny firazanany, ny fiaviany, na ny kolontsainy. (Isaia 11:3, 4) Tsy mila mitaky ny zony koa ny olona satria hitsinjo ny tsirairay i Jesosy. “Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy, sy ny madinika, ary izay rehetra tsy mba misy manampy. ... Hanafaka azy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”—Salamo 72:12-14.
Hesorin’ny Fanjakan’Andriamanitra daholo ny fitaovam-piadiana rehetra. (Mika 4:3) Horinganin’io Fanjakana io koa izay ratsy fanahy mbola misisika hiady, na manelingelina ny filaminan’ny olona. (Salamo 37:9, 10) Tsy hisy olona hatahotra intsony amin’izay na lehilahy, na vehivavy, na ankizy, na aiza na aiza halehan-dry zareo eto an-tany.—Ezekiela 34:28.
Ho lavorary tanteraka ny fiainan’ny olona, rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Hofoanan’io Fanjakana io ny olana mahatonga ny olona hiady, ohatra hoe ny fahantrana, ny mosary, ary ny fonenana tsizarizary. Hahazo sakafo mahasalama be dia be ny olon-drehetra, ary hanana toerana mampiadana hipetrahana.—Salamo 72:16; Isaia 65:21-23.
Rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra dia hesoriny ny voka-dratsin’ny ady, anisan’izany ny ratra ara-batana. Ho afaka koa ny takaitra ara-tsaina sy ara-pihetseham-po vokatry ny habibiana tamin’ny ady. Na ny maty aza hatsangana dia ho velona eto an-tany indray. (Isaia 25:8; 26:19; 35:5, 6) Ho tafaraka daholo ny mpianakavy, ary ho tantara sisa ny fahatsiarovana mahatsiravina mifandray amin’ny ady, satria “efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:4.
HOFOANAN’ANDRIAMANITRA NY OTA
Hanompo an’i Jehovahc, ilay hany tena Andriamanitra, ny olombelona rehetra rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy “ilay Andriamanitry ny fitiavana sy ny fihavanana.” (2 Korintianina 13:11, fanamarihana ambany pejy) Hianatra hiara-miaina sy hihavana ny olona rehefa mitondra io Fanjakana io. (Isaia 2:3, 4; 11:9) Hafahana amin’ny vokatry ny ota ny olona rehetra mampihatra an’izay ianarany.—Romanina 8:20, 21.
HARINGAN’ANDRIAMANITRA I SATANA SY NY DEMONIANY
Haringan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Satana sy ny demoniany, izay mpampirisika ny olona hiady. (Apokalypsy 20:1-3, 10) “Ho be ny fiadanana” rehefa tsy eo intsony ry zareo.—Salamo 72:7.
Matokia fa ho tanteraka ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe hanafoana ny ady. Sady te hanao an’izany izy no mahavita an’izany koa.
Ananan’Andriamanitra ny fahendrena sy hery hamaranana ny ady sy ny herisetra. (Joba 9:4) Tsy misy na inona na inona tsy vitany.—Joba 42:2.
Tsy zakan’Andriamanitra ny mahita olona mijaly. (Isaia 63:9) “Mankahala an’izay tia herisetra” koa izy.—Salamo 11:5.
Mitana ny teniny foana Andriamanitra. Tsy mahay mandainga izy.—Isaia 55:10, 11; Titosy 1:2.
Hataon’Andriamanitra tena miadana mandrakizay ny olona.
Hofoanan’Andriamanitra ny ady
a Vakio ao amin’ny jw.org ilay lahatsoratra hoe “Inona no Atao hoe Ady Aramagedona?”
b Jereo ao amin’ny jw.org ilay video hoe Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?
c Jehovah no anaran’Andriamanitra.—Salamo 83:18.