LAHATSORATRA FIANARANA 24
HIRA 98 Avy Amin’Andriamanitra ny Soratra Masina
Lesona avy Amin’ny Faminanian’i Jakoba—Fizarana 1
“Avia daholo ianareo fa holazaiko anareo izay hitranga aminareo any am-parany any.”—GEN. 49:1.
HEVITRA HODINIHINA
Izay azontsika ianarana avy amin’ny faminanian’i Jakoba momba an’i Robena, Simeona, Levy, ary Joda.
1-2. Inona no nataon’i Jakoba rehefa akaiky ho faty izy, ary nahoana? (Jereo koa ny sary.)
EFA 17 taona teo ho eo izay i Jakoba, mpanompon’i Jehovah, no niala tany Kanana mba hifindra tany Ejipta miaraka amin’ny fianakaviany. (Gen. 47:28) Faly be izy nandritra an’ireo 17 taona ireo satria tafaraka indray izy sy Josefa, ilay zanany tena tiany, ary tafaraka daholo ihany izy mianakavy. Fantapantatr’i Jakoba anefa izao hoe efa ho faty izy. Nampanantsoiny daholo àry ny zanany lahy satria misy zava-dehibe tiany horesahina.—Gen. 49:28.
2 Fanaon’ny raim-pianakaviana tamin’izany ny mampivory ny fianakaviany sy manafatrafatra an-dry zareo rehefa fantany hoe efa ho faty izy. (Isaia 38:1) Amin’io koa izy no mety hanendry an’izay loham-pianakaviana handimby azy.
Efa ho faty i Jakoba, eo am-pandrianany, ary milaza faminaniana momba ny zanany 12 lahy (Fehintsoratra 1-2)
3. Nahoana no misy dikany be ny tenin’i Jakoba, araka ny Genesisy 49:1, 2?
3 Vakio ny Genesisy 49:1, 2. Tsy hoatran’ny mahazatra anefa ilay fivoriana. Mpaminany mantsy i Jakoba dia nomen’i Jehovah ny fanahiny izy rehefa nampivory ny fianakaviany. Hiresaka zava-dehibe hitranga amin’ny hoavy izy ary tena hisy vokany amin’ny taranany izany.
4. Inona no hodinihintsika ato? (Jereo koa ilay hoe “Ankohonan’i Jakoba.”)
4 Hodinihintsika ato izay nolazain’i Jakoba tamin’i Robena, Simeona, Levy, ary Joda zanany lahy. Horesahintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka indray izay noresahiny tamin’ny zanany valo hafa. Araka ny ho hitantsika, dia tsy hoe niresaka momba ny zanany fotsiny i Jakoba fa momba ny taranak’izy ireo koa. Ry zareo no ho lasa firenen’Israely. Ho hitantsika hoe ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Jakoba rehefa mandinika ny tantaran’io firenena io isika. Handraisantsika fianarana sarobidy koa ny zavatra nolazainy ary hanampy antsika hampifaly an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra.
ROBENA
5. Inona ny tombontsoa nantenain’i Robena hoe homen’ny rainy azy?
5 I Robena no noresahin’i Jakoba voalohany. Hoy izy: “Ianao no lahimatoako.” (Gen. 49:3) Azo inoana fa nanantena i Robena hoe anjaran’olona roa no ho lovany satria izy no lahimatoa. Mety ho nanantena koa izy hoe ho lasa loham-pianakaviana handimby ny rainy, ary ny taranany no hahazo an’izany tombontsoa izany rehefa mandeha ny fotoana.
6. Nahoana i Robena no tsy nahazo ny zon’ny lahimatoa? (Genesisy 49:3, 4)
6 Tsy azon’i Robena anefa ny zon’ny lahimatoa. (1 Tan. 5:1) Nahoana? Satria nanao firaisana tamin’i Bilaha vadikelin’i Jakoba izy, taona maromaro talohan’izay. Efa maty i Rahely, ilay vady tena tian’i Jakoba, tamin’izay. Mpanompovavin’i Rahely io Bilaha io. (Gen. 35:19, 22) Zanak’i Jakoba tamin’i Lea i Robena. Tsy nahafehy ny faniriany angamba i Robena, na mety hoe nanao firaisana tamin’i Bilaha izy, amin’izay tsy i Bilaha indray no tian’i Jakoba kokoa noho ny mamany. Na ahoana na ahoana, dia tena tsy nampifaly an’i Jehovah sy ny rainy ny zavatra nataony.—Vakio ny Genesisy 49:3, 4.
7. Inona no nitranga tamin’i Robena sy ny taranany? (Jereo koa ilay hoe “Faminanian’i Jakoba.”)
7 Nilaza tamin’i Robena i Jakoba hoe: ‘Tsy ho lasa ambony noho ny rahalahinao ianao.’ Tanteraka ny teniny. Tsy nisy lasa mpanjaka na mpisorona na mpaminany mantsy ny taranak’i Robena. Tsy hoe nanda an’i Robena tsy ho zanany anefa i Jakoba, fa ny taranany aza lasa foko iray teo amin’ny Israely mihitsy. (Jos. 12:6) Nisy fotoana i Robena nampiseho toetra tsara ihany, ary tsy misy fitantarana hoe mbola naloto fitondran-tena indray izy.—Gen. 37:20-22; 42:37.
8. Inona avy no ianarantsika avy amin’i Robena?
8 Inona no ianarantsika? Mila miezaka mafy mifehy tena sy tsy haloto fitondran-tena isika. Raha alaim-panahy hanota isika, dia tokony hiato kely sady hieritreritra hoe halahelo be izao i Jehovah sy ny fianakaviantsika ary ny olon-kafa, raha ataontsika tokoa ilay izy. Tokony hotadidintsika koa hoe “izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” (Gal. 6:7) Ankoatra izay, dia mampahatsiahy antsika ilay zava-nitranga tamin’i Robena hoe mamindra fo i Jehovah. Marina hoe tsy miaro antsika amin’ny voka-dratsin’ny fahadisoantsika i Jehovah. Tahiny anefa isika rehefa miezaka manao ny tsara.
SIMEONA SY LEVY
9. Inona no nahatonga an’i Jakoba hanao teny henjana tamin’i Simeona sy Levy? (Genesisy 49:5-7)
9 Vakio ny Genesisy 49:5-7. I Simeona sy Levy no noresahin’i Jakoba manaraka, ary nanao teny henjana izy rehefa niresaka tamin-dry zareo. Naolan’ny lehilahy kananita atao hoe Sekema i Dina zanakavavin’i Jakoba, taona maromaro talohan’izay. Tezitra be daholo ny zanakalahin’i Jakoba ary ara-dalàna izany. Nampiasa herisetra anefa i Simeona sy Levy. Nofitahin-dry zareo ny mponin’i Sekema hoe vonona hihavana ry zareo raha manaiky hoforana ny lehilahy ao. Nanaiky tokoa ny mponina tao Sekema. Tamin’ilay mbola nanaintaina iny ry zareo, dia “samy naka ny sabany” i Simeona sy Levy ary “niditra tao an-tanàna ... nefa tsy nisy niahiahy azy mihitsy, dia novonoiny daholo ny lehilahy rehetra tao.”—Gen. 34:25-29.
10. Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Jakoba momba an’i Simeona sy Levy? (Jereo koa ilay hoe “Faminanian’i Jakoba.”)
10 Tezitra be i Jakoba rehefa nieritreritra ny herisetra nataon’ny zanany roa lahy. Naminany izy hoe hiparitaka manerana an’i Israely ry zareo. Tanteraka ny teniny, 200 taona mahery tatỳ aoriana, rehefa niditra ny Tany Nampanantenaina ny Israelita. Tanàna maromaro tao amin’ny faritanin’i Joda mantsy no anjara lovan’ny taranak’i Simeona. (Jos. 19:1) Ny an’i Levy indray tanàna 48 niparitaka nanerana an’i Israely.—Jos. 21:41.
11. Inona avy ny zavatra tsara nataon’ny fokon’i Simeona sy Levy?
11 Tsy namerina ny fahadisoan’ny razambeny ny taranak’i Simeona sy Levy. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy ny fokon’i Levy sady nanohana ny fivavahana madio. Ahoana no nampisehoan-dry zareo an’izany? Rehefa nahazo ny Lalàna avy tamin’i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy, dia be dia be ny Israelita nivavaka tamin’ny zanak’omby. Ny Levita kosa niandany tamin’i Mosesy ka nanampy azy handringana an’ireo mpanompo sampy ireo. (Eks. 32:26-29) Natokan’i Jehovah ny fokon’i Levy dia nomeny tombontsoa ho mpisorona. (Eks. 40:12-15; Nom. 3:11, 12) Ary ahoana indray no nataon’ny Simeonita? Rehefa haka ny anjara taniny ny Joda, tatỳ aoriana, dia nahery fo ny Simeonita rehefa niady niaraka tamin-dry zareo ary nankasitrahan’i Jehovah izany.—Mpits. 1:3, 17.
12. Inona avy ny lesona ianarantsika avy amin’i Simeona sy Levy?
12 Inona no ianarantsika? Aza manaiky hobaikoin’ny hatezerana mihitsy rehefa manapa-kevitra sy manao zavatra. Raha iharan’ny tsy rariny isika na ny havantsika, dia ara-dalàna isika raha tezitra. (Sal. 4:4) Tadidio anefa hoe tsy hankasitrahan’i Jehovah isika raha miteny na manao zavatra handratrana fon’olona. (Jak. 1:20) Manaraka ny torolalan’ny Baiboly isika rehefa misy tsy rariny, na ao amin’ny fiangonana izany na eny ivelany. Hanampy antsika tsy hiteny na hanao zavatra handratra ny hafa izany. (Rom. 12:17, 19; 1 Pet. 3:9) Tadidio koa hoe na dia manao zavatra tsy mampifaly an’i Jehovah aza ny ray aman-dreninao dia tsy voatery hanao hoatran-dry zareo ianao. Aza mieritreritra hoe tsy misy antenaina intsony ny aminao na hoe tsy hitahy anao i Jehovah. Tsy maintsy hamaly soa anao i Jehovah rehefa miezaka sy manao ny tsara ianao.
JODA
13. Inona no mety ho nampitaintaina an’i Joda rehefa hihaino ny tenin’ny dadany izy?
13 I Joda indray izao no horesahin’i Jakoba. Mety ho nitaintaina izy rehefa avy naheno ny tenin’i Jakoba tamin’ny zokiny. Izy koa mantsy nanao fahadisoana lehibe maromaro. Azo antoka hoe anisan’ny nandroba ny tanànan’i Sekema izy. (Gen. 34:27) Niaraka tamin’ny rahalahiny nivarotra an’i Josefa ho andevo koa izy, dia avy eo ry zareo nandainga tamin’ny dadany. (Gen. 37:31-33) Nanao firaisana tamin’i Tamara vinantovaviny izy, tatỳ aoriana, satria noheveriny fa mpivaro-tena i Tamara.—Gen. 38:15-18.
14. Inona avy ny zavatra tsara nataon’i Joda? (Genesisy 49:8, 9)
14 Rehefa nahazo fanahy masina anefa i Jakoba dia tsy nisy afa-tsy tsodrano sy teny fiderana no nomeny an’i Joda. (Vakio ny Genesisy 49:8, 9.) Efa nasehon’i Joda, talohan’izay, hoe niahy ny fihetseham-pon’ilay rainy be taona izy, ary nangoraka an’i Benjamina zandriny faralahy.—Gen. 44:18, 30-34.
15. Ahoana avy no nahatanterahan’ny tsodrano azon’i Joda?
15 Naminany i Jakoba hoe hitarika ny rahalahiny i Joda. Roanjato taona teo ho eo tatỳ aoriana anefa vao nisy resaka hoe nanao an’izany ny fokon’i Joda. Efa niala tany Ejipta ny Israelita tamin’izay. Rehefa namakivaky ny tany efitra ho any amin’ny Tany Nampanantenaina ry zareo, dia ny fokon’i Joda no nialoha lalana ny Israelita. (Nom. 10:14) Rehefa haka ny Tany Nampanantenaina koa ny Israelita, taona maro tatỳ aoriana, dia ny fokon’i Joda no niady voalohany tamin’ny mponina tao. (Mpits. 1:1, 2) Taranak’i Joda koa i Davida, ary izy no voalohany tamin’ireo mpanjaka be dia be nifandimby tao amin’ny fokon’i Joda. Tsy izay ihany anefa!
16. Ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 49:10? (Jereo koa ilay hoe “Faminanian’i Jakoba.”)
16 Nilaza i Jakoba hoe avy amin’ny taranak’i Joda ilay ho Mpitondra ny olombelona ary hanjaka mandrakizay izy io. (Vakio ny Genesisy 49:10 sy ny fanamarihana ambany pejy.) I Jesosy Kristy io Mpitondra nantsoin’i Jakoba hoe Silo io. Izao no noresahin’ny anjely iray momba an’i Jesosy: “Homen’i Jehovah Andriamanitra azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy.” (Lioka 1:32, 33) “Ilay Liona avy amin’ny fokon’i Joda” koa no iantsoana an’i Jesosy.—Apok. 5:5.
17. Ahoana no tokony hiheverantsika ny hafa raha manahaka an’i Jehovah isika?
17 Inona no ianarantsika? Notahin’i Jehovah i Joda na dia nanao fahadisoana lehibe maromaro aza. Gaga angamba ny rahalahiny hoe fa inona loatra no hitan’i Jehovah taminy. Na ahoana na ahoana, dia nahita zavatra tsara tao amin’i Joda i Jehovah ary nitahy azy. Ahoana no azontsika anahafana an’i Jehovah? Rehefa misy mpiara-manompo amintsika mahazo tombontsoam-panompoana, dia mety halaim-panahy hifantoka amin’ny tsy fahalavorarian’ilay olona aloha isika. Aleo anefa mitadidy hoe tena tian’i Jehovah ny toetra tsarany. I Jehovah mantsy mitady an’izay tsara ao amin’ny mpanompony. Andao koa isika hiezaka mafy hanao hoatr’izany.
18. Nahoana isika no mila manam-paharetana?
18 Ianarantsika avy amin’ny zava-nitranga tamin’i Joda koa hoe mila manam-paharetana isika. Manatanteraka ny fampanantenany foana i Jehovah, fa tsy voatery hoe amin’ny fotoana na amin’ny fomba noeritreretintsika foana no anaovany an’izany. Ny taranak’i Joda izao tsy tonga dia nitarika ny vahoakan’Andriamanitra. Notohanan-dry zareo foana anefa izay notendren’i Jehovah hitarika, na i Mosesy Levita izany, na i Josoa Efraimita, na i Saoly Mpanjaka Benjaminita. Andao koa isika hanohana an’izay fidin’i Jehovah hitarika antsika, na iza io na iza.—Heb. 6:12.
19. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah rehefa jerena ny faminanian’i Jakoba?
19 Inona no hitantsika avy amin’ny faminanian’i Jakoba? Miharihary hoe “tsy toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’Andriamanitra.” (1 Sam. 16:7) Tena manam-paharetana sy mamindra fo i Jehovah. Tsy manala tsiny ny fanaovan-dratsy izy, nefa koa tsy manantena hoe ho lavorary ny mpanompony. Ny olona nanao fahadisoana lehibe aza mbola tahiny ihany rehefa tena mibebaka sy miova ary manao ny tsara. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izay nolazain’i Jakoba tamin’ireo zanany lahy valo ambiny.
HIRA 124 Aza Mivadika Mihitsy!