LAHATSORATRA FIANARANA 25
HIRA 96 Harena Sarobidy Ilay Boky avy Amin’Andriamanitra
Lesona avy Amin’ny Faminanian’i Jakoba—Fizarana 2
“Samy nomeny tsodrano mifanentana aminy avy izy ireo.” —GEN. 49:28.
HEVITRA HODINIHINA
Izay azontsika ianarana avy amin’ny faminanian’i Jakoba momba ny zanany valo lahy.
1. Inona no hodinihintsika ato?
MANODIDINA an’i Jakoba ny zanany ary mihaino azy mitso-drano azy ireo tsirairay avy. Efa be taona i Jakoba tamin’izay. Araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha dia nanaitra an-dry zareo, na mety hoe nahagaga an-dry zareo mihitsy ny tenin’i Jakoba tamin’i Robena, Simeona, Levy ary Joda. Inona indray re izao no hoteneniny amin’ny zanany valo ambiny e? Andao hojerentsika izay azo ianarana avy amin’ny tenin’i Jakoba tamin’i Zebolona, Isakara, Dana, Gada, Asera, Naftaly, Josefa, ary Benjamina.a
ZEBOLONA
2. Inona no tsodrano azon’i Zebolona, ary ahoana no nahatanterahan’ilay izy? (Genesisy 49:13) (Jereo koa ny efajoro.)
2 Vakio ny Genesisy 49:13. Nilaza i Jakoba hoe hipetraka eny amoron-tsiraka, any amin’ny faritra avaratry ny Tany Nampanantenaina, ny taranak’i Zebolona. Izany tokoa no nitranga. Nahazo ny anjara taniny teo anelanelan’ny Ranomasin’i Galilia sy ny Ranomasina Mediterane ny Zebolonita, 200 taona mahery tatỳ aoriana. Naminany i Mosesy hoe: “Mifalia, ry Zebolona, noho ny varotra ataonao any ivelany.” (Deot. 33:18) Te hilaza angamba izy hoe ho mora amin’ny Zebolonita ny hankeo amin’ireo ranomasina roa ireo mba hanao raharaham-barotra. Na ahoana na ahoana, dia nanana antony nifaliana ny taranak’i Zebolona.
3. Inona no hanampy antsika ho afa-po amin’izay ananantsika?
3 Inona no ianarantsika? Manana antony ifaliana foana isika na aiza na aiza ipetrahantsika, ary na hoatran’ny ahoana na hoatran’ny ahoana fiainantsika. Mila miezaka ny ho afa-po amin’izay ananantsika anefa isika raha te ho faly foana. (Sal. 16:6; 24:5) Mora mifantoka amin’izay tsy ananantsika isika indraindray, dia tsy hitantsika ny zavatra tsara efa ananantsika. Jereo àry hoe inona amin’ny zavatra efa anananao sy iainanao amin’izao no azonao ankafizina.—Gal. 6:4.
ISAKARA
4. Inona no tsodrano azon’i Isakara, ary ahoana no nahatanterahan’ilay izy? (Genesisy 49:14, 15) (Jereo koa ny efajoro.)
4 Vakio ny Genesisy 49:14, 15. Nidera an’i Isakara i Jakoba satria niasa mafy izy. Nampitoviny tamin’ny ampondra mafy taolana izy, izany hoe tamin’ny biby mahazaka enta-mavesatra. Nilaza koa i Jakoba hoe mahafinaritra ilay tany ho azon’i Isakara. Tanteraka tokoa ny teniny satria tany lonaka sy mahavokatra teo amoron’ny Reniranon’i Jordana no azon’ny taranak’i Isakara. (Jos. 19:22) Azo antoka hoe niasa mafy ry zareo mba hikarakarana ny taniny. Niasa mafy ho an’ny hafa koa anefa ry zareo. (1 Mpanj. 4:7, 17) Rehefa handeha hiady, ohatra, ny Israelita dia vonona ny fokon’i Isakara, hoatran’ny tamin’ny andron’i Baraka Mpitsara sy Debora mpaminanivavy.—Mpits. 5:15.
5. Nahoana isika no tokony hiasa mafy?
5 Inona no ianarantsika? Sarobidy tamin’i Jehovah ny asa mafy nataon’ny fokon’i Isakara, dia hoatr’izany koa no fahitany ny asa mafy ataontsika amin’ny fanompoana azy. (Mpito. 2:24) Eritrereto, ohatra, ireo rahalahy miasa mafy mikarakara ny fiangonana. (1 Tim. 3:1) Marina fa tsy ady ara-bakiteny no ataon’ireny rahalahy ireny, nefa tsy maintsy miasa mafy ry zareo mba hiarovana ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny loza ara-panahy. (1 Kor. 5:1, 5; Joda 17-23) Mikely aina koa ry zareo manomana sy manao lahateny mba hampaherezana ny fiangonana.—1 Tim. 5:17.
DANA
6. Inona no fanendrena azon’ny fokon’i Dana? (Genesisy 49:17, 18) (Jereo koa ny efajoro.)
6 Vakio ny Genesisy 49:17, 18. Nampitovin’i Jakoba tamin’ny bibilava i Dana. Niady tamin’ny soavaly sy ny mpitaingina azy, izay lehibe lavitra noho izy, ilay bibilava. Tsy natahoran’i Dana ny fahavalon’ny Israely. Ny fokon’i Dana no “vodilaharana mpiaro” ny Israelita nandritra an’ilay dian-dry zareo nankany amin’ny Tany Nampanantenaina. (Nom. 10:25) Marina hoe tsy ny Israelita rehetra no nahita ny zavatra nataon’ny Danita. Tena zava-dehibe anefa ilay andraikitr’izy ireo.
7. Inona no tokony hotadidintsika momba an’izay fanendrena azontsika?
7 Inona no ianarantsika? Nisy fotoana ve hoatran’ny hoe tsy voamariky ny olona ny asa nataonao? Nanadio sy nikojakoja Efitrano Fanjakana angamba ianao, na niasa an-tsitrapo teny amin’ny fivoriambe, na nanao zavatra hafa. Tena mendri-piderana ianao! Tadidio foana hoe voamarik’i Jehovah sady sarobidy aminy daholo izay ataonao ho azy. Vao mainka ankasitrahany ny fanompoanao rehefa tsy te hoderain’ny olona ianao fa te hampiseho hoe tena tia azy.—Mat. 6:1-4.
GADA
8. Nahoana i Gada no mora notafihina? (Genesisy 49:19) (Jereo koa ny efajoro.)
8 Vakio ny Genesisy 49:19. Naminany i Jakoba hoe hotafihin’ny mpandroba i Gada. Izany tokoa no nitranga, 200 taona mahery tatỳ aoriana. Mora notafihina ny fokon’i Gada satria nifanila tamin’ny tanin’ny fahavalo tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana ny lovany. Tian’ny Gadita anefa ilay toerana satria nisy kijana ho an’ny biby fiompin-dry zareo. (Nom. 32:1, 5) Hita hoe tena be herim-po ny Gadita. Natoky koa ry zareo hoe rehefa tonga ny mpandroba dia tsy maintsy hanampy an-dry zareo i Jehovah mba hiaro an’ilay tany nomeny an-dry zareo ho lovany. Rehefa haka ny anjara taniny teny andrefan’i Jordana koa aza ny foko hafa, dia nandefa miaramila mihitsy ny fokon’i Gada mba hanampy an-dry zareo nandritra ny taona maro. (Nom. 32:16-19) Nandritra an’izany fotoana rehetra izany dia natoky ny Gadita hoe i Jehovah no hiaro ny vady aman-janaky ry zareo. Be herim-po sy nahafoy tena ry zareo dia notahin’i Jehovah.—Jos. 22:1-4.
9. Inona no ho vokany amintsika raha matoky an’i Jehovah isika?
9 Inona no ianarantsika? Tsy maintsy matoky an’i Jehovah foana isika raha te hahavita hanompo azy rehefa miatrika olana. (Sal. 37:3) Betsaka amin’izao no mampiseho hoe matoky an’i Jehovah. Vonona hamoy zavatra ry zareo mba hahafahany mandray anjara amin’ny tetikasa fanorenana, na manitatra faritany, na manao fanompoana hafa. Manao an’izany ry zareo satria matoky hoe hokarakarain’i Jehovah foana.—Sal. 23:1.
ASERA
10. Inona no tokony ho nataon’i Asera? (Genesisy 49:20) (Jereo koa ny efajoro.)
10 Vakio ny Genesisy 49:20. Naminany i Jakoba hoe hanankarena ny fokon’i Asera, dia izay tokoa no nitranga. Anisan’ny namokatra indrindra tany Israely ny anjara tanin’i Asera. (Deot. 33:24) Teo amoron’ny Ranomasina Mediterane koa ny taniny, ary tao anatin’ny faritaniny ilay seranan-tsambo manankarena tao Sidona. Tsy noroahin’ny fokon’i Asera anefa ny Kananita tao amin’ilay tany. (Mpits. 1:31, 32) Nitaona an-dry zareo hanao ratsy ireo Kananita ireo, moa ry zareo koa nanankarena be. Izany angamba no nahatonga an’ilay foko tsy dia nazoto tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy namaly ny antso, ohatra, i Asera rehefa nitady olona hiady tamin’ny Kananita i Baraka Mpitsara. Tsy nahita an’ilay fahagagana “teo amoron’ny ranon’i Megido” àry ry zareo rehefa nandresy ny fahavalo teo i Baraka. (Mpits. 5:19-21) Tsy maintsy hoe nahamenatra an’i Asera ilay hiram-pandresen’i Baraka sy Debora. Nisy an’izao tao amin’ilay hira: “Nipetra-potsiny teo amoron-dranomasina i Asera.”—Mpits. 5:17.
11. Nahoana isika no tokony hahay handanjalanja amin’ny resaka harena?
11 Inona no ianarantsika? Ny tsara indrindra foana no tiantsika homena an’i Jehovah. Ahoana no hahavitana an’izany? Tsy tokony hitovy amin’ny an’ny olona eo amin’izao tontolo izao ny fiheverantsika ny harena sy ny hoe manana fiainana miadana. (Ohab. 18:11) Mila miezaka isika mba hahay handanjalanja amin’ny resaka vola. (Mpito. 7:12; Heb. 13:5) Tsy havelantsika hanakantsakana ny fanompoantsika an’Andriamanitra ny fikatsahana zavatra tsy tena ilaina. Miezaka kosa isika amin’izao mba hanome ny tsara indrindra amin’ny fotoanantsika sy ny herintsika ho an’i Jehovah. Fantatsika hoe amin’ny hoavy isika vao tena hanana fiainana miadana.—Sal. 4:8.
NAFTALY
12. Ahoana no mety ho nahatanterahan’ilay tsodrano ho an’i Naftaly? (Genesisy 49:21) (Jereo koa ny efajoro.)
12 Vakio ny Genesisy 49:21. Ny fomba firesak’i Jesosy nandritra ny fanompoany mihitsy angamba no mifanitsy amin’ilay hoe ‘teny mahafinaritra’ noresahin’i Jakoba. Nalaza hoe nahay nampianatra i Jesosy, ary tao Kapernaomy no “tanàna nipetrahany”, izany hoe tao amin’ny faritanin’i Naftaly. (Mat. 4:13; 9:1; Jaona 7:46) Naminany momba an’i Jesosy i Isaia rehefa nilaza hoe hahita “hazavana be” ny olona any amin’ny tanin’i Zebolona sy Naftaly. (Isaia 9:1, 2) Nampianatra ny olona i Jesosy ka izy “ilay tena hazavana, izay manazava ny karazan’olona rehetra.”—Jaona 1:9.
13. Ahoana no atao mba hampifaly an’i Jehovah izay lazaintsika?
13 Inona no ianarantsika? Zava-dehibe amin’i Jehovah izay lazaintsika sy ny fomba ilazantsika an’izany. Ahoana no hanaovantsika ‘teny mahafinaritra’ mampifaly an’i Jehovah? Milazà ny marina. (Sal. 15:1, 2) Ataovy mampahery koa izay lazainao, ka miezaha ho mailaka hanao teny fiderana fa tsy ho maika hanakiana na hitaraina. (Efes. 4:29) Ataovy tanjona koa ny hoe hahay hanombo-dresaka kokoa mba hahafahana mitory.
JOSEFA
14. Ahoana no nahatanterahan’ilay tsodrano ho an’i Josefa? (Genesisy 49:22, 26) (Jereo koa ny efajoro.)
14 Vakio ny Genesisy 49:22, 26. Reharehan’i Jakoba erỳ izao i Josefa, ilay “nosinganina tamin’ny rahalahiny.” Nantsoin’i Jakoba hoe “sampan’ny hazo mamoa” izy. I Jakoba ilay hazo ary sampana teo aminy i Josefa. I Josefa no lahimatoan’i Rahely, ilay vadin’i Jakoba tena tiany. Nasehon’i Jakoba hoe hahazo anjaran’olona roa i Josefa. Izany mihitsy ilay nafoin’i Robena, lahimatoan’i Jakoba tamin’i Lea. (Gen. 48:5, 6; 1 Tan. 5:1, 2) Tanteraka ilay faminaniana rehefa lasa foko roa i Efraima sy Manase zanak’i Josefa, ary samy nahazo ny anjara taniny.—Gen. 49:25; Jos. 14:4.
15. Ahoana no nataon’i Josefa rehefa niharan’ny tsy rariny izy?
15 Niresaka momba ny mpandefa zana-tsipìka koa i Jakoba. “Nitifitra” an’i Josefa ry zareo sady “nitana lolompo taminy.” (Gen. 49:23) Tsy iza izany fa ny rahalahin’i Josefa. Nisy fotoana ireo rahalahiny ireo nialona azy dia nanao ny tsy rariny taminy sy nampijaly azy imbetsaka. Tsy nankahala ny rahalahiny anefa i Josefa na hoe tezitra tamin’i Jehovah. “Mbola tao amin’ny toerany foana ny [tsipìkan’i Josefa], ary natanjaka sady mailamailaka foana ny tanany”, araka ny nolazain’i Jakoba. (Gen. 49:24) Niantehitra tamin’i Jehovah i Josefa tamin’ny fitsapana rehetra nahazo azy, dia namela ny heloky ny rahalahiny izy sady tsara fanahy tamin-dry zareo. (Gen. 47:11, 12) Navelany hanadio azy, izany hoe navelany hanatsara ny toetrany, ireny fitsapana ireny. (Sal. 105:17-19) Azon’i Jehovah nampiasaina tamin’ny fomba miavaka àry izy.
16. Ahoana no anahafantsika an’i Josefa rehefa miatrika fitsapana isika?
16 Inona no ianarantsika? Aza avela hampanalavitra anao amin’i Jehovah sy ny mpiara-manompo mihitsy ny fitsapana mahazo anao. Tadidio hoe mety havelan’i Jehovah hiatrika fitsapana isika mba hampiofanana antsika. (Heb. 12:7, f.a.p.) Izany fampiofanana izany no hanampy antsika hanana toetra tsara sy hanatsara ny toetrantsika, ohatra hoe mamindra fo sy mamela heloka. (Heb. 12:11) Hamaly soa ny fiaretantsika i Jehovah, hoatran’ny nataony tamin’i Josefa.
BENJAMINA
17. Ahoana no nahatanterahan’ilay tsodrano ho an’i Benjamina? (Genesisy 49:27) (Jereo koa ny efajoro.)
17 Vakio ny Genesisy 49:27. Naminany i Jakoba hoe tena hahay hiady hoatran’ny amboadia ny Benjaminita. (Mpits. 20:15, 16; 1 Tan. 12:2) Inona tokoa no nitranga ny “maraina”, izany hoe teo amin’ny fiandohan’ny fanjakan’Israely? Lasa mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely i Saoly, avy amin’ny fokon’i Benjamina. Hita hoe tsy nitsitsitsitsy mihitsy i Saoly rehefa niady tamin’ny Filistinina. (1 Sam. 9:15-17, 21) Inona indray no nitranga ny “hariva”? Namonjy ny Israelita mba tsy haringan’ny Fanjakana Persianina i Estera Vadi-mpanjaka sy Mordekay Praiminisitra, izay samy Benjaminita.—Est. 2:5-7; 8:3; 10:3.
18. Ahoana no ampisehoantsika hoe tsy mivadika amin’i Jehovah isika, hoatran’ny Benjaminita?
18 Inona no ianarantsika? Nirehareha erỳ izao ny Benjaminita rehefa lasa mpanjaka ny iray tamin-dry zareo, araka ilay tsodrano. Rehefa nomen’i Jehovah an’i Davida, avy amin’ny fokon’i Joda, anefa ny fanjakana dia nanohana azy ny Benjaminita. (2 Sam. 3:17-19) Tsy nivadika tamin’ny fokon’i Joda sy ny mpanjaka voahosotr’i Jehovah ny Benjaminita na dia nikomy aza ny foko hafa, taona maro tatỳ aoriana. (1 Mpanj. 11:31, 32; 12:19, 21) Andao koa isika tsy hivadika amin’i Jehovah dia hotohanantsika foana izay fidiny hitarika ny vahoakany.—1 Tes. 5:12.
19. Inona no soa raisintsika avy amin’ny faminanian’i Jakoba?
19 Mahasoa antsika ny faminanian’i Jakoba. Rehefa mandinika ny fomba nahatanterahan’ireny isika dia vao mainka matoky ny faminanian’i Jehovah ao amin’ny Teniny. Rehefa mandinika ny fomba nitahiana ny taranak’i Jakoba koa isika, dia hitantsika kokoa hoe ahoana no hampifaliana an’i Jehovah.
HIRA 128 Miareta Hatramin’ny Farany
a Rehefa nitso-drano an’i Robena, Simeona, Levy, ary Joda i Jakoba dia nataony arakara-jokiny izany. Tsy hoatr’izany kosa no nataony tamin’ny ambiny.