LAHATSORATRA FIANARANA 26
HIRA 123 Ekeo Foana ny Fahefan’i Jehovah
Ekeo hoe Voafetra ny Zavatra Fantatrao
“Tsy takatry ny saintsika ny momba an’ilay Mahery Indrindra.”—JOBA 37:23.
HEVITRA HODINIHINA
Rehefa misy zavatra tsy takatry ny saintsika dia ilaina ny manetry tena sy mifantoka amin’izay fantatsika ary matoky an’i Jehovah.
1. Inona no fahaizana nomen’i Jehovah antsika, ary nahoana?
REHEFA namorona antsika i Jehovah, dia nataony afaka misaina isika, mandray fahalalana, mahataka-javatra, ary mampiseho fahendrena. Nahoana isika no nataony hoatr’izany? Satria isika tiany ‘hahita ny fahalalana an’Andriamanitra’ sy hampiasa saina tsara rehefa manompo azy.—Ohab. 2:1-5; Rom. 12:1.
2. a) Inona no tokony ho takatsika momba ny tenantsika? (Joba 37:23, 24) (Jereo koa ny sary.) b) Inona no maha tsara an’ilay manaiky hoe voafetra ihany ny fantatsika?
2 Na dia afaka miana-javatra aza isika dia voafetra ihany ny fantatsika. (Vakio ny Joba 37:23, 24.) Eritrereto i Joba. Rehefa nametrahana fanontaniana nisesisesy izy dia hita hoe be dia be mihitsy ny zavatra tsy fantany. Nahatonga azy hanetry tena sy hanitsy ny fomba fisainany izany. (Joba 42:3-6) Mandray soa koa isika rehefa manetry tena ka miaiky hoe tsy ny zava-drehetra no fantatsika. Raha manetry tena hoatr’izany isika dia hatoky hoe hampahafantarin’i Jehovah antsika izay tena ilaintsika ho fantatra mba hahaizantsika manapa-kevitra.—Ohab. 2:6.
Nahasoa an’i Joba ny niaiky hoe nisy zavatra tsy fantany, ary mahasoa antsika koa ny miaiky hoatr’izany (Fehintsoratra 2)
3. Inona no hodinihintsika ato?
3 Hodinihintsika ato ny zavatra sasany tsy fantatsika sy ny olana mety hatrehintsika vokatr’izany. Hojerentsika koa ny maha tsara an’ilay hoe misy zavatra tsy fantatsika. Rehefa mandinika an’ireo isika dia vao mainka hatoky hoe mampahafantatra an’izay tena ilaintsika i Jehovah, ilay “fara tampony amin’ny fahalalana.”—Joba 37:16.
TSY FANTATSIKA HOE RAHOVIANA NO HO TONGA NY FARANY
4. Inona, ohatra, no tsy fantatsika, araka ny Matio 24:36?
4 Vakio ny Matio 24:36. Tsy fantatsika hoe rahoviana ny faran’izao tontolo izao. Na i Jesosy aza tsy nahalala ny “andro sy ora”, tamin’izy tetỳ an-tany.a Nilaza tamin’ny apostoliny izy, tatỳ aoriana, hoe i Jehovah no “manam-pahefana” hamaritra ny fotoana hitrangan’ny zavatra sasany. (Asa. 1:6, 7) Efa nofaritan’i Jehovah hoe rahoviana ny faran’izao tontolo izao. Isika kosa tsy afaka mamantatra hoe rahoviana marina izany no ho tonga.
5. Inona no mety ho vokany noho isika tsy mahalala ny fotoana hahatongavan’ny farany?
5 Raha jerena ny tenin’i Jesosy dia tsy fantatsika hoe mila miandry hafiriana isika vao ho tonga ny farany. Mety tsy hanam-paharetana na ho kivy àry isika, indrindra raha efa elaela no niandrasantsika ny andron’i Jehovah. Mety ho mafy amintsika koa ny hiaritra ny fanesoan’ny havana sy ny olon-kafa. (2 Pet. 3:3, 4) Mety hieritreritra isika hoe hanam-paharetana kokoa na hahazaka kokoa ny esoeson’ny olona raha fantatsika ny daty hahatongavan’ny farany.
6. Inona no maha tsara an’ilay hoe tsy haintsika ny fotoana hahatongavan’ny farany?
6 Inona no vokany rehefa tsy ampahafantarin’i Jehovah antsika ny daty hahatongavan’ny farany? Afaka mampiseho isika hoe manompo azy satria tia sy matoky azy. Isika akory tsy hoe nametraka daty ao an-tsaintsika, ka hoe lany daty amin’io fotoana io ny finoantsika. Aleo tsy mifantoka be amin’ny hoe rahoviana no ho tonga ny “andron’i Jehovah”, fa amin’ny hoe hanao ahoana ny fiainana aorian’izay. Hahafoy tena kokoa ho an’Andriamanitra foana isika amin’izay, sady hanao an’izay azontsika atao mba hampifaliana azy.—2 Pet. 3:11, 12.
7. Inona no fantatsika?
7 Tena ilaina ny mifantoka amin’izay fantatsika, dia ny hoe nanomboka tamin’ny 1914 ny andro farany. Misy faminaniana be dia be nomen’i Jehovah antsika ao amin’ny Baiboly, ary porofoin’ireny hoe tamin’io taona io no nanomboka ny andro farany. Resahin’ireny faminaniana ireny amin’ny an-tsipiriany koa hoe hanao ahoana ny fiainana aorian’izay. Resy lahatra àry isika hoe “akaiky ny andro lehiben’i Jehovah.” (Zef. 1:14) Fantatsika koa ny asa tian’i Jehovah hataontsika. Asainy mitory ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana” amin’ny olona betsaka araka izay azo atao isika. (Mat. 24:14) Torina any amin’ny tany 240 eo ho eo, amin’ny fiteny 1 000 mahery, io vaovao tsara io izao. Tsy voatery hahafantatra ny “andro sy ora” isika, izay vao hafana fo hanao an’io asa mamonjy aina io.
TSY HAINTSIKA NY FOMBA HANAMPIAN’I JEHOVAH ANTSIKA
8. Inona ilay hoe “asan’ilay tena Andriamanitra”? (Mpitoriteny 11:5)
8 Tsy ho fantatsika foana “ny asan’ilay tena Andriamanitra.” (Vakio ny Mpitoriteny 11:5.) Inona ilay hoe “asan’ilay tena Andriamanitra”? Izay zavatra rehetra ataon’i Jehovah mitranga na avelany hitranga mba hanatanterahana ny sitrapony. Rehefa misy zavatra mitranga, dia tsy ho fantatsika mihitsy ny antony mety ho nahatonga an’i Jehovah namela an’ilay izy, sy hoe ahoana marina no hanampiany antsika. (Sal. 37:5) Tsy takatry ny saintsika mihitsy izany, hoatran’ny mpahay siansa tsy mahatakatra amin’ny fomba feno hoe hoatran’ny ahoana ny fitombon’ny zaza ao an-kibon-dreniny.
9. Inona ny olana mety hatrehintsika rehefa tsy fantatsika ny fomba hanampian’i Jehovah antsika?
9 Mety hatahotra isika handray fanapahan-kevitra rehefa tsy fantatsika ny fomba hanampian’i Jehovah antsika. Mety hisalasala, ohatra, isika hoe: ‘Tena vonona hamoy zavatra sasany ve aho mba hampitomboako ny fanompoako, ohatra hoe hanatsotra fiainana, na hanitatra faritany?’ Mety hisalasala koa isika hoe ankasitrahan’Andriamanitra sa tsia. Mety hoe tsy tratrantsika mantsy ny tanjona noeritreretintsika, na niasa mafy tamin’ny fanompoana isika nefa tsy misy vokany miharihary ilay izy, na mandray anjara amin’ny tetikasan’ny fandaminana isika nefa mahita hoe be dia be ny sakantsakana amin’ilay izy.
10. Inona ny toetra lehibe lasa ananantsika rehefa tsy fantatsika hoe ahoana no hanampian’i Jehovah antsika?
10 Rehefa tsy fantatsika ny fomba hanampian’i Jehovah antsika dia manampy antsika izany mba hanana toetra tena ilaina, ohatra hoe manetry tena. Lasa miaiky isika hoe ambony lavitra noho ny antsika ny fihevitr’i Jehovah sy ny fanaovany zavatra. (Isaia 55:8, 9) Mianatra mitoky kokoa amin’i Jehovah koa isika rehefa manao zavatra ka manantena hoe izy no hampahomby an’izany. Rehefa mahita vokatra tsara àry isika eny amin’ny fanompoana, na amin’ny tetikasan’ny fandaminana, dia i Jehovah no deraintsika. (Sal. 127:1; 1 Kor. 3:7) Raha tsy araka ny ieritreretantsika azy ny zava-misy dia tadidio hoe mahita ny zava-drehetra i Jehovah. (Isaia 26:12) Ataontsika fotsiny ny anjarantsika dia matoky isika hoe hanao ny anjarany koa i Jehovah. Azontsika antoka hoe hanome ny toromarika ilaintsika izy, na dia tsy amin’ny fomba mahagaga hoatran’ny nataony taloha aza.—Asa. 16:6-10.
11. Inona ny zavatra fantatsika ka hanampy antsika?
11 Saintsaino ny zavatra fantatsika. Fantatsika hoe be fitiavana sy manao ny rariny ary manam-pahendrena foana i Jehovah. Fantatsika koa hoe sarobidy be aminy izay ataontsika ho azy sy ho an’ny mpiara-manompo. Haintsika hoe valiany soa foana izay tsy mivadika aminy.—Heb. 11:6.
TSY HAINTSIKA IZAY HAVOAKAN’NY AMPITSO
12. Inona ny zavatra tsy azontsika antoka, araka ny Jakoba 4:13, 14?
12 Vakio ny Jakoba 4:13, 14. Ny zava-misy dia hoe tsy haintsika mihitsy hoe hanao ahoana ny fiainantsika rahampitso. “Mety ho tratran’ny sampona ... amin’ny fotoana tsy ampoizina” mantsy isika amin’izao fiainana izao. (Mpito. 9:11) Tsy haintsika mihitsy àry hoe hahomby ve izay noeritreretintsika hatao, na hoe mbola ho eo ve isika mba hamita an’ilay izy hatramin’ny farany.
13. Inona no mety ho vokany rehefa tsy azo antoka ny fiainana?
13 Mety ho sarotra be ny hiatrika ny fiainana satria tsy haintsika mihitsy izay havoakan’ny ampitso. Ahoana izany? Mety hampahatahotra antsika izay hitranga dia tsy faly intsony isika. Mety halahelo be isika na hitebiteby, rehefa miova be tampoka ny fiainantsika na misy zavatra mafy be manjo antsika. Diso fanantenana sy kivy be koa isika rehefa tsy tanteraka ny zavatra nantenaintsika.—Ohab. 13:12.
14. Inona no mahasambatra antsika? (Jereo koa ny sary.)
14 Rehefa miaritra isika dia afaka manaporofo hoe na inona na inona mitranga dia noho ny fitiavana no anompoantsika an’ilay Raintsika any an-danitra fa tsy noho ny fitiavan-tena. Asehon’ny tantara ao amin’ny Baiboly hoe tsy tokony hanantena isika fa hiaro antsika amin’ny loza rehetra i Jehovah. Tsy mandahatra ny fiainantsika koa izy. Fantany hoe rehefa mitady ny tari-dalany sy mankatò azy ihany isika vao ho sambatra, fa tsy hoe rehefa mahafantatra ny hoavintsika. (Jer. 10:23) Raha miantehitra aminy isika rehefa hanapa-kevitra dia hoatran’ny miteny hoe: “Raha sitrapon’i Jehovah ka velona izahay, dia hanao an’izao na izao.”—Jak. 4:15.
Azo antoka hoe ho voaro isika raha mitady ny tari-dalan’i Jehovah sy mankatò azy (Fehintsoratra 14-15)b
15. Inona no fantatsika momba ny hoavy?
15 Na dia tsy fantatsika aza izay hitranga amin’ny andro tsirairay dia fantatsika hoe efa nampanantena fiainana mandrakizay i Jehovah, na any an-danitra izany na eto an-tany. Fantatsika hoe tsy mahay mandainga izy, ary tsy misy mahasakana azy tsy hanatanteraka ny fikasany mihitsy. (Tit. 1:2) Izy irery no mahavita ‘milaza ny zavatra hitranga amin’ny farany, ary efa nolazainy hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao.’ Tanteraka tokoa izay efa nolazainy hoe hitranga, ary mbola ho tanteraka izay nolazainy hoe hitranga amin’ny hoavy. (Isaia 46:10) Azontsika antoka hoe tsy misy hahasakana an’i Jehovah tsy ho tia antsika mihitsy. (Rom. 8:35-39) Omeny antsika ny fahendrena sy ny fampiononana ary ny hery ilaintsika mba hiaretana, na inona na inona mitranga. Afaka matoky isika hoe hanampy sy hitahy antsika i Jehovah.—Jer. 17:7, 8.
TSY TAKATSIKA AMIN’NY FOMBA FENO NY ZAVATRA FANTATR’I JEHOVAH MOMBA ANTSIKA
16. Inona no fantatr’i Jehovah ka tsy ho azontsika amin’ny fomba feno mihitsy, araka ny Salamo 139:1-6?
16 Vakio ny Salamo 139:1-6. Fantatr’ilay Mpamorona antsika daholo ny mombamomba antsika. Hainy hoe inona no namolavola antsika ka mahatonga antsika ho hoatr’izao, na ara-batana na ara-pihetseham-po na ara-tsaina. Mahaliana azy foana ny momba antsika. Fantany izay lazaintsika sy izay tiantsika hotenenina. Fantany koa izay ataontsika sy ny antony anaovantsika an’ilay izy. Mandinika antsika foana i Jehovah dia vonona hikarakara antsika, na aiza na aiza misy antsika, araka ny tenin’i Davida Mpanjaka. Eritrereto ange e! Ilay Tompo Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao, sady Mahery Indrindra namorona ny lanitra sy ny tany, no miahy be anao hoatr’izany! Hoy i Davida: “Tsy takatry ny saiko izany fahalalanao izany. Avo loatra izany ka tsy takatro.”—Sal. 139:6.
17. Nahoana no mety ho sarotra amintsika ny hanaiky hoe mahafantatra antsika tsara i Jehovah?
17 Mety ho sarotra amin’ny olona sasany ny hihevitra an’i Jehovah ho Ray be fitiavana tena miahy azy. Ny fomba nitaizana azy angamba no nahatonga an’izany, na ny kolontsainy, na ny zavatra ninoany taloha. Mety hieritreritra koa izy hoe ratsy loatra ny zavatra vitany taloha dia tsy te hahalala azy i Jehovah, ary hoatran’ny hoe lavitra azy. Na i Davida aza nisy fotoana nieritreritra hoatr’izany. (Sal. 38:18, 21) Mafy be amin’ny olona sasany koa ny manova ny fomba fiainany mba hifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah. Mety ho lasa saina ny olona hoatr’izany hoe: ‘Raha tena mahafantatra ahy tsara Andriamanitra, dia nahoana aho no asainy miova nefa efa fantany hoe mafy be amiko izany?’
18. Inona no maha tsara an’ilay manaiky hoe mahafantatra antsika kokoa noho ny tenantsika i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)
18 Mila mianatra manaiky isika hoe mahafantatra antsika kokoa noho ny tenantsika i Jehovah ary hitany ny zavatra tsara ao amintsika na dia tsy hitantsika akory aza izany. Tiany isika na dia manao fahadisoana aza, ary fantany hoe nahoana isika no mahatsapa na manao zavatra sasany. (Rom. 7:15) Inona no vokany rehefa azontsika tsara hoe hitan’i Jehovah ny zavatra tsara mety ho vitantsika? Vao mainka isika hatoky hoe ho vitantsika ny hanompo an’i Jehovah sy tsy hivadika aminy, sady ho faly foana eo am-panaovana an’izany.
Ampian’i Jehovah hino kokoa an’ilay fampanantenany fiainana tsara be ao amin’ny tontolo vaovao isika mba ho vitantsika ny hiatrika an’izao fiainana tsy azo antoka izao (Fehintsoratra 18-19)c
19. Inona no azontsika antoka momba an’i Jehovah?
19 Fantatsika hoe fitiavana i Jehovah. Tsy misy isalasalana mihitsy ny amin’izany. (1 Jaona 4:8) Fantatsika hoe tia antsika izy rehefa jerena ny fitsipika ara-drariny omeny, ary izay hahasoa antsika foana no tadiaviny. Fantatsika koa hoe tiany hahazo fiainana mandrakizay isika. Efa nanome ny vidim-panavotana izy mba hahazoantsika an’izany. Manome toky antsika ny vidim-panavotana hoe hahavita hanompo tsara an’i Jehovah isika na dia tsy lavorary aza. (Rom. 7:24, 25) Fantatsika koa hoe “lehibe noho ny fontsika ... Andriamanitra sady mahalala ny zava-drehetra.” (1 Jaona 3:19, 20) Fantatr’i Jehovah daholo ny mombamomba antsika, ary matoky izy hoe ho vitantsika ny hanao ny sitrapony.
20. Inona no hanampy antsika tsy hiasa saina tsy amin’antony?
20 Tsy misy fanazavana tena ilaintsika ka hoe tsy nampahafantarin’i Jehovah antsika. Rehefa manetry tena isika ka manaiky an’izany, dia tsy hiasa saina tsy amin’antony momba ny zavatra tsy miankina amintsika, fa hifantoka amin’izay tena zava-dehibe. Raha manao an’izany isika, dia asehontsika hoe i Jehovah, “Ilay fara tampony amin’ny fahalalana”, no itokisantsika tanteraka. (Joba 36:4) Marina hoe voafetra ny zavatra fantatsika amin’izao, nefa efa tsy andrintsika ny hampianarin’Andriamanitra zava-baovao sy hiana-javatra momba azy foana, mandrakizay!—Mpito. 3:11.
HIRA 104 Fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina
a I Jesosy no hitarika an’ilay ady handravana ny tontolon’i Satana. Azo antoka àry fa efa fantany izao ny datin’ny Aramagedona sy ny hoe rahoviana izy no “hamita ny fandreseny.”—Apok. 6:2; 19:11-16.
b FANAZAVANA SARY: Mpianaka manomana kitapo vonjy aina, amin’izay izy mianakavy vonona rehefa misy loza tampoka.
c FANAZAVANA SARY: Rahalahy miatrika olana dia misaintsaina hoe hahafinaritra be ny fiainany ao amin’ny tontolo vaovao.