TANTARAM-PIAINANA
“An’i Jehovah ny Ady”
TANY Strasbourg, any Frantsa, aho tamin’ny 28 Janoary 2010. Tsara tarehy io tanàna io, nefa tsy nieritreritra ny hitsidika azy io mihitsy aho. Mpahay lalàna maromaro izahay no nasaina nankany mba hiaro ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah teo anatrehan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH). Nitaky hetra ambony be tamin’ireo rahalahintsika mantsy ny fanjakana frantsay, ary efa ho 64 tapitrisa euros ilay izy (Ar 417 410 tapitrisa). Niadian-kevitra àry raha ara-dalàna izany. Ny hiaro ny lazan’i Jehovah sy ny vahoakany anefa no tena zava-dehibe, sy ny hoe afaka manompo azy an-kalalahana ny mpiara-manompo any. Hita tamin’izay nitranga tao amin’ilay fitsarana hoe “an’i Jehovah ny ady.” (1 Sam. 17:47) Aleo fa hohazavaiko.
Taloha kelin’ny taona 2000 no nanomboka ilay olana. Nitaky hetra tsy ara-drariny tamin’ny fanomezana azon’ny sampan’i Frantsa teo anelanelan’ny 1993 sy 1996 ny fanjakana frantsay. Nampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny fitsarana maromaro tany Frantsa isika, fa tsy nahazo rariny. Rehefa resy teny amin’ny fitsarana ambony isika, dia nalain’ny fanjakana an-keriny ny volan’ny sampana tany amin’ny banky. Maherin’ny 4,5 tapitrisa euros ilay izy (Ar 29 547 tapitrisa). Ny CEDH no fara fanantenantsika. Talohan’ny nihainoana an’ilay raharaha anefa, dia nasain’ny CEDH nihaona tamin’ny solontenany izahay sy ny mpisolovavan’ny fanjakana frantsay mba hitady marimaritra iraisana.
Efa nampoipoizinay tamin’izay hoe hoteren’ny solontenan’ilay fitsarana handoa ampahany amin’ilay vola notakin’ny fanjakana frantsay izahay. Fantatray tsara anefa hoe handika ny torolalan’ny Baiboly izahay raha vao manome na dia iray euro aza. Tsy an’ny fanjakana mantsy ireny vola ireny fa nomen’ny mpiara-manompo mba hanohanana ny asantsika. (Mat. 22:21) Nanatrika an’ilay fivoriana ihany anefa izahay mba hanajana ny fangatahan’ilay fitsarana.
Izaho sy ny mpisolovava niaraka tamiko, teo anoloan’ny CEDH, 2010
Tao amin’ny efitra iray nahafinaritra be no natao ilay fihaonana. Tsy dia tsara fanombohana ilay fivoriana. Nilaza ilay solontenan’ny fitsarana fa tokony ho nandoa ampahany tamin’ilay hetra mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tampotampoka teo anefa izahay dia nanontany azy hoe: “Mba fantatrao moa ry madama fa efa naka maherin’ny 4,5 tapitrisa euros tao amin’ny kaontinay ange ny fanjakana e?”
Taitra be izy! Rehefa nohamafisin’ny mpisolovavan’ny fanjakana fa tena nisy an’izany tokoa, dia niova be mihitsy ny fahitan’ilay madama an’ilay raharaha. Nobedesiny ry zareo dia tonga dia nofaranany ilay fivoriana. Tsy nampoizinay mihitsy, tamin’izay, hoe hataon’i Jehovah mitsimbadika ny rasa. Faly erỳ izahay sady gaga rehefa niala tao amin’ilay toeram-pivoriana.
Nanome rariny antsika ny mpitsara rehetra tao amin’ny CEDH, tamin’ny 30 Jona 2011. Nolazain-dry zareo fa tsy ara-dalàna ilay hoe nitakiana hetra isika, ary nasainy namerina ny vola nalainy ny fanjakana frantsay, niaraka tamin’ny zanabola. Mbola miaro ny fivavahana marina any Frantsa hatramin’izao iny didy miavaka iny. Hoatran’ilay vato nilentika teo amin’ny handrin’i Goliata ilay fanontaniana tampotampoka napetrakay. Nanova zavatra be ilay izy. Nandresy izahay satria “an’i Jehovah ny ady”, araka ilay tenin’i Davida tamin’i Goliata.—1 Sam. 17:45-47.
Tsy naningana iny fandresena iny. Marina hoe nanohitra antsika ny fanjakana matanjaka sy ny fivavahana. Fandresena 1 225 anefa no azontsika hatreto, teny amin’ny fitsarana tampony tany amin’ny tany 70 sy tany amin’ny fitsarana iraisam-pirenena maromaro. Miaro ny zo fototra ananantsika ireny fandresena ireny, anisan’izany ireto: Ho fivavahana ara-dalàna, hitory, tsy handray anjara amin’ny fombafomba manindrahindra tanindrazana, ary tsy hanaiky fampidiran-dra.
Fa maninona aho no nasaina nikarakara raharaha ara-pitsarana tany Eoropa, nefa izaho manompo eto amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Etazonia?
NAMOLAVOLA AHY NY TOE-TSAIN’NY MISIONERA
George sy Lucille no anaran’ny ray aman-dreniko, ary nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-12 tamin’ny sekolin’i Gileada ry zareo. Nanompo tany Etiopia izy mivady tamin’ny 1956, tamin’izaho teraka. Nataony hoe Philip ny anarako, hoatran’ny an’ilay mpitory ny vaovao tsara tamin’ny taonjato voalohany. (Asa. 21:8) Noraran’ny fanjakana ny asantsika tany, herintaona taorian’izay. Mbola kely aho tamin’izay nefa tadidiko tsara hoe niafina izahay mianakavy rehefa nivory sy nitory. Hoatran’ny hoe nahafinaritra ny fahitako an’ilay izy satria izaho mbola zaza! Nampalahelo fa noteren’ny fanjakana hiala tany izahay, tamin’ny 1960.
Nathan Knorr (farany havia) nitsidika ny fianakavianay tany Addis-Abeba, Etiopia, 1959
Nifindra tany Kansas, eto Etazonia, izahay nefa mbola nanana ny toe-tsain’ny misionera foana i Dada sy Neny. Nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo ry zareo, dia nampiany ho hoatr’izany koa izaho sy Judy zokiko vavy, ary Leslie zandriko lahy, izay samy teraka tany Etiopia. Natao batisa aho tamin’izaho 13 taona. Nanitatra tany Arequipa any Peroa izahay rehetra, telo taona taorian’izay.
Vao 18 taona aho tamin’ny 1974, rehefa notendren’ny sampan’i Peroa ho mpisava lalana manokana niaraka tamin’ny rahalahy efatra. Nasaina nanokatra faritany tany amin’ny Tendrombohitra Andes izahay. Anisan’ny nitorianay ireo tompon-tany niteny quechua sy aymara. Tranofiara no nentinay nivezivezy, ary nantsoinay hoe Sambofiara ilay izy satria hoatran’ny boaty be ny paoziny. Tiako ny misaintsaina an’ilay izahay nampiasa Baiboly mba hampisehoana amin’ny olona hoe kely sisa i Jehovah dia hanafoana ny fahantrana sy ny aretina ary ny fahafatesana. (Apok. 21:3, 4) Maro no nanaiky ny fahamarinana tamin’izany.
Ilay “Sambofiara”, 1974
VOATENDRY TANY AMIN’NY FOIBE
Nitsidika an’i Peroa ny Rahalahy Albert Schroeder, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1977. Nasainy nameno fangatahana hanompo tany amin’ny foibe aho, dia nameno tokoa! Nanomboka nanompo tao amin’ny Betelan’i Brooklyn aho, tsy ela taorian’izay, tamin’ny 17 Jona 1977. Tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanadiovana sy Fikojakojana no nisy ahy nandritra ny efa-taona nanaraka.
Tamin’ny mariazinay, 1979
Nihaona tamin’i Elizabeth Avallone aho tamin’ny Jona 1978, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Nouvelle-Orléans, any Louisiane. Nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo koa ny ray aman-dreniny. Efa mpisava lalana maharitra nandritra ny efa-taona i Elizabeth tamin’izay, ary mbola te hanompo manontolo andro foana. Nifandray tsy tapaka izahay ary tsy ela dia nifankatia be. Nivady izahay tamin’ny 20 Oktobra 1979, dia niara-nanompo tao amin’ny Betela.
Tena tia anay ireo rahalahy sy anabavy tao amin’ny Fiangonana Brooklyn Espaniola, ilay fiangonana voalohany nivorianay. Efa fiangonana telo no nivorianay taorian’izay, dia nandray tsara anay foana ny mpiara-manompo sady nampirisika anay hijanona eto amin’ny Betela. Nankasitrahanay ny fanampian-dry zareo sy ny an’ireo tapaka sy namana, tamin’izahay nikarakara ray aman-dreny be taona.
Betelita nivory tao amin’ny Fiangonana Brooklyn Espaniola, 1986
VOATENDRY HO AO AMIN’NY SAMPAN-DRAHARAHA MOMBA NY LALÀNA
Tsy nampoiziko fa voatendry ho ao amin’ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna eto amin’ny Betela aho, tamin’ny Janoary 1982. Nasaina hianatra lalàna aho, telo taona taorian’izay mba ho lasa mpisolovava. Gaga be aho tany am-pianarana rehefa nahafantatra hoe hay ny fandresena azon’ny Vavolombelon’i Jehovah teny amin’ny fitsarana no mahatonga ny olona ho afaka hanao zavatra sasany an-kalalahana, na eto Etazonia izany na any an-tany hafa. Noresahina be tao am-pianarana ireny raharaha ara-pitsarana miavaka ireny.
Voatendry ho mpiandraikitra ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna aho tamin’ny 1986, tamin’izaho 30 taona. Faly sahirana aho satria izaho mbola tanora. Haiko koa mantsy hoe sarotra ilay andraikitra nefa tsy tena takatro hoe inona no niandry ahy.
Lasa mpisolovava aho tamin’ny 1988. Tsy tonga saina mihitsy anefa aho hoe nisy vokany ratsy teo amin’ny ara-panahiko ny fianarana nataoko. Mahatonga ny olona ho te hanandran-tena sy hihevi-tena ho ambony noho ny hafa ny fianarana ambony. Soa fa teo i Elizabeth nanampy ahy hamerina tamin’ny laoniny ny fahazarana ara-panahy nananako talohan’izaho nianatra lalàna! Vitako ihany izany na dia elaela aza. Sahiko ny milaza fa tsy ilay hoe mahay be no zava-dehibe indrindra. Ny tena sarobidy dia ny hoe mifandray akaiky amin’i Jehovah sady tena tia azy sy ny vahoakany.
NIARO NY VAOVAO TSARA TENY AMIN’NY FITSARANA
Rehefa vita ny fianarako lalàna, dia lasa afaka nifantoka tamin’ny andraikitro tato amin’ny Betela aho sady afaka niaro ny fandaminan’i Jehovah teny amin’ny fitsarana. Mahafinaritra ny asako nefa tsy mora koa satria mandroso haingana be ny fandaminana sady betsaka ny fiovana. Tsy nitakiana sarany intsony, ohatra, ny boky sy gazetintsika nanomboka tamin’ny 1990, dia ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna no nasaina nanampy mba hahafahana manao an’io fanovana io. Nanatsotra ny asantsika tao amin’ny Betela sy teny amin’ny saha ilay fiovana, sady niaro antsika tamin’ny olana mifandray amin’ny hetra. Nisy nieritreritra hoe ho vitsy ny olona hahafantatra an’i Jehovah satria hihena ny vola azontsika. Vao mainka anefa nitombo avo roa heny ny olona nanompo an’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1990. Tsy voatery handoa vola koa ny olona amin’izao vao mahazo sakafo ara-panahy mamonjy aina. Hitako hoe raha tsy teo ny hery avy amin’i Jehovah sy ny tari-dalana nomeny tamin’ny alalan’ny mpanompo mendri-pitokisana, dia tsy ho nahomby iny fanovana iny sy ny fanovana hafa.—Eks. 15:2; Mat. 24:45.
Tsy ilay hoe nanana mpisolovava mahay fotsiny no nahatonga antsika handresy teny amin’ny fitsarana. Nisy vokany tamin’ny manam-pahefana koa matetika ny fitondran-tena tsaran’ny vahoakan’i Jehovah. Hoatr’izany izao tamin’ny 1998, rehefa nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana tany Cuba niaraka tamin’ny vadiny ny rahalahy telo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Tsara fanahy sy nanaja ry zareo dia resy lahatra ny manam-pahefana hoe diso ny fiheverany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy lanjany kokoa izany ny fitondran-tena, raha oharina tamin’izay nolazaintsika teo anatrehan’ny manam-pahefana.
Indraindray anefa tsy maintsy ‘miaro ny vaovao tsara sy miezaka hahazo zo ara-dalàna hitory an’izany’ isika. (Fil. 1:7) Efa nandritra ny taona maro, ohatra, ny manam-pahefana tany Eoropa sy Korea Atsimo no tsy namela antsika tsy hanao raharaha miaramila. Betsaka àry ny rahalahy nigadra satria tsy nety nanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nisy 18 000 teo ho eo izany tany Eoropa, ary 19 000 mahery tany Korea Atsimo.
Nisy didy navoakan’ny CEDH tamin’ny 7 Jolay 2011, tamin’ilay raharaha Bayatyan miady amin’i Armenia. Nandidy ny firenena rehetra any Eoropa izy io mba hamela ny olona hanao fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila. Namoaka didy nitovitovy tamin’io ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any Korea Atsimo, tamin’ny 28 Jona 2018. Tsy ho nahazo an’izany fandresena izany mihitsy anefa isika raha nisy nanaiky lembenana ny tanorantsika.
Miasa mafy ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna eto amin’ny foibe sy any amin’ny sampana eran-tany mba hiarovana ny zontsika. Voninahitra ho anay ny misolo tena an’ireo mpiara-manompo enjehin’ny fanjakana. Efa mitory amin’ny governora sy ny mpanjaka ary ireo firenena isika rehefa miakatra fitsarana, na mandresy na tsia. (Mat. 10:18) Izao mantsy: Tsy maintsy mandinika ny andinin-teny ampidirintsika ao amin’ny antontan-taratasintsika sy lazaintsika eny amin’ny fitsarana ny mpitsara, ny solontenam-panjakana, ny fampahalalam-baovao, ary ny sarambabem-bahoaka. Lasa fantatry ny olona tso-po àry hoe iza ny Vavolombelon’i Jehovah ary avy aiza ny zavatra inoany. Miara-manompo amintsika ny sasany amin’izy ireny amin’izao.
MISAOTRA JEHOVAH!
Tombontsoa be ny niara-niasa tamin’ny biraon’ny sampana maneran-tany, nandritra an’izay 40 taona izay. Tombontsoa koa ilay hoe imbetsaka ianao no nankeny amin’ny fitsarana ambony sy nihaona tamin’ny manam-pahefana ambony be dia be. Tiako sy mahafinaritra ahy ny mpiara-miasa amiko ato amin’ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna eto amin’ny foibe sy ireo any amin’ny sampana eran-tany. Tena nahafa-po ahy ny fiainako sady betsaka ny fitahiana azoko.
Be fitiavana sy tsy nivadika ary nanohana ahy foana i Elizabeth nandritra an’izay 45 taona izay, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra. Mankasitraka azy aho satria manao an’izany foana izy na dia kely hery aza noho ny aretina mahazo azy.
Izahay mihitsy no nahita hoe tsy ny fahaizantsika no mahatonga antsika hahazo hery sy handresy. Nilaza mantsy i Davida hoe: “I Jehovah no herin’ny vahoakany.” (Sal. 28:8) “An’i Jehovah [tokoa] ny ady”!