LAHATSORATRA FIANARANA 30
HIRA 97 Ny Teninao no Ivelomanay
Mbola Mahasoa Anao ve Ireo Fampianarana Fototra?
“Vonona hampahatsiahy anareo foana an’izany zavatra izany [aho], na dia efa fantatrareo aza izany ary na dia efa miorina tsara amin’ny fahamarinana ... aza ianareo.”—2 PET. 1:12.
HEVITRA HODINIHINA
Ahoana no ampiharantsika an’ireo lesona sarobidy avy amin’ireo fampianarana fototra, na dia efa ela be aza isika no nianatra azy ireny?
1. Inona no vokany taminao rehefa lasa nahalala ny fahamarinana ianao?
NANOVA ny fiainantsika ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly. Rehefa haintsika, ohatra, hoe i Jehovah no anaran’Andriamanitra, dia isika mihitsy no niezaka ho lasa namany. (Isaia 42:8) Rehefa haintsika koa hoe manao ahoana ny olona rehefa maty, dia tsy miasa saina intsony isika hoe mijaly ve ny olona akaiky antsika nodimandry. (Mpito. 9:10) Tsy manahy momba ny hoavy intsony koa isika, satria efa nianarantsika ilay fampanantenana hoe ho paradisa ny tany. Matoky isika hoe hiaina mandrakizay, fa tsy hoe 70 na 80 taona fotsiny.—Sal. 37:29; 90:10.
2. Nahoana no hoe mbola mahasoa ny Kristianina matotra ny fampianarana fototra? (2 Petera 1:12, 13)
2 Tsy tokony hohamaivanintsika mihitsy ireo fampianarana fototra. Mariho fa nosoratan’ny apostoly Petera ho an’ny Kristianina “efa miorina tsara amin’ny fahamarinana” ny taratasiny faharoa. (Vakio ny 2 Petera 1:12, 13.) Natahorana anefa ny ara-panahin-dry zareo satria nisy mpampianatra sandoka sy olona tsy matahotra an’Andriamanitra tao amin’ny fiangonana. (2 Pet. 2:1-3) Te hampahery ny rahalahy sy anabaviny i Petera, mba hahavitan-dry zareo hiaro tena amin’izany. Ahoana no nataony? Nampahatsiahiviny ny fampianarana sasany efa hain-dry zareo. Hanampy an-dry zareo tsy hivadika hatramin’ny farany ireny fampianarana ireny.
3. Mbola tokony hisaintsaina ny fampianarana fototra ny Kristianina rehetra. Hazavao amin’ny ohatra.
3 Mety mbola hahita lesona vaovao avy amin’ny fampianarana fototra isika, na dia efa Kristianina matotra aza. Ity misy ohatra: Mitovy ihany ny fangaro ampiasain’ny mpahandro matihanina sy ny mpahandro vao mianatra, rehefa mikarakara sakafo iray. Rehefa mandeha anefa ny fotoana, dia lasa mahita fomba vaovao sy tsara kokoa hikarakarana an’ilay fangaro ilay mpahandro matihanina. Hoatr’izany koa fa mety tsy hitovy ny lesona hitan’ny mpanompon’i Jehovah efa ela sy ny mpianatra Baiboly vaovao, rehefa mianatra fahamarinana fototra. Azo inoana hoe niovaova ny fiainantsika na ny tombontsoam-panompoana ananantsika taorian’ny batisa. Mety hahita lesona vaovao isika, rehefa ampiharintsika amin’ny zavatra iainantsika amin’izao ireny fampianarana nianarantsika efa ela ireny. Andao isika izao hijery izay azon’ny Kristianina matotra ianarana avy amin’ny fampianarana fototra telo ao amin’ny Baiboly.
I JEHOVAH NO MPAMORONA
4. Inona no vokany tamintsika rehefa fantatsika hoe i Jehovah no Mpamorona?
4 ‘Andriamanitra [no] nanao ny zava-drehetra.’ (Heb. 3:4) Fantatsika hoe misy Mpamorona faran’izay hendry sy tena mahery nanao an’ity tany ity sy ny zavamananaina eo aminy. Izy no nanao antsika dia fantany tsara ny mombamomba antsika. Tsy izay ihany fa mikarakara antsika izy, ary hainy hoe inona no tsara indrindra ho antsika. Nisy vokany be tamintsika ny nahalala hoe i Jehovah no Mpamorona, ary lasa nampisy dikany ny fiainantsika izany fahamarinana tsotra izany.
5. Inona no ianarantsika avy amin’ilay fahamarinana hoe i Jehovah no Mpamorona? (Isaia 45:9-12)
5 Mampianatra antsika hanetry tena ilay fahamarinana hoe i Jehovah no Mpamorona. I Joba izao rehefa nifantoka be loatra tamin’ny tenany sy tamin’ny hafa, dia nampahatsiahy azy i Jehovah hoe Izy no Mpamorona mahery indrindra. (Joba 38:1-4) Nanampy an’i Joba izany mba hahatakatra hoe tsara kokoa noho ny an’ny olombelona ny lalan’Andriamanitra. Nanamafy an’izany i Isaia mpaminany tatỳ aoriana, rehefa nanoratra hoe: “Ny tanimanga ve dia hilaza amin’ny Mpanefy hoe: ‘Fa inona koa ity amboarinao?’”—Vakio ny Isaia 45:9-12.
6. Rahoviana isika no mila misaintsaina hoe ambony i Jehovah, ilay Mpamorona antsika? (Jereo koa ny sary.)
6 Raha efa ela nanompoana an’i Jehovah ny Kristianina iray, dia mety hanomboka hiantehitra be loatra amin’ny heviny izy fa tsy hiantehitra amin’i Jehovah sy ny tari-dalana ao amin’ny Teniny. (Joba 37:23, 24) Inona anefa no ho vokany, raha misaintsaina lalina ny hery sy ny fahendrena miavaka ananan’ilay Mpamorona izy? (Isaia 40:22; 55:8, 9) Hanampy azy hanetry tena foana izany fahamarinana fototra izany, sady hanampy azy hahita hoe ny hevitr’i Jehovah no zava-dehibe kokoa noho ny heviny.
Inona no hanampy antsika hitadidy foana hoe ny hevitr’i Jehovah no tsara kokoa noho ny antsika? (Fehintsoratra 6)d
7. Inona no nanampy an’i Rahela hanaiky fanovana?
7 Diniho ny tantaran’i Rahela, anabavy any Slovenia. Nanampy azy hanaiky ny fanovana nataon’ny fandaminana ny nisaintsaina momba ny Mpamorona. Hoy izy: “Tsy mora tamiko indraindray ny nanaiky ny fanapahan-kevitr’ireo mitarika. Na dia efa avy nijery an’ilay Vaovao Farany avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana (2023) #8 aza aho, dia mbola hafahafa tamiko ihany tamin’ny voalohany ny nahita ranadahy nisy volombava nanao lahateny. Nangataka tamin’i Jehovah àry aho mba hampiany hanaiky an’io fanovana io.” Niaiky i Rahela hoe i Jehovah no Mpamorona ny lanitra sy ny tany, dia tsy maintsy hoe tonga lafatra ny fomba itarihany ny fandaminana. Ahoana raha sarotra aminao ny manaiky fanovana na tari-dalana vaovao? Miezaha hanetry tena, dia saintsaino ny fahendrena sy ny hery lehibe ananan’ilay Mpamorona antsika.—Rom. 11:33-36.
NY ANTONY AMELAN’ANDRIAMANITRA NY FIJALIANA HISY
8. Inona no vokany tamintsika rehefa fantatsika ny antony mahatonga an’Andriamanitra hamela ny fijaliana hisy?
8 Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana? Misy olona tsy mahalala ny valin’izany, dia lasa tezitra amin’Andriamanitra na mieritreritra hoe tsy misy izy. (Ohab. 19:3) Tsy hoatr’izany anefa ianao. Nianaranao hoe tsy i Jehovah no mahatonga antsika hijaly, fa noho isika nandova ota sy tsy lavorary. Nianaranao koa hoe manam-paharetana i Jehovah, dia olona an-tapitrisany no lasa afaka mahafantatra azy sy mahalala hoe ahoana no hamaranany ny fijaliana. (2 Pet. 3:9, 15) Nanome toky anao ireny fahamarinana ireny, sady nahatonga anao ho akaiky kokoa an’i Jehovah.
9. Rehefa inona isika no mila mitadidy ny antony amelan’i Jehovah ny fijaliana hisy?
9 Haintsika hoe mila manam-paharetana isika, mandra-pahatongan’ny fotoana hamaranan’i Jehovah ny fijaliana. Ahoana raha iharan’ny tsy rariny na nidonam-pahoriana isika, na ny olona akaiky antsika? Mety hieritreritra isika hoe maninona i Jehovah no tsy tonga dia manao zavatra. (Hab. 1:2, 3) Hendry anefa isika amin’izay, raha misaintsaina hoe nahoana no avelan’i Jehovah hijaly ny olo-marina.a (Sal. 34:19) Azontsika saintsainina koa ilay fikasany hoe hamarana tanteraka ny fijaliana izy.
10. Inona no nanampy an’i Anne rehefa maty ny mamany?
10 Afaka manampy antsika hiaritra ny mahafantatra hoe nahoana no misy ny fijaliana. Izao no noresahin’i Anne, avy any Mayotte, nosy iray any amin’ny Oseana Indianina: “Maty mamanay taona vitsivitsy lasa izay, dia malahelo be aho. Nosaintsainiko foana anefa ilay hoe tsy i Jehovah no mahatonga ny fijaliana. Efa tsy andriny aza ny hanafoana ny karazana fijaliana rehetra sy ny hanangana ny olona tiantsika efa maty. Lasa milamin-tsaina aho rehefa misaintsaina an’ireny fahamarinana ireny. Mahagaga mihitsy.”
11. Manampy antsika hitory foana ny mahafantatra hoe nahoana no avelan’i Jehovah hisy ny fijaliana. Hazavao.
11 Lasa te hitory foana isika rehefa fantatsika hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana. Nohazavain’i Petera hoe manam-paharetana i Jehovah, satria tiany hovonjena ny olona mibebaka. Nanoratra izy avy eo hoe: “Diniho hoe olona tokony hanao ahoana ianareo! Tokony hanana fitondran-tena masina sy hahafoy tena ho an’Andriamanitra ianareo.” (2 Pet. 3:11) ‘Mahafoy tena ho an’Andriamanitra’, ohatra, isika rehefa mitory. Tia olona isika, hoatran’ilay Raintsika. Tiantsika hiaina ao amin’ilay tontolo vaovao anjakan’ny fahamarinana ry zareo. Omen’i Jehovah fahafahana hanompo azy ny olona ao amin’ny faritanintsika, satria manam-paharetana izy. Tombontsoa be ilay hoe miara-miasa amin’Andriamanitra sy manampy olona faran’izay betsaka hahafantatra azy, alohan’ny hahatongavan’ny farany.—1 Kor. 3:9.
“ANDRO FARANY” IZAO
12. Inona no vokany tamintsika rehefa fantatsika hoe “andro farany” izao?
12 Marina ny resahin’ny Baiboly momba ny toetran’ny olona amin’ny “andro farany.” (2 Tim. 3:1-5) Jereo fotsiny ny manodidina anao, dia ho hitanao hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Rehefa hitantsika hoe miharatsy ny toetran’ny olona, dia vao mainka isika resy lahatra mihoatra noho ny hatramin’izay hoe azo itokisana ny Tenin’Andriamanitra.—2 Tim. 3:13-15.
13. Inona no azontsika saintsainina, rehefa jerena ilay fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Lioka 12:15-21?
13 Rehefa fantatsika hoe andro farany izao, dia lasa mifantoka amin’izay zava-dehibe kokoa isika. Tena ilaina ny manao an’izany, rehefa jerena ilay fanoharana nataon’i Jesosy ao amin’ny Lioka 12:15-21. (Vakio.) Maninona no nantsoina hoe “tsy misaina” ilay lehilahy mpanankarena? Tsy hoe ilay izy mpanankarena akory, fa satria tsy nifantoka tamin’izay zava-dehibe izy. Nanangona ‘harena ho an’ny tenany izy, nefa tsy mba nanan-karena teo imason’Andriamanitra.’ Nahoana no nampidi-doza izany? Nilaza taminy Andriamanitra hoe: “Hisy hamono ianao anio alina.” Efa kely koa sisa dia ho rava izao tontolo izao. Saintsaino àry hoe: ‘Inona no zava-dehibe kokoa amiko rehefa jerena ny tanjoko? Inona no tanjona ampirisihiko mba hotratrarin’ny zanako? Ampiasaiko hanangonana harena ho an’ny tenako ve ny heriko sy ny fotoanako ary ny volako, sa ampiasaiko hanangonana harena any an-danitra?’
14. Nahoana no hendry isika raha misaintsaina ny porofo hoe andro farany izao, araka ny tantaran’i Miki?
14 Lasa haintsika ny fomba tsara indrindra ampiasana ny fiainantsika, rehefa saintsainintsika ny porofo hoe andro farany izao. Hoatr’izany no nitranga tamin’ny anabavy atao hoe Miki. Hoy izy: “Rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lise, dia tena te hianatra sy handalina momba ny biby aho. Izaho koa anefa te hanao mpisava lalana sady te hanitatra. Nampisaintsaina ahy ny namako matotra hoe ho vitako ve ny sady hianatra eny amin’ny oniversite no hanatratra ny tanjoko ara-panahy. Nampahatsiahy ahy ry zareo hoe kely sisa dia ho rava izao tontolo izao. Izaho koa, hono, ho afaka handalina foana momba an’izay biby rehetra tiako hianarana any amin’ny tontolo vaovao. Naleoko àry nanao fianarana tsy dia nandany fotoana be. Nanampy ahy hahita asa nahafahako nanao mpisava lalana ilay izy. Nanitatra tany Ekoatera aho tatỳ aoriana.” Manao ny asan’ny faritra any izao i Miki sy ny vadiny.
15. Nahoana isika no tsy tokony ho kivy raha mbola tsy liana amin’ny vaovao tsara ny olona? Manomeza ohatra. (Jereo koa ny sary.)
15 Tsy tokony ho kivy isika raha tsy tonga dia manaiky ny vaovao tsara ny olona. Afaka miova mantsy ry zareo. Hoatr’izany i Jakoba, rahalahin’i Jesosy. Hitany i Jesosy nihalehibe, dia avy eo lasa Mesia. Hitany koa hoe tsy nisy olombelona nahay nampianatra hoatran’i Jesosy. Tsy nanara-dia an’i Jesosy anefa izy nandritra ny taona maro. Rehefa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy vao lasa mpianany i Jakoba, ary nafana fo be izy.b (Jaona 7:5; Gal. 2:9) Ahoana àry raha mbola tsy liana ny havantsika, na nisy olona tsy nety nihaino ny hafatra notorintsika? Zava-dehibe ny hoe tsy kivy mihitsy isika fa mitory amin-dry zareo foana. Tadidio hoe andro farany izao, dia maika ny asa fitoriana. Izay zavatra teneninao an-dry zareo amin’izao, dia mety hahatonga azy hanao zavatra any aoriana any, na dia efa manomboka aza ny fahoriana lehibe.c
Inona no mandrisika antsika hitory foana amin’ny havantsika tsy Vavolombelona? (Fehintsoratra 15)e
ANKASITRAHO FOANA NY FAMPAHATSIAHIVAN’I JEHOVAH
16. Inona ny soa azonao avy amin’ny fampahatsiahivan’i Jehovah? (Jereo koa ilay hoe “Ampiasao Izy Ireny mba Hanampiana ny Hafa.”)
16 Natao ho an’ny olona mbola tsy naheno ny fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly ny sakafo ara-panahy sasany azontsika. Natao ho an’ny olona tsy Vavolombelona, ohatra, ny lahateny ho an’ny besinimaro, ny lahatsoratra sy ny video sasany ao amin’ny jw.org, ary ny gazety ho an’ny besinimaro. Mandray soa avy amin’ireny fampahatsiahivana ireny foana anefa isika. Lasa tia kokoa an’i Jehovah isika, mino kokoa ny Teniny, ary mahay mampianatra kokoa an’ireo fahamarinana fototra.—Sal. 19:7.
17. Rehefa inona avy ianao no mila misaintsaina ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly?
17 Mientanentana be isika Vavolombelon’i Jehovah, rehefa mahazo fanazavana vaovao mifandray amin’ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina. Mbola tena ankasitrahantsika anefa ny fampianarana fototra nianarantsika voalohany. Ahoana, ohatra, raha mitady hiziriziry amin’ny hevitrao ianao fa tsy manaiky ny tari-dalan’ny fandaminan’i Jehovah? Mila manetry tena ianao sady mitadidy hoe ilay Mpamorona mahery sy hendry indrindra no mitarika ny fandaminana. Ary ahoana indray raha miatrika olana ianao na ny olona akaiky anao? Mila manam-paharetana ianao dia misaintsaina hoe maninona no avelan’i Jehovah hisy ny fijaliana. Rehefa hanapa-kevitra ny amin’izay hampiasanao ny fotoananao sy ny fanananao koa ianao, dia tadidio hoe inona no zava-dehibe amin’izao andro farany izao. Enga anie ka hampahery antsika sy handrisika antsika hanao zavatra ary hanampy antsika ho hendry foana ny fampahatsiahivan’i Jehovah.
HIRA 95 Mihamazava ny Lalantsika
a Jereo ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2007, pejy 21-25, ilay lahatsoratra hoe “Inona no Porofo fa Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra?”
c Jereo ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Mey 2024, pejy 8-13, ilay lahatsoratra hoe “Inona no Fantatsika Momba ny Didim-pitsaran’i Jehovah Amin’ny Hoavy?”
d FANAZAVANA SARY: Tsy eken’ny anti-panahy rehetra ny soso-kevitry ny anti-panahy iray. Mandinika ny lanitra feno kintana ilay anti-panahy avy eo, dia tonga saina hoe ny hevitr’i Jehovah no zava-dehibe kokoa noho ny azy.
e FANAZAVANA SARY: Mianatra samirery ny anabavy iray, dia mandinika ny porofo hoe andro farany izao. Izany no nandrisika azy hiantso ny rahavaviny sy hitory aminy.