LAHATSORATRA FIANARANA 31
HIRA 111 Maro ny Antony Mahafaly Antsika
“Efa Nianatra ny Hianina” ve Ianao?
“Efa nianatra ny hianina amin’izay zava-misy eo ... aho.”—FIL. 4:11.
HEVITRA HODINIHINA
Mianatra ny hianina ny olona iray raha miezaka hahay hankasitraka, mifantoka amin’izay zava-dehibe sy manetry tena, ary misaintsaina ny fanantenany.
1. Inona no atao hoe mahay mianina, ary tsy midika ho inona izany?
MAHAY mianina ve ianao? Faly sy milamin-tsaina ny olona mahay mianina satria mifantoka amin’ny fitahiana efa azony. Tsy tezitra izy satria hoe misy zavatra tsy ananany. Tsy hoe tsy te hiezaka intsony koa anefa no atao hoe mahay mianina. Ara-dalàna, ohatra, ny Kristianina iray raha miezaka mafy mba hampitombo ny fanompoany. (Rom. 12:1; 1 Tim. 3:1) Tsy malahelo anefa izy raha mbola tsy azony foana ilay tombontsoam-panompoana iriny.
2. Nahoana no tena ratsy ilay hoe tsy mahay mianina?
2 Mety ho ratsy be ny vokany raha tsy mahay mianina ny olona iray. Mety hifofotra hiasa izy mba hahafahany mividy zavatra tsy tena ilainy akory. Mampalahelo fa nisy Kristianina aza nangalatra vola mihitsy, na zavatra hafa niriny. Mety ho nieritreritra ry zareo hoe ‘zoko ny mahazo an’ity’, na ‘izaho aza efa ela be no niandry’, na hoe ‘haveriko ihany iny vola iny any aoriana any.’ Tsy mampifaly an’i Jehovah sady manala-baraka azy anefa ny karazana halatra rehetra. (Ohab. 30:9) Misy indray kivy be satria tsy nahazo tombontsoam-panompoana dia tsy nanompo an’i Jehovah intsony. (Gal. 6:9) Olona nanokan-tena ho an’i Jehovah ve dia hanao an’izany? Fa inona no olana? Angamba ry zareo tsy nahay nianina intsony.
3. Inona no toky ananantsika avy amin’ny Filipianina 4:11, 12?
3 Afaka ny hahay hianina isika rehetra. Hoy ny apostoly Paoly: “Efa nianatra ny hianina amin’izay zava-misy eo ... aho.” (Vakio ny Filipianina 4:11, 12.) Nigadra izy tamin’ny nanoratra an’ireo teny ireo. Falifaly foana anefa izy satria efa “nianatra” ny hianina. Ahoana raha sarotra aminao ilay hoe mahay mianina? Manome toky anao ny tenin’i Paoly sy ny zavatra niainany hoe ho vitanao izany. Tsy tokony hanantena anefa isika hoe hahay hianina ho azy eo. Tsy maintsy ianarana ilay izy. Amin’ny fomba ahoana? Andao isika handinika toetra hanampy antsika hahay hianina.
MIEZAHA HAHAY HANKASITRAKA
4. Nahoana no hahay hianina isika raha mahay mankasitraka? (1 Tesalonianina 5:18)
4 Hahay hianina ianao raha tia mankasitraka. (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:18.) Rehefa faly, ohatra, ianao satria manana an’izay tena ilainao eo amin’ny fiainana, dia azo inoana hoe tsy hiasa saina be amin’ny zavatra tianao ho azo nefa tsy anananao. Raha mankasitraka ny tombontsoam-panompoana efa anananao indray ianao, dia izay hamitana tsara ny fanendrena anao no hifantohanao fa tsy ny hoe hahazo andraikitra vaovao. Izany no anisan’ny mahatonga ny Soratra Masina hampirisika antsika hisaotra an’i Jehovah rehefa mivavaka. Raha mahay mankasitraka isika dia ho tsapantsika ilay “fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona.”—Fil. 4:6, 7.
5. Inona avy no tokony ho nankasitrahan’ny Israelita? (Jereo koa ny sary.)
5 Diniho izay nitranga tamin’ny Israelita. Imbetsaka ry zareo no nimenomenona tamin’i Jehovah hoe tsy mba nihinana ny sakafo nohaniny tany Ejipta. (Nom. 11:4-6) Marina aloha hoe mafy ny fiainan-dry zareo tany an-tany efitra e! Inona anefa no mety ho nanampy an-dry zareo hahay hianina? Tokony ho nisaintsaina sy nankasitraka an’izay rehetra efa nataon’i Jehovah ho azy ry zareo. Nandefa loza folo tany Ejipta, ohatra, i Jehovah tamin’ny Israelita andevo sy nampijalijalin’ny Ejipsianina. Rehefa nafahana indray ry zareo, dia ‘nataony fongana’ ny volafotsy sy ny volamena ary ny akanjon’ny Ejipsianina. (Eks. 12:35, 36) Rehefa nenjehin’ny Ejipsianina hatreo amin’ny Ranomasina Mena koa ny Israelita, dia nanao fahagagana i Jehovah ka nampisaraka an’ilay rano. Ankoatra izay, dia nanome mana an’ilay vahoaka i Jehovah isan’andro, tamin-dry zareo namakivaky ny tany efitra. Dia inona izany no olana? Tsy nahay nianina ny Israelita. Tsy hoe tsy nanan-kohanina akory ry zareo fa tsy nahay nankasitraka an’izay efa nananany.
Nahoana ny Israelita no lasa tsy nahay nianina? (Fehintsoratra 5)
6. Inona avy no hanampy antsika hahay hankasitraka?
6 Inona àry no hanampy anao hahay hankasitraka? Voalohany, makà fotoana isan’andro hisaintsainana ny zavatra tsara anananao. Azonao soratana mihitsy aza ny zavatra roa na telo tianao hisaorana an’i Jehovah. (Fitom. 3:22, 23) Faharoa, isaory izay olona nanao zavatra ho anao, ary aza hadino mihitsy ny misaotra an’i Jehovah isan’andro. (Sal. 75:1) Fahatelo, olona mahay mankasitraka atao namana. Mora mifindra mantsy ny fahaizana mankasitraka, dia hoatr’izany koa ny tsy fahaizana mianina. (Deot. 1:26-28; 2 Tim. 3:1, 2, 5) Rehefa tia mankasitraka ianao, dia azo inoana hoe tsy ho sosotra be raha miatrika olana na misy zavatra tsy anananao.
7. Inona no nanampy an’i Aci hahay hankasitraka, ary inona no vokany?
7 Diniho izay nitranga tamin’i Aci, anabavy any Indonezia. Hoy izy: “Nanomboka nampitaha ny fiainako tamin’ny an’ny mpiara-manompo aho nandritra ny COVID-19, dia lasa tsy afa-po tamin’izay nananako.” (Gal. 6:4) Inona no nanampy azy hanova ny toe-tsainy? Izao no nolazainy: “Nosaintsainiko daholo izay fitahiana azoko isan’andro sy ny zavatra tsara be dia be azoko noho izaho anisan’ny fandaminana. Nisaotra an’i Jehovah aho avy eo. Lasa tena mahay mianina aho izao.” Ahoana raha tsy faly amin’ny zavatra iainanao ianao? Afaka manao hoatran’i Aci koa ve ianao mba hahay hankasitraka indray?
MIFANTOHA AMIN’IZAY ZAVA-DEHIBE ARY MIEZAHA HANETRY TENA FOANA
8. Inona no zavatra tsy nety nataon’i Baroka?
8 Eritrereto i Baroka, mpitan-tsoratr’i Jeremia mpaminany. Nisy fotoana izy tsy afa-po tamin’izay nananany. Tsy mora ny asa nanendrena azy satria nasaina nanampy an’i Jeremia izy, mba hampita hafatra mafonja tamin’ny firenena iray tsy nahay nankasitraka. Tsy nifantoka intsony tamin’izay tian’i Jehovah hataony i Baroka tamin’izay, fa lasa nieritreritra loatra momba ny tenany sy izay tiany hatao. Izao no nolazain’i Jehovah tamin’i Baroka, tamin’ny alalan’i Jeremia: “Ianao ... mitady zavatra lehibe ho anao. Aza mitady an’izany intsony.” (Jer. 45:3-5) Hoatran’ny niteny tamin’i Baroka i Jehovah hoe: “Mahaiza mianina amin’izay anananao.” Nanaiky hahitsy izy dia mbola nankasitrahan’i Jehovah foana.
9. Inona no lasa ekentsika rehefa manetry tena isika, araka ny 1 Korintianina 4:6, 7? (Jereo koa ny sary.)
9 Misy Kristianina indraindray mieritreritra hoe mendrika ny hahazo tombontsoam-panompoana izy. Mahay be angamba izy, na miasa mafy, na be traikefa, na izy rehetra ireo. Olon-kafa mihitsy anefa no mahazo an’ilay tombontsoam-panompoana tiany. Inona no hanampy azy tsy ho tezitra amin’izay? Azony saintsainina ilay tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 4:6, 7. (Vakio.) Avy amin’i Jehovah ny tombontsoa sy ny fahaizana rehetra ananantsika. Tsy hoe tambin’ny zavatra nataontsika izy ireny na hoe mendrika ny hahazo an’izany isika. Porofon’ny hatsaram-panahy miavaka nasehon’i Jehovah tamintsika ireny rehetra ireny.—Rom. 12:3, 6; Efes. 2:8, 9.
Porofon’ny hatsaram-panahy miavaka avy amin’i Jehovah daholo izay fahaizana na tombontsoa ananantsika (Fehintsoratra 9)b
10. Inona no hanampy antsika hanetry tena?
10 Hahay hanetry tena isika raha misaintsaina tsara ny ohatr’i Jesosy. Diniho izay nitranga tamin’ilay alina nanasany ny tongotry ny apostoliny. Izao no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Fantatr’i Jesosy ... fa [1] efa nomen’ny Ray ho eo an-tanany ny zava-drehetra, sady [2] avy tany amin’Andriamanitra izy ka [3] hankany amin’Andriamanitra. ... Dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra izy.” (Jaona 13:3-5) Afaka nieritreritra i Jesosy hoe ny mpianany no tokony hanasa ny tongony ary mendrika an’izany izy. Tsy nieritreritra mihitsy anefa izy, tamin’izy tetỳ an-tany, hoe mendrika ny hanan-karena sy hanana fiainana mampiadana. (Lioka 9:58) Nanetry tena i Jesosy sady nahay nianina. Tena ohatra tsara ho antsika izy!—Jaona 13:15.
11. Nahoana no nanampy an’i Dennis hahay hianina ny fanetren-tena?
11 Niezaka ny hanetry tena hoatran’i Jesosy i Dennis, rahalahy avy any Holandy. Tsy mora taminy anefa izany. Hoy izy: “Indraindray aho lasa manambony tena sy tsy afa-po amin’izay ananako, ohatra hoe rehefa misy olon-kafa mahazo tombontsoam-panompoana. Mianatra momba ny fanetren-tena aho rehefa mitranga izany. Marihiko ao amin’ny JW Library® ny andinin-teny miresaka momba ny fanetren-tena, amin’izay mora amiko ny mahita sy mamerina mamaky azy ireny. Nisy lahateny vitsivitsy momba ny fanetren-tena koa nalaiko tao amin’ny telefaoniko dia nohenoiko matetika.a Hitako hoe na inona na inona ataontsika, dia i Jehovah no tokony homena voninahitra fa tsy isika. Avelan’i Jehovah handray anjara kely amin’ny fanatanterahana ny sitrapony isika tsirairay.” Raha manomboka tsy afa-po amin’izay anananao àry ianao, dia miezaha hanetry tena kokoa. Hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah ianao amin’izay sady hahay hianina.—Jak. 4:6, 8.
SAINTSAINO NY FANANTENANAO
12. Inona no fanantenana hanampy antsika hahay hianina? (Isaia 65:21-25)
12 Hahay hianina kokoa isika raha misaintsaina ny zavatra tsara antenaintsika. Hita amin’ny tenin’i Jehovah nosoratan’i Isaia mpaminany hoe mafy ny fiainantsika amin’izao. Manome toky anefa izy hoe hesoriny ireny olana ireny. (Vakio ny Isaia 65:21-25.) Hipetraka amin’ny trano tsara tarehy sy tsy mampidi-doza isika. Hanana asa mahafa-po koa isika ary hihinana sakafo mahasalama sady matsiro. Tsy hanahy intsony isika hoe sao dia hisy loza hanjo antsika na ny zanatsika. (Isaia 32:17, 18; Ezek. 34:25) Hahafinaritra be ny fiainana amin’ny hoavy, ary azo antoka hoe ho tanteraka izany.
13. Rehefa inona isika no tena mila mifantoka amin’ny fanantenantsika?
13 Amin’izao mihitsy isika no tena mila mifantoka amin’ny fanantenantsika. Miaina amin’ny “andro farany” mantsy isika, dia manana olana “tsy mora atrehina” daholo. (2 Tim. 3:1) Ampian’i Jehovah hiaritra isika isan’andro, ka omeny tari-dalana sy hery ary izay fanampiana ilaintsika. (Sal. 145:14) Manampy antsika hiaritra ny mafy koa ny fanantenantsika. Sarotra aminao ve, ohatra, ny mamelona ny fianakavianao? Midika ve izany hoe hiady mafy foana ianao vao hahita hohanina? Tsy izany mihitsy! Mampanantena mantsy i Jehovah fa hanome an’izay ilainao izy ao amin’ny Paradisa, ary mihoatra lavitra noho izany aza. (Sal. 9:18; 72:12-14) Ary ahoana indray raha manana aretina mitaiza ianao, na kivy be, na marary mafy? Tsy maintsy hoe hizaka an’izany foana ve ianao fa tsy hahita mangirana mihitsy? Tsy izany ka! Hofoanana tanteraka mantsy ny aretina sy ny fahafatesana ao amin’ny tontolo vaovao. (Apok. 21:3, 4) Izany fanantenana izany no hanampy antsika hianina dieny izao, fa tsy hoe ho tezitra. Hahay hianina koa isika rehefa iharan’ny tsy rariny, nidonam-pahoriana, marary, na miatrika olana hafa. Nahoana? Satria na mafy hoatran’ny inona aza ny olana atrehintsika dia fantatsika hoe ‘vetivety [ihany] ny fahoriana iaretantsika’, ary tsy ho ela isika dia tsy hijaly intsony ao amin’ny tontolo vaovao.—2 Kor. 4:17, 18.
14. Inona no azontsika atao mba ho velombelona foana ny fanantenantsika?
14 Hitantsika teo hoe tena manampy antsika hahay hianina ny fanantenana. Inona àry no azontsika atao mba ho velombelona foana izy io? Mila mandrehitra jiro, ohatra, ny olona iray ao anaty efitra maizina raha tiany ho hita tsara ny zava-drehetra. Misy zavatra mila ataontsika koa angamba mba ho velombelona ilay fanantenantsika Paradisa. Rehefa miady saina be momba ny vola ianao, dia saintsaino hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa tsy ilaina intsony ny vola sady tsy hisy intsony ny trosa sy ny tsy fitovian-tsaranga. Raha sahiran-tsaina indray ianao satria misy tombontsoam-panompoana mbola tsy azonao, dia saintsaino hoe tsy hisy dikany ireny rehefa lasa lavorary ianao ary efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny an’arivony taona. (1 Tim. 6:19) Mety ho sarotra, amin’ny voalohany, ilay hoe tsy hanahy be momba ny fiainantsika amin’izao fa hisaintsaina momba ny hoavy. Raha mifantoka foana amin’izany anefa ianao, dia handeha ho azy aminao izany rehefa mandeha ny fotoana.
15. Inona no ianaranao avy amin’ny tenin’i Christa?
15 Ny fanantenana no nanampy an’i Christa, vadin’i Dennis, ilay voaresaka terỳ aloha. Hoy izy: “Mihamalemy aho noho ny aretina mahazo ahy, dia tsy maintsy mampiasa seza misy kodiarana. Eo am-pandriana foana aho matetika, ary manaintaina be isan’andro. Vao haingana ny dokotera no nilaza tamiko hoe tsy antenaina ho sitrana intsony, hono, aho. Tonga dia izao anefa no tao an-tsaiko: ‘Tsy mitovy mihitsy ny fahitanay ny hoavy.’ Mifantoka amin’ilay fanantenako aho dia izay no mahatonga ahy hilamin-tsaina. Tsy maintsy miaritra aho aloha izao, fa hankafy fiainana kosa ao amin’ny tontolo vaovao!”
“TSY ORY NA INONA NA INONA IZAY MATAHOTRA AZY”
16. Nahoana i Davida Mpanjaka no afaka niteny hoe “tsy ory na inona na inona” izay matahotra an’i Jehovah?
16 Na dia mahay mianina aza ny mpanompon’i Jehovah dia mbola miatrika olana ihany. Hoatr’izany i Davida Mpanjaka. Nisy telo, ohatra, fara fahakeliny ny zanany maty. Nendrikendrehina koa izy, nisy namitaka, ary natao haza lambo nandritra ny taona maro. Na dia niaritra ny mafy aza izy dia mbola niteny hoatr’izao ihany momba an’i Jehovah: “Tsy ory na inona na inona izay matahotra azy.” (Sal. 34:9, 10) Nahoana izy no afaka niteny an’izany? Satria natoky izy hoe hanome an’izay tena ilainy foana i Jehovah, na dia hoe tsy hisosa be foana aza ny fiainana rehefa manompo azy. (Sal. 145:16) Afaka matoky koa isika hoe hampian’i Jehovah hiatrika ny fitsapana rehetra. Hanampy antsika hahay hianina izany.
17. Nahoana ianao no te hiezaka hahay hianina?
17 Tian’i Jehovah hahay hianina ianao. (Sal. 131:1, 2) Miezaha mafy àry hianatra an’izany. Raha manao an’izay azonao atao ianao mba hahay hankasitraka, hifantoka amin’izay zava-dehibe sy hanetry tena, ary hisaintsaina ny fanantenanao, dia ho afaka hiteny ianao hoe: ‘Efa nianatra ny hianina aho.’—Fil. 4:11.
HIRA 118 “Ampitomboy ny Finoanay”
a Jereo ao amin’ny jw.org, ohatra, ireto lahateny tamin’ny Fotoam-pivavahana Maraina ireto: Karakarain’i Jehovah ny Olona Manetry Tena sy ilay hoe Ny Fireharehana Mialoha ny Fahalavoana.
b FANAZAVANA SARY: Rahalahy manao asa fikojakojana ao amin’ny trano iray ampiasain’ny fandaminana, anabavy nianatra tenin’ny tanana dia adinadinina eny amin’ny fivoriambe, ary rahalahy manao lahateny.