FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w25 Aogositra p. 2-7
  • Manampy Antsika Hiaritra i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manampy Antsika Hiaritra i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY VAVAKA
  • NY TENIN’ANDRIAMANITRA
  • NY MPIARA-MANOMPO
  • NY FANANTENANTSIKA
  • Tadidio hoe “Andriamanitra Velona” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Ekeo hoe Voafetra ny Zavatra Fantatrao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Taratasy Manampy Antsika Hiaritra Hatramin’ny Farany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • “Manasitrana An’ireo Torotoro Fo” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
w25 Aogositra p. 2-7

LAHATSORATRA FIANARANA 32

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao

Manampy Antsika Hiaritra i Jehovah

“Ilay Andriamanitry ny hatsaram-panahy miavaka rehetra [no] hanampy anareo ho mafy orina ..., sady hanatanjaka anareo, ary hataony mifototra tsara ianareo.”​—1 PET. 5:10.

HEVITRA HODINIHINA

Inona avy no nomen’i Jehovah mba hanampiana antsika hiaritra? Ahoana no ampiasantsika an’ireo fanomezana avy amin’i Jehovah ireo?

1. Nahoana isika no mila miaritra, ary iza no manampy antsika? (1 Petera 5:10)

MILA miaritra ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro farany sy sarotra izao. Misy manana aretina mitaiza. Ny hafa maty havana. Misy koa enjehin’ny fianakaviany na enjehin’ny manam-pahefana. (Mat. 10:18, 36, 37) Matokia hoe afaka manampy anao hiaritra i Jehovah na inona na inona olana atrehinao.​—Vakio ny 1 Petera 5:10.

2. Iza no mahavita manampy ny Kristianina hiaritra?

2 Miaritra ny olona iray raha mahavita mikiry foana sady tsy manary toky na eo aza ny zava-tsarotra, ny fanenjehana, ny fitsapana ary ny fakam-panahy. Tsy vitan’ny Kristianina amin’ny heriny samirery ny miaritra. I Jehovah ihany no mahavita manampy azy hiaritra, satria izy no manome ny “hery mihoatra noho ny an’ny olombelona.” (2 Kor. 4:7) Hodinihintsika ato ny zavatra efatra omen’i Jehovah antsika mba hanampiany antsika hiaritra. Ho hitantsika koa hoe inona no azontsika atao mba hampiasana an’ireo fanomezany ireo.

NY VAVAKA

3. Nahoana no mahagaga ny vavaka?

3 Nanao zavatra mahagaga i Jehovah mba hanampiana antsika hiaritra. Nataony afaka miresaka aminy isika na dia mpanota aza. (Heb. 4:16) Eritrereto ange e! Afaka mivavaka amin’i Jehovah foana isika na amin’ny firy na amin’ny firy, na momba ny inona na momba ny inona. Azony foana izay tiantsika holazaina na amin’ny fiteny inona na amin’ny fiteny inona, ary na aiza na aiza no hiresahantsika aminy, na any amin’ny toerana mitokana aza isika na migadra. (Jona 2:1, 2; Asa. 16:25, 26) Raha miady saina be isika ka tsy hitantsika izay holazaina dia mbola azon’i Jehovah foana izay tiantsika hambara. (Rom. 8:26, 27) Tena fahagagana ny vavaka!

4. Nahoana no mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah ny hoe mivavaka mba hahavita hiaritra?

4 Manome toky antsika i Jehovah, ao amin’ny Teniny, hoe “na inona na inona angatahintsika aminy ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.” (1 Jaona 5:14) Azo atao ve izany ny mangataka an’i Jehovah hanampy antsika hiaritra? Eny! Mifanaraka amin’ny sitrapony izany. Rehefa miaritra fitsapana mantsy isika dia manome fahafahana an’i Jehovah hamaly an’i Satana Devoly, ilay mpanaratsy azy. (Ohab. 27:11) Milaza koa ny Baiboly hoe tena “te hampiasa ny heriny [i Jehovah] mba hanampiana an’izay manompo azy amin’ny fo manontolo.” (2 Tan. 16:9) Matokia àry hoe vitan’i Jehovah ny manampy antsika hiaritra sady te hanao an’izany izy.​—Isaia 30:18; 41:10; Lioka 11:13.

5. Nahoana ny vavaka no manampy antsika hilamin-tsaina? (Isaia 26:3)

5 Milaza ny Baiboly hoe ‘ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona, no hiambina ny fontsika sy ny saintsika’ rehefa mivavaka mafy momba ny olana mahazo antsika isika. (Fil. 4:7) Eritrereto ange ny olona tsy manompo an’i Jehovah e! Miatrika olana koa ry zareo, ary mitady fomba hampilamin-tsaina azy. Misy, ohatra, miezaka manafoana ny sainy mba hahatonga azy ho tony. Mampidi-doza be anefa izany satria mety hahatonga azy hohararaotin’ny demonia. (Ampitahao amin’ny Matio 12:43-45.) Tsy hahazo an’ilay fiadanana avy amin’i Jehovah mihitsy ny olona manao an’izany. Rehefa mitoky tanteraka aminy ihany isika vao homeny an’io fiadanany io. ‘Hampiadaniny foana’ isika, izany hoe hataony milamin-tsaina foana. (Vakio ny Isaia 26:3.) Mampahatsiahy antsika andinin-teny mampahery, ohatra, izy. Mampitony ny fo sy ny saina izy ireny satria mampahatsiahy antsika hoe tia antsika i Jehovah sady te hanampy antsika.​—Sal. 62:1, 2.

6. Inona no azonao atao mba tena hanampy anao ny vavaka? (Jereo koa ny sary.)

6 Inona no azonao atao? Rehefa miaritra fitsapana ianao dia “apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao”, ary mivavaha mba hampiany hilamin-tsaina. (Sal. 55:22) Mivavaha koa mba homeny ny fahendrena ilainao hiatrehana ny olana mahazo anao ianao. (Ohab. 2:10, 11) Aza hadinoina koa ny manao vavaka fisaorana rehefa mitalaho amin’i Jehovah ianao mba hampiany hiaritra. (Fil. 4:6) Jereo hoe inona no efa nataon’i Jehovah mba hanohanana anao ary isaory izy. Aza avela hisakana anao tsy hahita ny fitahiana azonao ny olana atrehinao.​—Sal. 16:5, 6.

Rahalahy be taona iray mivavaka ao an-tranony. Ririnina ny andro. Misy Baiboly eo am-pofoany, ary misy boaty iray misy fanafody eo amin’ny latabatra eo akaikiny.

Miresaka amin’i Jehovah ianao rehefa mivavaka, ary miresaka aminao i Jehovah rehefa mamaky Baiboly ianao (Fehintsoratra 6)b


NY TENIN’ANDRIAMANITRA

7. Nahoana no manampy antsika hiaritra ny mianatra Baiboly?

7 Nomen’i Jehovah ny Teniny isika mba hanampiana antsika hiaritra. Betsaka ny andinin-teny manome toky antsika hoe manohana antsika i Jehovah. Intỳ misy ohatra iray. Hoy ny Matio 6:8: “Fantatry ny Rainareo izay ilainareo, na dia mbola tsy mangataka aminy akory aza ianareo.” I Jesosy no niteny an’izany, ary tsy misy mahafantatra kokoa an’i Jehovah mihoatra noho izy. Afaka matoky tanteraka àry isika hoe fantatr’i Jehovah izay ilaintsika rehefa miatrika olana isika. Mbola misy hevitra mampahery be dia be hoatr’izany ao amin’ny Baiboly, ary manampy antsika ho tapa-kevitra kokoa ny hiaritra izy ireny.​—Sal. 94:19.

8. a) Milazà torolalana iray manampy antsika hiaritra. b) Inona no hanampy antsika hitadidy torolalana rehefa mila an’izany isika?

8 Manampy antsika hiaritra ny torolalan’ny Baiboly. Mirakitra fahendrena manampy antsika hahay hanapa-kevitra izy ireny. (Ohab. 2:6, 7) Mampirisika antsika, ohatra, ny Baiboly mba hiantehitra amin’i Jehovah isan’andro fa tsy hiady saina be loatra ny amin’ny ampitso. (Mat. 6:34) Raha zatra mamaky sy misaintsaina ny Soratra Masina isika dia azo inoana kokoa hoe hahatadidy ny torolalana ilaintsika, amin’ny fotoana ilana azy.

9. Nahoana ny tantara ao amin’ny Baiboly no mahatonga antsika hatoky kokoa hoe manampy antsika i Jehovah?

9 Misy tantaran’olona mitovy amintsika koa ao amin’ny Baiboly. Natoky an’i Jehovah ry zareo dia nampiany. (Heb. 11:32-34; Jak. 5:17) Rehefa misaintsaina azy ireny isika dia vao mainka matoky hoe “fialofana sy hery ho antsika” i Jehovah, ary “vonona hanampy foana izy amin’ny fotoan-tsarotra.” (Sal. 46:1) Lasa te hampiseho finoana sy hiaritra hoatran’ireny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika taloha ireny isika rehefa mandinika ny tantarany.​—Jak. 5:10, 11.

10. Inona no azonao atao mba handray soa faran’izay betsaka avy amin’ny Baiboly ianao?

10 Inona no azonao atao? Mamakia Baiboly isan’andro ary ataovy lisitra ny andinin-teny hitanao hoe manampy anao. Betsaka no mahita hoe tsara ny manao teny vakina amin’ny maraina, amin’izay misy hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly azony saintsainina. Izany no tsapan’i Mariea rehefa fantany hoe samy voan’ny kansera ny ray aman-dreniny. Inona no nanampy azy hiaritra nandritra an’ireo volana faramparany nikarakarany an-dry zareo? Hoy izy: “Isa-maraina aho no namaky ny andinin-teny ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro, dia nosaintsainiko ilay izy. Lasa feno hevitra avy ao amin’ny Baiboly ny saiko, dia izany no nanampy ahy tsy hifantoka be loatra tamin’ny tenako sy ny olana natrehiko.”​—Sal. 61:2.

NY MPIARA-MANOMPO

11. Nahoana no mampahery ny mahalala hoe tsy isika irery no miaritra?

11 Omen’i Jehovah ny mpiara-manompo isika mba hanampiana antsika hiaritra. Na dia ny mahafantatra fotsiny aza hoe ‘ampijalina toy izany koa ny rahalahintsika rehetra’, dia efa manome toky antsika izany hoe tsy irery isika. (1 Pet. 5:9) Matokia hoe na inona na inona zavatra iainanao dia efa nisy olon-kafa nandalo an’izany koa ary nahavita niaritra ry zareo. Ho vitantsika koa izany ny hiaritra!​—Asa. 14:22.

12. Inona no azon’ny mpiara-manompo atao amintsika, ary inona no azontsika atao ho an-dry zareo? (2 Korintianina 1:3, 4)

12 Afaka mampahery antsika ny mpiara-manompo mba hahavitantsika hiaritra. Izany mihitsy no tsapan’ny apostoly Paoly. Tamin’izy nambenana tao an-tranony, dia nisy mpiara-manompo nampionona sy nampahery ary nanampy azy. Matetika izy no nankasitraka an’ireny olona ireny ary notononiny mihitsy ny anaran-dry zareo. (Fil. 2:25, 29, 30; Kol. 4:10, 11) Mety hiaina zavatra hoatr’izany koa isika amin’izao. Eo foana ny mpiara-manompo rehefa mila fanampiana isika, ary eo foana koa isika rehefa mila antsika ry zareo.​—Vakio ny 2 Korintianina 1:3, 4.

13. Inona no nanampy an’i Maya hiaritra?

13 Nampahery be an’i Maya, anabavy any Rosia, ny mpiara-manompo. Natao savahao ny tranony tamin’ny 2020, ary niakatra fitsarana izy avy eo satria niresaka ny zavatra inoany. Izao no nolazain’i Maya momba ny mpiara-manompo: “Nisy fotoana aho kivy be, dia tamin’izay mihitsy ry zareo no nanome toky ahy hoe tia an’ahy. Ny sasany niantso dia ny sasany nanoratra. ... Efa haiko foana hoe anisan’ny fianakaviambe anankiray be fitiavana aho, fa nanomboka tamin’ny 2020 vao tena tsapako izany.”

14. Inona no azontsika atao raha te handray soa avy amin’ny fanampian’ny mpiara-manompo isika? (Jereo koa ny sary.)

14 Inona no azonao atao? Miaraha amin’ny mpiara-manompo foana rehefa miatrika fitsapana ianao. Aza misalasala mangataka fanampiana amin’ny anti-panahy. Afaka ny ho “toerana fiafenana amin’ny rivotra izy ireo, sy fialofana amin’ny oram-baratra.” (Isaia 32:2) Tadidio hoe mba miatrika fitsapana koa ny mpiara-manompo aminao. Raha manampy an’izay mila fanampiana ianao dia ho faly, sady hanampy anao hiaritra izany.​—Asa. 20:35.

Ilay rahalahy be taona teo ihany. Ao an-trano izy ary faly erỳ miresaka amin’ny mpivady iray sy ny zanak’izy ireo roa vavikely. Lohataona ny andro. Misy tehina sy boatina fanafody vitsivitsy eo akaikin’ilay rahalahy. Nanao sarina Paradisa ilay ankizivavikely iray dia asehony an’ilay rahalahy be taona ilay izy.

Miaraha amin’ny mpiara-manompo foana (Fehintsoratra 14)c


NY FANANTENANTSIKA

15. Inona no vokatry ny fanantenana eo amin’ny olona tsy mivadika, anisan’izany i Jesosy? (Hebreo 12:2)

15 Nomen’i Jehovah fanantenana azo antoka isika mba hanampiana antsika hiaritra. (Rom. 15:13) Tadidio i Jesosy. Nahavita niaritra izy tamin’ilay andro sarotra indrindra tamin’ny fiainany teto an-tany satria nanana fanantenana. (Vakio ny Hebreo 12:2.) Fantany hoe ho voamarina ny anaran’i Jehovah raha tsy mivadika izy. Tsy andriny koa ny hiarahana amin’ny Rainy indray sy ilay fotoana hiarahany manjaka amin’ny rahalahiny any an-danitra. Ary ahoana ny amintsika? Manantena isika hoe hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao, dia izany no manampy antsika hiaritra an’izay fisedrana alefan’ny tontolon’i Satana.

16. Nahoana no nanampy an’i Alla hiaritra ny fanantenana, ary inona no ianaranao avy amin’ny teniny?

16 Nanampy an’i Alla, anabavy any Rosia, ny fanantenany fiainana mandrakizay. Nosamborina ny vadiny ary notanana am-ponja vonjimaika. Nilaza i Alla tamin’izay hoe: “Manampy ahy tsy ho kivy loatra ny mivavaka sy misaintsaina ny fanantenantsika. Fantatro hoe tsy maintsy hifarana izao fitsapana izao. Handresy i Jehovah dia handresy koa isika.”

17. Ahoana no ampisehoantsika hoe mankasitraka ny fampanantenan’i Jehovah isika? (Jereo koa ny sary.)

17 Inona no azonao atao? Makà fotoana hieritreretana ny fiainana tsara be omanin’i Jehovah ho anao. Alao sary an-tsaina hoe ao amin’ny tontolo vaovao ianao, dia saintsaino daholo ny fitahiana ho azonao. Raha manao an’izany ianao dia hoatran’ny hoe “vetivety sy maivana” ny fitsapana iainanao amin’izao. (2 Kor. 4:17) Ataovy koa izay azonao atao mba hiresahana ny zavatra inoanao amin’ny olona. Eritrereto ange ny fiainan-dry zareo e! Miatrika olana maro ry zareo eto amin’ny tontolon’i Satana, nefa tsy mba mahalala ny fikasan’Andriamanitra momba ny hoavy akory. Mety hahatonga azy ho liana amin’ny Fanjakan’i Jehovah sy ny fikasany ny resaka ataonao aminy na dia vetivety fotsiny aza.

Ilay rahalahy be taona teo ihany. Mipetraka ao an-tranony izy ary mijery sarina Paradisa miseho eo amin’ny tablette-ny sady mieritreritra an’ilay izy. Fararano ny andro. Misy boatina fanafody maromaro sy fitaovana manampy azy handeha eo akaiky eo.

Makà fotoana hisaintsainana ny fiainana tsara be omanin’i Jehovah ho anao (Fehintsoratra 17)d


18. Nahoana isika no afaka matoky ny fampanantenan’i Jehovah?

18 Rehefa avy niaritra fitsapana maro i Joba dia nilaza tamin’i Jehovah hoe: “Fantatro izao fa mahay manao ny zava-drehetra ianao, ary tsy misy tsy vitanao izay rehetra eritreretinao hatao.” (Joba 42:2) Nianaran’i Joba hoe tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy hanatanteraka ny sitrapony. Manampy antsika hiaritra izany. Nahoana? Eritrereto hoe marary ny vehivavy iray ary betsaka ny dokotera efa nalehany nefa tsy nisy nahasitrana azy. Kivy izy. Misy dokotera mahay be anefa mahafantatra ny olana mahazo azy, dia hazavainy ny fomba hitsaboany azy. Maivamaivana ilay vehivavy na dia fantany aza hoe elaela izy vao ho sitrana. Afaka miaritra àry izy izao satria manantena hoe ho sitrana. Hoatr’izany koa isika. Vonona hiaritra isika satria matoky hoe tsy maintsy ho avy ny Paradisa.

19. Inona avy no hanampy antsika hiaritra?

19 Hitantsika tato hoe rehefa miatrika fitsapana isika dia manampy antsika ny vavaka, ny Tenin’Andriamanitra, ny mpiara-manompo, ary ny fanantenantsika. Ireo no hanampian’i Jehovah antsika hiaritra. Raha ampiasaintsika tsara daholo ireo fanomezany ireo dia hanampy antsika hiatrika an’izay olana mety hatrehintsika izy, mandra-pahatongan’ny fotoana hanafoanana ny tontolon’i Satana sy ny fijaliana rehetra.​—Fil. 4:13.

AHOANA NO AMPIASAN’I JEHOVAH AN’IRETO MBA HANAMPIANA ANTSIKA HIARITRA:

  • Ny vavaka sy ny Teniny?

  • Ny mpiara-manompo?

  • Ny fanantenantsika?

HIRA 33 Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao

a Novana ny anarana sasany.

b FANAZAVANA SARY: Mifandimby eny ny fizaran-taona samihafa nefa miaritra sy tsy mivadika mihitsy ny rahalahy be taona iray.

c FANAZAVANA SARY: Mifandimby eny ny fizaran-taona samihafa nefa miaritra sy tsy mivadika mihitsy ny rahalahy be taona iray.

d FANAZAVANA SARY: Mifandimby eny ny fizaran-taona samihafa nefa miaritra sy tsy mivadika mihitsy ny rahalahy be taona iray.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara