TANTARAM-PIAINANA
Saro-kenatra Aho Nefa Lasa Misionera
SARO-KENATRA aho tamin’ny mbola kely sady natahotra olona. Nisy fomba samihafa nanampian’i Jehovah ahy anefa dia lasa misionera tia olona aho. Teo ny tari-dalana avy amin’i Dada. Teo koa ny ohatra tsaran’ny rahavavy tanora iray. Ary farany, ny vadiko. Tsara fanahy sy nanam-paharetana izy rehefa niresaka tamiko. Aleo hotantaraiko anareo ny fiainako.
Teraka tany Vienne, any Aotrisy, aho tamin’ny 1951. Katolika izahay. Saro-kenatra aho nefa niresaka matetika tamin’Andriamanitra satria nino azy. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Dada, tamin’izaho sivy taona. Nianatra koa i Neny taoriana kelin’izay.
Izaho sy Elisabeth rahavaviko (eo ankavia)
Tsy ela izahay dia lasa anisan’ny Fiangonana Döbling tany Vienne. Niaraka nanao zavatra foana izahay mianakavy. Namaky sy nianatra Baiboly izahay, nivory, ary nanao asa an-tsitrapo rehefa fivoriambe. Mbola kely aho dia efa nampian’i Dada ho tia be an’i Jehovah. Nivavaka mihitsy aza izy mba ho lasa mpisava lalana izahay mirahavavy. Tsy izany mihitsy anefa ny tanjoko tamin’izany.
NANOMBOKA NANOMPO MANONTOLO ANDRO
Natao batisa tamin’ny 1965 aho, tamin’izaho 14 taona. Sarotra tamiko anefa ilay mitory amin’ny olona tsy fantatro. Nihevi-tena ho ambany koa aho, dia tena naniry ho tian’ny ankizy hafa. Lasa ninamana tamin’ny ankizy tsy mpanompon’i Jehovah aho, tsy ela taorian’ny batisako. Tiako ny niaraka tamin-dry zareo, nefa nenjehin’ny eritreritro aho satria niaraka be loatra tamin’ny olona tsy Vavolombelona. Tsy vitako mihitsy anefa ny niala tamin-dry zareo. Inona no nanampy ahy?
Betsaka ny zavatra nianarako avy tamin’i Dorothée (eo ankavia)
Nifindra tao amin’ny fiangonanay ny ankizivavy atao hoe Dorothée, ary 16 taona izy tamin’izany. Tena nampiaiky ahy ny fahazotoany nitory isan-trano. Zokiny kely fotsiny aho, nefa izaho tsy tena nazoto nanompo. Dia hoy aho hoe: ‘Izaho zanaka Vavolombelon’i Jehovah. I Dorothée anefa, izy irery no ao amin’ny fahamarinana sady mikarakara ny reniny tsy salama izy. Manompo foana anefa izy!’ Lasa te hanompo bebe kokoa aho noho ny modeliny. Tsy ela izahay sy Dorothée dia niaraka nanao mpisava lalana. Nanao mpisava lalana mpanampy aloha izahay, dia avy eo nanao maharitra. Lasa nafana fo hoatr’azy aho. Izy no nanampy ahy hahazo mpianatra voalohany. Tsy dia natahotra intsony aho, tatỳ aoriana, rehefa nitory isan-trano sy teny an-dalana ary tany an-toeran-kafa.
Nisy ranadahy avy any Aotrisy tonga tao amin’ny fiangonanay, tamin’ilay taona voalohany nanaovako mpisava lalana maharitra. Heinz no anarany. Tany Kanada izy no nahita ny fahamarinana, tamin’izy nitsidika ny rahalahiny Vavolombelona. Voatendry ho mpisava lalana manokana tao amin’ny fiangonanay tany Vienne izy. Vao nahita azy aho dia babo ny foko. Izao anefa, izy te ho misionera nefa izaho tsy te hanao an’izany mihitsy. Nafeniko àry ny fihetseham-poko tamin’ny voalohany. Niaraka ihany anefa izahay tatỳ aoriana, dia avy eo nivady dia niaraka nanao mpisava lalana tany Aotrisy.
TE HO MISIONERA
Niresaka tamiko an’ilay faniriany ho misionera foana i Heinz. Tsy nanery ahy aloha izy e! Nampirisika ahy foana anefa izy dia niteny, ohatra, hoe: “Efa tsy hiteraka ihany isika, dia maninona raha ampitomboina ny fanompoantsika an’i Jehovah?” Nampahatahotra ahy anefa ilay hanao misionera satria izaho saro-kenatra. Marina hoe mpisava lalana aho, fa ilay asan’ny misionera mihitsy no hoatran’ny tsy ho vitako. Tsy afaka am-bavan’i Heinz mihitsy anefa ilay tanjony. Nampirisihiny koa aho mba hifantoka amin’ny fomba azoko anampiana ny hafa fa tsy hanahy momba ny tenako. Tena nanampy ahy izany.
Heinz mitarika Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tao amin’ny fiangonana kely miteny serba-kroaty any Salzbourg, Aotrisy, 1974
Nitombo tsikelikely tao anatiko ny faniriana ho misionera, dia nameno fangatahana hanatrika ny Sekolin’i Gileada izahay. Nilaza anefa ny mpikarakara ny sampana hoe tsara raha manatsara ny fahaizako teny anglisy aloha aho. Niezakezaka teny aho nandritra ny telo taona, dia avy eo izahay gaga hoe voatendry tany amin’ny fiangonana miteny serba-kroaty any Salzbourg, any Aotrisy. Nanompo tany nandritra ny fito taona izahay, ary ny herintaona tao anatin’izay nanaovanay ny asan’ny faritra. Sarotra ilay fiteny nefa be mpianatra be izahay.
Nasaina “nanao vakansy” teto Boligaria izahay tamin’ny 1979. Voarara ny asa fitoriana teto tamin’izany. Tsy nitory àry izahay fa nasaina nitondra boky sy gazety an-tsokosoko ho an’ny rahavavy dimy nipetraka teto Sofia, renivohitra. Nohakelezina ireo boky sy gazety ireo. Natahotra be aho, nefa nanampy ahy hamita an’io fanendrena mampitaintaina io i Jehovah. Hitako hoe be herim-po sy falifaly foana izy dimy vavy na dia mety higadra aza. Nandrisika ahy izany mba hanao an’izay tsara indrindra vitako rehefa misy zavatra ampanaovin’ny fandaminan’i Jehovah.
Nangataka hanao Sekolin’i Gileada indray izahay dia nekena ny fangatahanay. Nieritreritra izahay hoe hanatrika an’ilay sekoly amin’ny teny anglisy any Etazonia. Nanomboka nisy an’ilay Sekoly Fanitarana An’i Gileada anefa tany Wiesbaden, any Alemaina, tamin’ny Novambra 1981. Tany àry izahay no nanatrika an’ilay sekoly. Natao tamin’ny teny alemà ilay izy, ary azoko kokoa io fiteny io. Dia aiza izao izahay no ho voatendry?
TANY AMIN’NY TANY ROTIDROTIKY NY ADY
Tany Kenya izahay no voatendry. Nanontany anay anefa ny biraon’ny sampan’i Kenya raha vonona hanompo tany Ogandà, firenena teo akaiky teo, izahay. Nisy fanonganam-panjakana tany, folo taona mahery talohan’izay. Ilay jeneraly atao hoe Idi Amin no nitarika an’izany. Fitondrana jadona no nanjaka nandritra an’ireo taona maro nitondrany ka an’arivony no nasainy novonoina ary an-tapitrisany no nitondra faisana. Nisy nanongana indray ny fitondrana tany Ogandà tamin’ny 1979. Tsy mahagaga raha natahotra ny hifindra tao amin’io tany rotidrotiky ny ady io aho. Nanampy anay hiantehitra tamin’i Jehovah anefa ny Sekolin’i Gileada dia nandeha ihany izahay.
Nikorontana ny fiainana tany Ogandà. Izao no nilazan’i Heinz azy tao amin’ny Diary 2010: “Tapaka ny rano sy ny fifandraisana ary ny zavatra maro hafa. ... Fahita ny fitifirana sy ny fandrobana, indrindra amin’ny alina. ... Nijanona tany an-trano ny rehetra, ary nanantena fa tsy hisy hanafika amin’ny alina. Matetika izy ireo no nivavaka momba izany.” Na teo aza izany dia nanana finoana matanjaka foana ny mpiara-manompo tany.
Mikarakara sakafo ao an-tranon-dry Waiswa
Tonga tany Kampala, renivohitr’i Ogandà, izahay sy Heinz tamin’ny 1982. Niara-nipetraka tamin-dry Sam sy Christina Waiswa izahay, nandritra ny dimy volana voalohany nahatongavanay tany. Dimy ny zanaky ry zareo dia nisy havany efatra koa niara-nipetraka taminy. Matetika no indray mandeha isan’andro ihany ry Waiswa mianakavy no nisakafo, nefa ry zareo mbola tena tia mandray vahiny ihany. Be dia be ny zavatra nianaranay tamin-dry Waiswa ka nanampy anay tamin’ny asa misionera. Nianatra nitsitsy rano, ohatra, izahay rehefa nandro, dia ny rano avy nikobananay no nampiasainay hanondrahana kabine. Nahita trano mba azo antoka tany Kampala izahay mivady tamin’ny 1983.
Tena nankafy ny fanompoana izahay. Nisy fotoana izahay nahapetraka gazety 4 000 mahery tao anatin’ny iray volana! Ny olona anefa no tena nahafinaritra. Nanaja an’Andriamanitra ry zareo dia tia niresaka momba ny Baiboly. Samy nanana fampianarana 10 ka hatramin’ny 15 teo ho eo izahay sy Heinz. Niana-javatra be tamin’ny olona nampianarinay koa izahay. Tsy nitaraina mihitsy, ohatra, ry zareo fa nitsiky foana na dia nandeha an-tongotra aza rehefa nivory.
Mbola nisy ady indroa tany Ogandà tamin’ny 1985 sy 1986. Matetika izahay no nahita ankizy nanao miaramila sy nirongo basy ngezabe teny amin’ny toeram-pisavana. Nivavaka foana izahay mba hahay hanavaka sy hanana fo tony rehefa nitady olona tso-po teny amin’ny fanompoana. Namaly vavaka i Jehovah! Tonga dia nisinda mantsy ny tahotray isaky ny nahita olona nandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana izahay.
Izahay sy Heinz miaraka amin’i Tatjana (eo afovoany)
Tianay koa ny nitory tamin’ny vahiny. Nihaona tamin’i Murat sy Dilbar Ibatullin, mpivady avy any Tatarstan (Rosia Afovoany), ohatra, izahay. Nampianarinay ry zareo. Dokotera i Murat. Nanaiky ny fahamarinana izy mivady ary mbola manompo an’i Jehovah hatramin’izao. Nihaona tamin’i Tatjana Vileyska, koa aho. Avy any Ukraine io vehivavy io ary nieritreritra ny hamono tena. Natao batisa i Tatjana dia niverina tany Ukraine, ary anisan’ireo nandika ny bokintsika tamin’ny teny iokrenianina tatỳ aoriana.a
ZAVA-TSAROTRA VAOVAO
Tamin’izahay nanao vakansy tany Aotrisy, tamin’ny 1991, no nilaza taminay ny biraon’ny sampana tany hoe voatendry ho eto Boligaria indray izahay mivady. Lasa ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Boligaria rehefa rava ny fitondrana kominista tatỳ Eoropa Atsinanana. Izahay moa ilay efa nampiditra boky an-tsokosoko teto ihany taloha, tamin’ny mbola voarara ny asantsika teto. Fa tamin’ity izahay nasaina nitory amin’izay!
Nasaina nanketo Boligaria avy hatrany izahay. Tsy afaka niverina tany Ogandà àry izahay mba hangorona entana sy hanao veloma ny namanay. Nankany amin’ny Betelan’i Alemaina kosa izahay, dia nomen-dry zareo fiara mba handehananay atỳ Boligaria. Voatendry hanompo niaraka tamin’ny mpitory 20 teo ho eo teto Sofia izahay.
Niatrika olana vaovao be dia be izahay teto Boligaria. Voalohany, tsy hainay ilay fiteny. Ankoatra izay dia ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay sy Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly ihany no nisy tamin’ny teny boligara tamin’izany. Sarotra taminay koa ny nanomboka fampianarana Baiboly. Nafana fo nitory foana anefa izahay na dia vitsy aza. Nahatsikaritra an’izany ny Eglizy Ortodoksa dia nanomboka ny fanenjehana.
Tsy nekena ho fivavahana ara-dalàna intsony ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1994. Natao hoatran’ny sekta mampidi-doza isika. Nosamborina ny mpiara-manompo sasany. Nanely tsaho mahatsiravina ny fampitam-baovao. Mamono zanaka, hono, ny Vavolombelon’i Jehovah sady mandresy lahatra ny mpiara-mivavaka aminy hamono tena. Tsy mora taminay sy Heinz ny nandeha nitory. Matetika izahay no sendra olona mahery setra sy nilelalela taminay, niantsoan’ny olona polisy, na notorahan’ny olona mihitsy aza. Tsy tafiditra teto Boligaria mihitsy ny boky sy gazetintsika. Sarotra koa ny nanofa trano hivoriana. Nisy fotoana aza ny polisy niditra an-keriny tao amin’ny toerana nanaovana fivoriambe dia nampiato an’ilay izy. Tsy nahazatra anay mivady mihitsy ny zavatra hoatr’ireny. Tany Ogandà mantsy ny olona mba sariaka sy liana amin’ny Baiboly daholo. Inona no nanampy anay hiatrika an’izany?
Ny niaraka tamin’ny mpiara-manompo no nahatonga anay ho faly. Tia ny fahamarinana ry zareo sady nankasitraka ny fanampianay. Nifandray akaiky daholo izahay sady nifanohana. Nianaranay mivady tamin’ireny hoe afaka ny ho falifaly foana isika amin’izay fanendrena azontsika raha tia olona.
Ao amin’ny sampan’i Boligaria, 2007
Mora kokoa anefa ny nitory teto tatỳ aoriana. Nekena ho ara-dalàna indray ny asantsika tamin’ny 1998. Nihabetsaka koa ny boky nadika ho amin’ny teny boligara. Notokanana tamin’ny 2004 ny biraon’ny sampana vaovao teto. Misy fiangonana 57 sy mpitory 2 953 izao eto Boligaria. Nahatratra 6 475 ny mpanatrika Fahatsiarovana, tamin’ny 2024. Rahavavy dimy fotsiny no teto Sofia taloha, nefa misy fiangonana sivy eto izao. Izahay mihitsy no nahita hoe “ny vitsy ... lasa arivo.”—Isaia 60:22.
OLANA ARA-PAHASALAMANA
Betsabetsaka ihany ny aretina nahazo ahy. Indray mandeha, ohatra, aho nanaraka fitsaboana tamin’ny alalan’ny taratra dia avy eo nodidiana adiny 12 tany Inde. Nijanona kely tao amin’ny Betelan’i Inde izahay, mandra-pihatsaran’ny fahasalamako. Niverina teto Boligaria izahay taorian’izay.
Voan’ny aretina manaranaka atao hoe aretin’i Huntington i Heinz tamin’izany. Lasa sahirana izy rehefa mandeha sy miteny, ary tsy voafehiny ny fihetsiny. Tsy maintsy niantehitra kokoa tamiko izy rehefa nihombo ilay aretiny. Nahatsiaro ho tototra loatra aho indraindray dia nanahy hoe tsy ho vitako intsony ny hikarakara azy. Nisy ranadahy kely atao hoe Bobi izay anefa nitondra azy nitory foana. Tsy sadaikatra i Bobi na dia tsy nazava aza ny tenin’i Heinz, ary na tsy voafehiny aza ny tanany sy ny tongony. Teo foana i Bobi rehefa tsy vitako ny nanampy an’i Heinz. Marina hoe tsy nieritreritra ny hiteraka izahay mivady raha tsy any amin’ny tontolo vaovao, nefa hoatran’ny hoe nomen’i Jehovah zanakalahy izahay rehefa teo i Bobi!—Mar. 10:29, 30.
Voan’ny kansera koa i Heinz. Mampalahelo fa nindaosin’ny fahafatesana ilay vady malalako tamin’ny 2015. Hoatran’ny tsy mino aho hoe tsy eo intsony ilay olona mampitony ahy rehefa manahy be aho. Mbola ao an-tsaiko foana anefa izy. (Lioka 20:38) Matetika aho no mahatsiaro azy mandritra ny andro. Hoatran’ny hitako erỳ izy tsara fanahy miresaka amiko sady manome torohevitra mahasoa. Faly be aho hoe afaka niara-nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro izahay roa.
FALY AHO FA NANOHANA AHY I JEHOVAH
Teo foana i Jehovah nandritra ny fitsapana rehetra nahazo ahy. Nampiany koa aho mba tsy ho saro-kenatra intsony sy ho lasa misionera tia olona. (2 Tim. 1:7) Izy koa no nahatonga ahy sy ny zandriko vavy ho lasa mpanompo manontolo andro. Mitsidika fiangonana miteny serba any Eoropa izao izy sy ny vadiny. Tanteraka ihany ilay vavaka nataon’ny dadanay tamin’izany!
Manampy ahy hilamin-tsaina ny mianatra Baiboly. Nianatra ny hivavaka “mafimafy kokoa” hoatran’i Jesosy aho rehefa mafy ny manjo ahy. (Lioka 22:44) Anisan’ny valim-bavaka izao ny mpiara-manompo ao amin’ilay fiangonana misy ahy eto Nadezhda, Sofia. Be fitiavana sy tsara fanahy ry zareo. Mankasitraka ahy matetika ry zareo. Asain-dry zareo hiara-mikorana aminy koa aho. Faly erỳ aho!
Matetika aho no misaintsaina ny fitsanganan’ny maty. Alaiko sary an-tsaina i Dada sy Neny eo ivelan’ny tranonay, sady tanora kely hoatran’ny tamin-dry zareo vao nivady, moa ilay zandriko vavy mikarakara sakafo. I Heinz indray mitsangana eo akaikin’ny soavaliny. Tsy dia mieritreritra zavatra mahakivy aho rehefa misaintsaina zavatra hoatr’izany sady tena mankasitraka an’i Jehovah.
Rehefa mitodika ny lasa sy mibanjina ny hoavy aho dia miombom-pihetseham-po tanteraka amin’i Davida rehefa nilaza izy, ao amin’ny Salamo 27:13, 14, hoe: “Taiza no ho niafarako raha tsy nino aho hoe hahita ny hatsaran-toetran’i Jehovah eo amin’ny tanin’ny velona? Aoka ianao hanantena an’i Jehovah; manàna herim-po ary hatanjaho ny fonao. Eny, aoka ianao hanantena an’i Jehovah.”
a Ao amin’ny Mifohaza! 8 Janoary 2001, p. 20-24 ny tantaram-piainan’i Tatjana Vileyska.