FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w25 Septambra p. 26-30
  • Nampian’i Jehovah Izahay dia ‘Nandrobona Foana’ na Taiza na Taiza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nampian’i Jehovah Izahay dia ‘Nandrobona Foana’ na Taiza na Taiza
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Mitovitovy Aminy
  • Nomen’i Jehovah Fitahiana Mihoatra Noho Izay Noeritreretiko Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Nataon’i Jehovah ‘Nandeha Tsara ny Fiainako’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Jehovah no Fialofako sy Heriko
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Inona no Hanampy Anao Raha Niova ny Fanendrena Anao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
w25 Septambra p. 26-30
Mats sy Ann-Catrin mitsangana eo akaikin’ny fiarany, any ambanivohitra.

TANTARAM-PIAINANA

Nampian’i Jehovah Izahay dia ‘Nandrobona Foana’ na Taiza na Taiza

NOTANTARAIN’I MATS SY ANN-CATRIN KASSHOLM

“MIEZAHA mba handrobona foana na aiza na aiza amindrana anareo.” Hoatran’ny hafahafa izany torohevitra izany. Hoatran’ny zavamaniry nafindra imbetsaka anefa ilay mpivady soedoà atao hoe Mats sy Ann-Catrin. Ahoana izany? Dia nahasoa an-dry zareo ve io torohevitra io? Andao hojerentsika.

Nanatrika ny Sekolin’i Gileada ry Kassholm mivady tamin’ny 1979. Nafindra faritany imbetsaka ry zareo nandritra ny taona maro, ka nanompo tany Iran, Maorisy, Myanmar, Ogandà, Tanzania, ary Zaïre. I Jack Redford, mpampianatra tao amin’ny Sekolin’i Gileada, no nanome an’ilay torohevitra terỳ aloha. Nahasoa an-dry zareo io torohevitra io rehefa nafindra faritany imbetsaka ry zareo. Aleo izy mivady no asaintsika manazava.

Lazao anay aloha hoe ahoana no nahitanareo ny fahamarinana.

Mats: Nipetraka tany Polonina i Dada nandritra ny Ady Lehibe II, dia hitany hoe nihatsaravelatsihy be ny Eglizy Katolika. Matetika anefa izy no niteny hoe: “Tsy maintsy misy fivavahana marina any ho any.” Hitako tatỳ aoriana hoe marina ny teniny. Nividy boky tonta be dia be mantsy aho dia nahazo an’ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Tena nahaliana ahy ilay lohateny, dia voavakiko tao anatin’ny indray alina ilay boky manontolo. Niaiky aho ny ampitso maraina hoe nahita ny fahamarinana!

Betsaka ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah novakiko, nanomboka tamin’ny Aprily 1972, dia voavaly tao ireo fanontaniako momba ny Baiboly. Nanao hoatran’ilay mpivaro-mandeha tao amin’ny fanoharan’i Jesosy aho. Nahita perla iray sarobidy izy dia nivarotra an’izay rehetra nananany mba hividianana an’ilay izy. Te hianatra teny amin’ny oniversite aho, tamin’izany, mba ho lasa dokotera. Najanoko anefa ilay izy mba hahafahako ‘mividy’ an’ilay “perla” sarobidy, izany hoe ny fahamarinana. (Mat. 13:45, 46) Natao batisa aho tamin’ny 10 Desambra 1972.

Nianatra Baiboly sy natao batisa koa i Dada sy Neny ary ny zandriko lahy tao anatin’ny herintaona. Nanomboka nanompo manontolo andro aho tamin’ny Jolay 1973. Be mpisava lalana nazoto tao amin’ny fiangonanay, anisan’izany ilay anabavy manjakely atao hoe Ann-Catrin. Tena tia an’i Jehovah izy. Nifankatia izahay dia nivady tamin’ny 1975. Tao Strömsund izahay no nanompo nandritra ny efa-taona taorian’izay. Tanàna iray nahafinaritra tany Soeda izy io sady be olona liana.

Ann-Catrin: Mbola mpianatry ny oniversite tany Stockholm i Dada, tamin’izy nahita ny fahamarinana. Vao telo volana aho tamin’izany dia nentiny nivory sy nanompo. Tsy tian’i Neny izany, dia niezaka nanaporofo izy hoe diso ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nahomby anefa izy ka natao batisa ihany tatỳ aoriana. Natao batisa aho tamin’izaho 13 taona, ary lasa mpisava lalana tamin’izaho 16 taona. Lasa mpisava lalana manokana aho rehefa avy nanitatra faritany tany Umeå.

Faly izahay sy Mats fa afaka nanampy olona maromaro hianatra ny fahamarinana, taorian’ny mariazinay. Anisan’izany ilay tovovavy atao hoe Maivor. Mpanao spaoro matihanina izy, nefa najanony izany mba hanompoana an’i Jehovah. Nanao mpisava lalana niaraka tamin’ny zandriko vavy izy. Nanatrika ny Sekolin’i Gileada ry zareo tamin’ny 1984, ary misionera any Ekoatera amin’izao.

Inona no nanampy anareo “handrobona foana” na taiza na taiza namindrana anareo, tamin’ianareo misionera?

Mats: Nafindra faritany imbetsaka izahay. Niezaka foana anefa izahay mba “hamaka tsara” teo amin’i Jesosy, ka nanao izay vitanay mba hanahafana azy, anisan’izany ny fanetren-tenany. (Kol. 2:6, 7) Tsy noterenay hanaraka ny fanaonay, ohatra, ireo Vavolombelona teo an-toerana, fa nofantarinay hoe nahoana no hafa ny fomba fanaovan-dry zareo zavatra. Tianay ho azo mantsy ny fomba fisainan-dry zareo sy ny kolontsainy. Rehefa niezaka nanahaka an’i Jesosy izahay, dia lasa tsapanay kokoa hoe hoatran’ny hazo ‘nambolena teo amoron’ny rano mikoriana’ izahay, ka ‘nandrobona foana’ na taiza na taiza namindrana anay.​—Sal. 1:2, 3.

Mats sy Ann-Catrin mitondra entana sy sakafo kely.

Nandeha nitsidika fiangonana foana izahay

Ann-Catrin: Rehefa afindra toerana ny hazo iray, dia mila ny hazavan’ny masoandro koa izy amin’izay mitombo. Hoatran’ny “masoandro” foana i Jehovah taminay. (Sal. 84:11) Nomeny ranadahy sy rahavavy be fitiavana sy tsara fanahy izahay. Nahay nandray vahiny be, ohatra, ny mpiara-manompo tao Téhéran, any Iran, dia nampahatsiahy anay an’ilay fandraisam-bahiny tamin’ny andron’ny Baiboly izany. Tena te hijanona tany Iran izahay. Indrisy anefa fa voarara ny asantsika tany tamin’ny Jolay 1980, dia nasaina niala tany tao anatin’ny 48 ora izahay. Voatendry tany Zaïre any Afrika indray izahay, izany hoe tany Congo amin’izao.

Trano tsotsotra any ambanivohitr’i Zaïre.

Nankafizinay ny fanompoanay tany Zaïre, 1982

Nitomany aho rehefa nahafantatra hoe voatendry ho any Afrika izahay. Henoko mantsy hoe be bibilava sy aretina any, dia natahotra aho. Nisy mpivady namanay izay anefa nampahery anay. Efa nanompo ela tany Afrika mantsy ry zareo. Izao no nolazainy: “Ianareo aza ange mbola tsy tany akory e! Mandehana fa ho tianareo any!” Dia izany tokoa. Be fitiavana sy tsara fanahy ny mpiara-manompo. Inona, hoy ianareo, no nataoko, enin-taona tatỳ aoriana, rehefa tsy maintsy niala tany Zaïre izahay noho ny fandrarana? Nivavaka tamin’i Jehovah indray aho hoe: “Avelao re izahay mba hijanona atỳ Afrika e!” Nihomehy irery aho rehefa nisaintsaina an’izany!

Inona no fitahiana azonareo nandritra an’izay taona maro izay?

Ann-Catrin mipetraka eo ambony seza, eo akaikin’ny fiaran-dry zareo.

Ilay fiara natorianay tany Tanzania, 1988

Mats: Nahazo namana misionera be dia be avy any amin’ny firenena samihafa izahay. Faly be koa izahay satria afaka nitarika fampianarana Baiboly be dia be, tany amin’ny fanendrena sasany. Nisy fotoana aza samy nanana mpianatra 20 teo ho eo izahay roa! Tsy hadinoko koa ireo rahalahy sy anabavy tany Afrika satria tena be fitiavana sy tia nandray vahiny ry zareo. Rehefa nitsidika fiangonana tany Tanzania, ohatra, izahay dia najanonay teo akaikin’ny tranon’ny mpiara-manompo ilay fiara fatorianay. Nahantra be ry zareo nefa tena nalala-tanana, ary nanome “mihoatra noho izay zakany” mihitsy aza. (2 Kor. 8:3) Anisan’ny niavaka koa ilay nantsoinay hoe “fotoanan’ny tantara.” Isaky ny nifarana mantsy ny andro tsirairay dia nifampitantara ny zava-nitranga nandritra ny andro izahay mivady, dia avy eo nisaotra an’i Jehovah noho ny fanampiany.

Ann-Catrin: Tena faly aho hoe nahafantatra ranadahy sy rahavavy avy any amin’ny vazan-tany efatra. Nianatra kolontsaina samihafa koa izahay, sady nianatra fiteny vaovao, anisan’izany ny teny frantsay, iranianina, luganda, ary swahili. Afaka nanampy mpianatra Baiboly vaovao izahay sady lasa nana-namana akaikin’ny fonay, dia ‘niray hina’ izahay nanompo an’i Jehovah.​—Zef. 3:9.

Nahita zavaboary mahavariana isan-karazany koa izahay. Isaky ny nanaiky fanendrena vaovao izahay, dia hoatran’ireny handeha hanao dia lavitra ireny ka i Jehovah no Mpitarika anay. Nampianatra anay zavatra be dia be tsy ho hainay samirery mihitsy izy.

Sary: 1) Mats sy Ann-Catrin mitory amin’ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany. 2) Ann-Catrin mitory amin’ny tovolahy iray avy amin’ny foko maasai.

Mitory amin’ny faritany samihafa, Tanzania

Inona no zava-tsarotra natrehinareo, dia inona no nanampy anareo?

Mats: Nisy fotoana izahay voan’ny tazomoka sy ny aretina hafa fahita any amin’ny tany mafana. I Ann-Catrin aza nodidiana imbetsaka. Ankoatra izay, dia nanahy momba ny ray aman-dreninay be taona izahay. Soa ihany fa afaka nikarakara an-dry zareo ny iray tam-po aminay. Nanao tsara an’izany andraikitra izany ry zareo, sady nanam-paharetana sy falifaly ary be fitiavana. (1 Tim. 5:4) Kivy ihany anefa izahay indraindray satria nieritreritra hoe tokony ho nanampy kokoa an’ireo ray aman-dreninay fa tsy nanohana avy lavitra fotsiny.

Ann-Catrin: Tratran’ny kôlerà aho tamin’ny 1983, tamin’izahay nanompo tany Zaïre. Hoy ny dokotera tamin’i Mats: “Androany ihany izy dia ento miala eto Zaïre!” Nandeha raoplanina nankany Soeda izahay ny ampitson’iny. Raoplanina mpitondra entana ilay izy satria izay ihany moa no nisy.

Mats: Nitomany be izahay satria nieritreritra hoe vita hatreo ny asa misionera. Sitrana ihany anefa i Ann-Catrin fa tsy araka ny nolazain’ny dokotera. Tafaverina tany Zaïre izahay, herintaona tatỳ aoriana, dia nafindra tao amin’ny fiangonana kely iray miteny swahili tao Lubumbashi.

Ann-Catrin: Afa-jaza aho tamin’izahay nanompo tany Lubumbashi. Marina hoe tsy nieritreritra ny hiteraka izahay, nefa tena mafy tamiko ilay izy. Nisy zavatra tsy nampoizina nataon’i Jehovah taminay anefa nandritra an’iny fotoana mangidy iny. Lasa betsaka kokoa noho ny hatramin’izay ny olona nampianarinay Baiboly. Tsy ampy herintaona akory dia lasa 70 ilay mpitory 35 tao, ary lasa 220 ny mpanatrika fivoriana raha 40 izany teo aloha. Be atao tamin’ny fanompoana izahay, dia lasa nihatony ny foko noho ny fitahian’i Jehovah. Mbola mahatsiaro sy miresaka momba an’ilay sombin’ny ainay foana izahay. Efa tsy andrinay ny hahita ny fomba hanasitranan’i Jehovah tanteraka ny ratram-ponay ao amin’ny Paradisa.

Mats: Nisy fotoana i Ann-Catrin reraka be, dia tena kely ny heriny. Fantatra koa tamin’izany hoe voan’ny kanseran’ny tsinaibe aho ka nila fandidiana lehibe. Salama tsara anefa aho izao, dia i Ann-Catrin indray manao izay azony atao eo amin’ny fanompoana.

Lasa tsapanay hoe tsy izahay irery no miatrika fitsapana. Nitsidika mpiara-manompo tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana izahay, taorian’ilay fandripahana foko tany Rwanda tamin’ny 1994. Tena nanam-pinoana ry zareo, niaritra, ary mbola tia nandray vahiny foana, na dia efa mafy aza ny nahazo azy. Nianaranay avy tamin’iny fa vitan’i Jehovah ny manohana ny vahoakany na inona na inona fitsapana mitranga.​—Sal. 55:22.

Ann-Catrin: Nisy fitsapana hafa indray tamin’ny 2007, tamin’izahay nanatrika fitokanana sampana tany Ogandà. Rehefa vita ilay fandaharana dia nandeha bisy ho any Nairobi, any Kenya, izahay, niaraka tamin’ny misionera sy Betelita 25 teo ho eo. Mbola tsy tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Kenya akory anefa izahay, dia nisy kamiao kely iray izay nifatratra tany amin’ilay bisy nitondra anay, dia maty tsy tra-drano ny mpamily sy ny dimy taminay. Ny rahavavy iray indray maty rehefa tonga tany amin’ny hopitaly. Tena tsy andrinay ny hahitana an’ireny namanay ireny indray!​—Joba 14:13-15.

Sitrana ihany ny ratra nahazo ahy tatỳ aoriana. Mbola nitebiteby sy nikorontan-tsaina ihany anefa izahay sy Mats, hoatran’ny mpandeha hafa tsy maty tamin’ilay loza. Taitra tampoka aho amin’ny alina rehefa mihetsika ilay izy, dia hoatran’ireny olona voan’ny aretim-po ireny. Nampahatahotra be ilay izy. Nivavaka mafy anefa izahay dia nanampy anay koa ny andinin-teny sasany tena tianay. Ankoatra izay, dia nahasoa anay ny nanatona dokotera. Efa tsy dia mihetsika intsony ilay izy izao. Mivavaka amin’i Jehovah izahay mba hanampy anay hampionona an’ireo mitebiteby sy mikorontan-tsaina hoatran’iny nahazo anay iny.

Nilaza ianao, ry Mats, hoe tafavoaka tamin’ireny fitsapana ireny ianareo satria “hoatran’ny atody” teny an-tanan’i Jehovah. Mba hazavao kely hoe izay!

Mats: Avy amin’ilay teny swahili hoe “tumebebwa kama mayai mabichi” izy io. Raha adika dia hoe: “Nokenakenaina hoatran’ny fitondrana atody izahay.” Mitandrina tsara ny olona rehefa mitondra atody mba tsy ho vaky ilay izy. Hoatr’izany mihitsy no nataon’i Jehovah taminay tany amin’ny fanendrena tsirairay azonay. Nahazo an’izay nilainay foana izahay ary mbola nihoatra aza. Tsapanay koa hoe tia sy nanohana anay i Jehovah, tamin’ny fomba nitondran’ny Filan-kevi-pitantanana anay. Tena nahay nipetraka teo amin’ny toeranay mantsy ry zareo.

Ann-Catrin: Nisy zava-nitranga iray izay anisan’ny nampiseho hoe tena tia sy nanohana anay i Jehovah. Nahazo antso an-telefaonina izahay, indray andro, hoe niditra hopitaly i Dada tany Soeda. Mbola narefo anefa i Mats tamin’izany fa vao avy voan’ny tazomoka. Tsy nanam-bola hividianana tapakila hodiana koa izahay, dia nanapa-kevitra hoe hamidinay ny fiaranay. Nisy antso roa fanampiny indray anefa. Mpivady naheno an’ilay olana nahazo anay ilay niantso voalohany. Vonona handoa ny saran-dalan’ny iray taminay ry zareo. Rahavavy zokiolona indray ilay niantso faharoa. Nanangom-bola tao anaty boaty izy dia nasiany soratra hoe “Ho an’izay mila fanampiana” teo amin’ilay izy. Tao anatin’ny minitra vitsy fotsiny dia tonga ny fanampian’i Jehovah!​—Heb. 13:6.

Inona no nianaranareo rehefa manao jery todika an’izay 50 taona nanompoanareo manontolo andro izay ianareo?

Mats sy Ann-Catrin samy falifaly.

Ao amin’ilay fanendrena anay vaovao eto Myanmar

Ann-Catrin: Nianarako hoe hatanjaka isika “raha tony foana sy feno toky.” Rehefa mitoky amin’i Jehovah isika dia izy no hiady ho antsika. (Isaia 30:15; 2 Tan. 20:15, 17) Raha manao izay tsara indrindra vitantsika isika any amin’izay fanendrena azontsika, dia hahazo fitahiana mihoatra lavitra noho izay mety ho azontsika raha nanao zavatra hafa isika.

Mats: Nianarako hoe mila miantehitra amin’i Jehovah foana aho, na inona na inona zavatra atrehiko, dia miandry hoe ahoana no hanampiany ahy. (Sal. 37:5) Izy tsinona efa nampanantena hoe hanampy, ary mitana ny teniny foana izy. Mbola mahatsapa an’izany izahay amin’izao manompo eto amin’ny Betelan’i Myanmar izao.

Nasehon’i Jehovah taminay hoe tia sy tsy mivadika izy. Matoky izahay fa hahatsapa an’izany koa ny tanora maro, izay miezaka mampitombo ny fanompoany. Hahatsapa an’izany ry zareo raha mamela an’i Jehovah hanampy azy handrobona foana, na aiza na aiza hamindrana an-dry zareo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara