FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb16 p. 170-p. 171 feh. 7
  • Tafaraka Ihany Rehefa Ela ny Ela!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tafaraka Ihany Rehefa Ela ny Ela!
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016
  • Mitovitovy Aminy
  • Nitodika tany amin’ilay Loharanon’ny tena rariny izahay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Nisy Nanafintohina: “Manana Antony Hitarainana”
    Miverena Amin’i Jehovah
  • “Ianareo no Mpiray Tanàna Mahafinaritra Indrindra”
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017
  • Rehefa Marary Mafy Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
Hijery Hafa
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016
yb16 p. 170-p. 171 feh. 7
Linda sy Sally Ong

INDONEZIA

Tafaraka Ihany Rehefa Ela ny Ela!

Notantarain’i Linda sy Sally Ong

Linda: Niteny tamiko i Neny tamin’izaho 12 taona hoe manana zandrivavy aho fa nomena olona izy. Lasa saina aho raha marenina hoatr’ahy koa izy. Nihalehibe teny ihany aho fa tsy nahalala azy mihitsy.

Sally: Tsy fantatro hoe zaza natsangana aho. Nataon’i “Neny” hoatran’ny mpiasany aho sady novonovonoiny. Nahatsiaro ho nijaly sy nanirery aho rehefa nihalehibe. Nanampy trotraka ny fahoriako izany satria marenina aho. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho ary nanomboka nianatra Baiboly. Fantatr’i “Neny” ilay izy ka novelesiny tamin’ny fehikibo aho. Novany koa ny hidin-trano, dia tsy navelany hivoaka tao aho. Nitsoaka aho tamin’izaho 20 taona, dia ny Vavolombelona no nandray ahy. Natao batisa aho teo am-piandohan’ny 2012.

Linda: Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona aho tamin’izaho 20 taona. Nanomboka nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra teto Jakarta koa aho. Nadika tamin’ny tenin’ny tanana ny fandaharana. Nahita marenina be dia be aho tany, anisan’izany i Sally, ankizivavy Vavolombelona nipetraka tany Sumatra Avaratra. Hoatran’ny hoe mora nifandray izany izahay, fa tsy haiko hoe maninona.

Sally: Lasa mpinamana be izahay sy Linda. Hoatran’ny hoe nitovitovy izany izahay, fa tsy niasa saina be tamin’ilay izy aho.

Linda: Te hahita be an’ilay zandriko vavy aho, iray andro talohan’ny batisako, tamin’ny Aogositra 2012. Nitalaho tamin’i Jehovah aho hoe: “Mba ampio aho hahita ny rahavaviko fa tiako horesahina aminy ny momba anao.” Tsy ela taorian’izay, dia nisy olona nandefa hafatra an-telefaonina tamin’i Neny satria nahalala vaovao momba an’ilay rahavaviko. Nisy zava-nitranga nifampitohitohy avy eo ka nahatonga ahy hiresaka tamin’i Sally.

Sally: Tonga dia nandray fiaramanidina nankatỳ Jakarta aho, raha vao nanazava i Linda hoe izaho ilay rahavaviny efa tsy hita ela be. Rehefa nivoaka ny toeram-pisavana tao amin’ilay seranana aho, dia hitako efa niandry ahy i Linda sy ny zokiko vavy iray hafa ary Dada sy Neny. Nihetsi-po be aho. Nifamihina sy nifanoroka izahay, ary nofihinin’i Neny ela be mihitsy aho. Nitomany daholo izahay. Sady nitomany i Dada sy Neny no niala tsiny noho izaho nomeny hotezain’olona. Dia vao mainka izahay nitomany sy nifamihina.

Linda: Tsy nitovy ny fomba nitaizana anay, dia tsy maintsy nianatra nifankazatra toetra sy fahazarana izahay. Mifankatia be anefa izahay.

Sally: Miara-mipetraka izao izahay sy Linda, ary mivory ao amin’ny fiangonana iray mampiasa tenin’ny tanana eto Jakarta.

Linda: Efa 20 taona mahery izahay sy Sally no tafasaraka. Misaotra an’i Jehovah izahay fa tafaraka ihany rehefa ela ny ela!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara